Fihaonamben’ny Diakona 2018.

DATY FIHAONAMBE DIAKONA

TALATA 2 – ALAKAMISY 4 OKTOBRA 2018

*********************

 

  IVONTOERANA

AMBOSITRA

  IVONTOERANA

VATOMANDRY

  IVONTOERANA

MAHAJANGA

1

 

2

 

 

3

 

 

4

 

5

 

6

 

7

 

8

 

9

 

10

 

11

 

 

12

 

13

AMBALAVAO TSIENIMPARIHY

 

AMORON’I MANIA AMBOSITRA

 

AMBOVOMBE ATSIMO KRISTY RANOVELONA

 

ANDREFANA ATSIMON’ANKARATRA

 

ANTANANARIVO ATSIMO

 

ATSIMO ATSINANANA

 

IARIVO AVARADRANO

 

MANANJARY PANGALANES

 

MATSIATRASOA

 

TOLIARY FIHAVAOZANA

 

FAHAZAVAN’ATSIMO ANDREFANA

 

ATSIMON’IARIVO MIRAY

 

ATSINANAN’ANKARATRA

FAHAZAVANA

1

 

 

2

 

 

3

 

4

 

 

5

 

 

6

 

 

7

 

8

 

 

9

 

10

 

11

 

AFOVOANY ATSINANANA VAOVAO

 

AMBATONDRAZAKA VAOVAO

 

MANGORO MORAMANGA

 

MIRAY FARITRA ANTONGIL

 

TOAMASINA VAVAHADIN’NY FILAZANTSARA

 

KRISTY FANANTENANTSIKA TOAMASINA ATSIMO

 

ANTANANARIVO ANDREFANA

 

ALAOTRA CHROME

 

AFOVOANY ANDREFANA

 

ARIVONIMAMO VAOVAO

 

MANANARA FIRAISANA

1

 

2

 

3

 

4

 

 

5

 

6

 

7

 

8

 

9

 

10

 

11

 

 

12

 

 

13

ANDRONA ATSINANANA MIARA-MIFOHA

 

ANTANANARIVO ATSINANANA

 

BOINA VAOVAO

 

FARITANY VOALOHANY ANTSIRANANA

 

MAEVATSARA

 

BEMARAHA

 

MEVARANO MIRAY

 

SOFIA ANDREFANA

 

KRISTY FIHAVANANTSIKA AVARATRA ATSINANANA

 

MIARINARIVO FAHAZAVANA

 

MANDRINDRANO MPIAMBINASOAVINANDRIANA ITASY

 

TSIROANOMANDIDY

 

VONIZONGO VAVOLOMBELONA

 

 

 

 

 

 

 

 

Fihaonamben’ny Katekista 2018.

Fihaonamben’ny Katekista 28,29,30 Aogositra 2018,
(misy ivon-toerana miisa 11)

 

Lah TOERANA

HIOFANANA

SP MIARA-MIOFANA
1.. SAMBAVA Kristy Fihavanantsika Avaratra Atsinanana
2 MAROANTSETRA Miray Faritra Antongil
 

3

 

MORAMANGA

Alaotra Chrome

Ambatondrazaka Vaovao

Mangoro Moramanga

 

 

4

 

 

FIANARANTSOA

Toliara Fihavaozana

Ambalavao Tsienimparihy

Ambovombe Atsimo Kristy Ranovelona

Atsimo Atsinanana

Mananjary Pangalana

Matsiatrasoa

 

5

 

ANTSOHIHY

Faritany Voalohany Antsiranana

Sofia Andrefana

Mevarano Miray

Androna Atsinanana Miara-Mifoha

 

6

 

TOAMASINA

Toamasina Vavahadin’ny Filazantsara

Afovoany Atsinanana Vaovao

Kristy Fanantenantsika Toamasina Atsimo

 

7

 

MAHAJANGA

Boina Vaovao

Maevatsara

Vonizongo Vavolombelona

 

8

 

ANJOZOROBE

Mananara Firaisana

Afovoany Andrefana

Atsimon’Iarivo Miray

 

9

 

ANDRAINARIVO

Antananarivo Andrefana

Antananarivo Atsimo

Antananarivo Atsinanana

Iarivo Avaradrano

 

10

 

ANTSIRABE

Andrefana Atsimon’Ankaratra Miaradia

Amoron’i Mania Ambositra

Atsinanan’Ankaratra Fahazavana

Fahazavana Atsimo Andrefana

 

11

 

TSIROANOMANDIDY

Tsiroanomandidy

Bemaraha

Mandridrano Mpiambina Soavinandriana

Miarinarivo Fahazavana

Arivonimamo Vaovao

 

 

SFL / Antso ho Tonia

 SAMPANA FIVONDRONANA LAIKA FJKM

FIROTSAHANA AMIN’NY FIFANINANANA HO TONIAN’NY S.F.L.

Noho ny fahabangan’ny toeran’ny Tonia dia misokatra ny antso handraisana izay ho TONIA matihanina ao amin’ny SFL hiasa mandritra ny fe-potoam-piasana Mai 2018-hatramin’ny Oktobra 2019. Araka ny voalazan’ny fitsipika  fototry ny SFL and. 9.2.6 dia “anaovana antso dieny mialoha izay ho Tonia ka izay mahafeno fepetra no atolotra ny Zaikabe” na ny Komity Foibe

Toy izao manaraka izao ny tsanganana (profil) sy fepetra takiana amin’izay maniry hilatsaka ho amin’io asa io1.FANAMARINANA ny maha FJKM azy :

  • Mpitandrina FJKM lahy na vavy efa voatokana (vita consécration),
  • na Kristiana FJKM lahy na vavy, Mpandray ny fanasan’ny Tompo nandritra ny folo (10) taona farafahakeliny
  • Raha tsy mpitandrina dia Mpikambana nandritra ny dimy(5) taona farafahakeliny ao amin’ny Sampana Vondrona Fototra Laika
  • Mahafantatra tsara ny foto-pinoana , ny rafitra, ny tantara ary ny fiainan’ny FJKM .
  • Mahafantatra tsara ny SFL sy ny Fitsipika (fototra sy anatiny) mifehy azy
  • Tsara laza eo anivon’ny Fiangonana sy ny fiaraha monina

2.MARI-PAHAIZANA :

  • Manana ny mari-pahaizana LICENCE na ny mitovy lenta amin’izany raha kely indrindra.
  1. TRAIKEFA
  • Manana traikefa 3 taona fara faha keliny ary mahafehy tsara ny lafiny fitantanana sy ny fandaminan-draharaha ankapobeny teo amin’ny sehatra anatiny na ivelan’ny Fiangonana.
  • Efa nitàna andraikitra teo amin’ny fitantanana sampana na asa hafa teo anivon’ny fitandremana na synodamparitany.

 

  • 4.FAHAIZANA HAFA  ILAINA
  • Manana fahaizana momba ny fifandraisana ary mahay mampiasa sy mahafehy tsara ny Informatique (bureautique, tableurs, powerpoint, internet…)
  • Mahafehy tsara ny teny Malagasy sy ny teny Frantsay ary manana fahalalana ankapobeny ny teny
  • Mahay manentana sy manazava hevitra ary mampianatra sy mampiofana

5.FEPETRA

  • 30 taona noho mihoatra ary latsaky ny 50 taona eo am-panombohana ny asa.
  • Salama tsara sy afaka mandeha mamita iraka ivelan’ny tanan-dehibe sy @ toerana saro-dàlana
  • Afaka manombo-draharaha avy hatrany ny volana Mey 2018 ary manaiky ny fifampitondrana ara-pivelomana eo anivon’ny Foibe FJKM
  • Manao izay anatrehany ny dinidinika –INTERVIEW-izay hatao ao amin’ny Foibe SFL varavana 502 Trano Ifanomezantsoa Analakely ny 10 na 11 Aprily 2018

6.ANTONTAN’NY TARATASY FILATSAHANA:

  • Taratasy maneho ny fahavononana hanao ny asan’ny Tonian’ny SFL (Lettre de motivation)
  • Curriculum Vitae (CV)misy sary , maneho ireo fepetra voalaza etsy ambony indrindra ny ara-piangonana
  • Taratasy fanolorana avy any amin’ny Mpitandrina ao amin’ny fitandremana misy azy manamarina ny maha Mpandray ny Fanasan’ny Tompo sy maha Mpikambana ao amin’ny Sampana VFL azy…
  • Taratasy fanamarinana ny maha Mpitandrina amperinasa FJKM azy ( Ho an’ny Mpitandrina )
  • Dika mitovy voamarina (copies certifiées) an’ireo mari-pahaizana na certificats ananan’ny mpilatsaka.

7.FANDRAISANA NY ANTONTAN-TARATASY FILATSAHANA

Ny antontan’ny taratasy filatsahana dia atao anaty valopy mihidy tsy misy anarana ary aterina ao amin’ny Foibe SFL varavana 502 Trano Ifanomezantsoa Analakely na alefa Paositra amin’ny adiresy SFL Foibe BP 623 Antananarivo 101 ka ny Zoma 6 Aprily 2018 no fara fandraisana izany ( Fitomboky ny Paositra no manamarina ).

  1. FANAMARIHANA
  •  Ireo rehetra mahafeno ny fepetra aorian’ny Dinidinika INTERVIEW dia  hanao izay hanatrehany ny fivorian’ny Komity Foiben’ny SFL izay atao ny Zoma 13 Aprily 2018 eto Antananarivo.
  • Izay Tonia voafidin’ny Komity Foibe (KF) kosa dia ho entina ankatoavin’ny Fivorian’ny Mpiandraikitra Foibe FJKM amin’ny volana Aprily 2018.

Amin’ny anaran’ny Birao Foibe SFL

Ny Filoha

RADAVIDSON Andriamparany Benjamin

  

HAFATRY NY KOMITY FOIBEN’NY

SAMPANA FIVONDRONANA LAIKA (SFL)

Ny Komity Foiben’ny SFL nivory teto Ambohibao ny 20 ka hatramin’ny 23 Febroary 2018 dia misaotra an’Andriamanitra noho ny zava-bita nandritra iny taona 2017 iny. Isaorana indrindra ny Foibe FJKM, tarihin’ny Filohan’ny Mpiandraikitra Foibe, nanaiky ny hanatontosana izao fivoriana’ny Komity Foibe izao ka nanatrika izany Andriamatoa RAKOTONINDRAINY Jaona, Mpitandrina, Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana, sy ny Mpiandraikitra Foibe Mpiahy ny SFL, Ramatoa RAMAROKOTO Haingotiana Mireille Mpitandrina. Tsy adino koa ny VPL sy ny VFL rehetra izay nandray anjara sy nanolo-tanana nahazoana nahatanteraka ireny Asa samihafa ireny.

Nodinihana tamin’izao fivoriana izao ny tatitr’asa sy ara-bolan’ny taona 2017 ary  notapahana ihany koa ny tetikasa sy tetibola taona 2018 mifanaraka amin’ny teny faneva sy ny Vina iainan’ny Sampana.

Tsy ampy ny fepetra nahazoana nifidy  izay ho Tonia vaovaon’ny SFL, koa manao antso vaovao ho an’izay mahafeno ny fepetra mba hametraka ny fangatahany ao amin’ny Birao Foibe SFL. Hivory tsy ara-potoana ny Komity Foibe ny 13 Aprily 2018 hanao ny fifidianana momba izany.

Najoro nandritra izao fivoriana izao koa ny komity mpanomana sy mpanatanteraka ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 40 taonan’ny SFL amin’ny taona 2019 ka ny Mpitandrina RAMAMONJIARISOA Robert no lany ho Filohan’izany Komity izany.

Tapaky ny Komity Foibe fa afindra any Manakara no hanatanterahana ny Fihaonambe sy Zaikaben’ny SFL amin’ny taona 2019.

Ankoatra ny fandalinam-pinoana sy ny fandinihana Soratra Masina dia nifanarahana ihany koa ny fanohizana sy fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly ataon’ny Laika. Nifampizaràna tamin’izao fivorian’ny KF izao koa ny didy aman-dalàna sy ny fombafomba arahina mahakasika ny fananan-tany.

Ireto kosa ny hafatry ny Komity Foibe ampitaina amin’ny Vondromparitany Laika sy ny Vondrona Fototra Laika rehetra:

1-      Hamafisina izay  tokony iainan’ny Laika ny finoana sy ny fampianaran’ny FJKM manoloana ny toetrandro sy ny zava-misy ankehitriny: araka izany dia aoka ny VPL sy VFL hanao ho zava-dehibe sy laharam-pahamehana ny fiaraha-mandinika Soratra Masina sy fampianaram-pinoana maha- FJKM mandritra ny fotoam-pivoriana rehetra, aoka hisy fiaraha-miasa feno amin’ny Mpitandrina izany fampiorenam-pinoana izany.

2-      Mandray anjara feno amin’ny Vina sy hetsika rehetra ataon’ny FJKM ny SFL ka aoka ny Laika rehetra samy hazoto sy handray anjara mavitrika  amin’ny Asan’ny Fiangonantsika toy ny Fivoriambavaka rehetra, ny asan’ny Synodamparitany, ny hetsika “Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara” ary ny jobily faha 50 taonan’ny FJKM.

3-      Manentana ny VPL sy ny VFL rehetra  mba hitondra am-bavaka sy hanohana ny fananganantsika ny trano fiangonana ao Befasy izay ataontsika ho tsangambaton’ny faha 40 taonan’ny SFL amin’ny taona 2019.

4-      Aoka hojerena manokana ny Tanora eny anivon’ny VFL sy ny VPL ka hanao tetikasa hahatonga azy ireny ho tamàna ato amin’ny Sampana Laika  mba hahazoana mitaiza azy ireo ara-pinoana sy iainany ny maha Laika azy.

5-      Anisan’ny antompisian’ny sampana Laika ny fitadiavana loharanombola maharitra hanohanana ny asan’ny Fiangonana, koa ampirisihina hatrany ny VPL sy ny VFL amin’ny fananganana tetikasa momba izany.

6-      Entanina ny rehetra mba hanao ho zava-dehibe ny fanefana ny adidy miakatra rehetra, ny fifandraisana sy ny fifanakalozana ary ny fifampaherezana eo amin’ny samy Laika.

7-      Efa miroso amin’ny famokarana entana samihafa ny SFL koa aoka samy  hanjifa izany isika rehetra toy ny gazety Laika miaradia, ny polo, ny cravate,  ny lakolosy electronique, sy ny sisa.

8-      Manentana ny Laika sy ny Vahoakan’Andriamanitra rehetra hampihatra ny hafatra 10 nataon’ny Filohan’ny FJKM tamin’ny fanompoampivavahana natao teny Imahamasina ny 21 Janoary 2018 ary manainga hatrany  ny rehetra hitondra am-bavaka ny tanindrazantsika manoloana ny fahasahiranana sy ny fahalovana misy eto amin’ny Firenena.

 

Ny Komity Foibe dia mampahery ny mpikambana Laika rehetra eto anivon’ny FJKM ary manantena ny fandraisana andraikitry ny Vahoakan’Andriamanitra rehetra ho fampandrosoana ny Fiangonana ao anatin’ny fanahin’ny fahafoizana sy ny fanetrentena.  Fa hoy ny Soratra Masina amintsika “ Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesoa mba handehanantsika mendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra dia mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra”. (Efe 2, 10a sy Kol 1, 10.).

Ho Voninahitr’Andriamanitra irery ihany.

Ny Filohan’ny SFL

RADAVIDSON ANDRIAMPARANY Benjamin

 

Alarobia 28 Febroary 2018.

Mihainoa ny Tenin’ny Tompo Jaona 8.39-47

Ny tena zanak’ Andriamanitra 

1-Manao  asa tsara 

Milaza  ho  zanak’i Abrahama  ireto Jiosy  miresaka  amin’i Jesoa Kristy . Ny  toetra  anefa  dia mifanohitra  tanteraka  amin’izany satria  i Abrahama  dia olon’ny  finoana  , feno fatokiana sy fankatoavana an’ Andriamanitra . Tsy manana  ny toetran’i Abrahama ireto Jiosy  ireto. I Jesoa Kristy milaza  ny marina , manao ny asan’ Andriamanitra indray no notadiavin’izy  ireo hovonoina . Asa ratsy  no kasain’izy ireo  atao .Tsarovy  fa ny tena  zanak’ Andriamanitra  dia mino  sy mankato  ny Tenin’ Andriamanitra  ary mivonona hanao  asa tsara  mandrakariva.

2-Mihaino  ny  Tenin’ Andriamanitra 

Aharihary  eto  fa zava-dehibe eo  amin’ny fiainan’ny zanak’ Andriamanitra ny fahaizana  mihaino  Azy, ny fanarahana  , ny fankatoavana na fampiharana eo  amin’ny fiainana  izay lazainy  . Ny teniny  no  mampifandray  ny zanany  amin’ Andriamanitra Ray  koa izay  zanany  marina  tokoa dia mangetaheta   hihaino  izay lazainy  isanandro . Manokàna fotoana  isanandro  hahafahanao  mihaino ny Tenin’ Andriamanitra , hifaneraseranao  Aminy  , handraisanao  ny toro-làlana  hitondranao  ny fiainana  dia ho  tena   zanany marina tokoa ianao.

Fanontaniana:

Inona no  vokatsoa  azo  amin’ny fihainoanao  ny Tenin’ Andriamanitra?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM 

FIFA / Tolobidy Fitrandrahana ala

FILAZANA

Ny Foibe FJKM, dia mampitrandraka ala 15 Ha any Andanona Manjakandriana.

Koa antsoina isika izay liana amin’izany mba hanao tolobidy izay hahitana ny momba anao, anaty valopy mihidy ary aterina aty amin’ny Foibe FJKM Analakely, rihana faha-6, varavarana 601 alohan’ny Alakamisy 15 Martsa 2018 amin’ny 10 ora maraina.

Raha misy fanontaniana dia afaka miantso ny laharana 033 37 991 38 – 033 14 785 55.

NY TALE 

RAKOTONDRABE  ANDRIANAHARIJAONA    Ndrianja, Mpitandrina

NY TONIAN’NY DEPARTEMANTAN’ MPIASA SY VOLA

 ANDRY Nirina  Velosoa

Talata 27 Febroary 2018.

Mihainoa ny Tenin’ny Tompo 1Mpanjaka  11. 38-39

Ny olom-boafidin’ Andriamanitra 

1-Manaraka  ny toro-làlana  avy  amin’ Andriamanitra

Aseho  fa Andriamanitra  mihitsy  no  mifidy  sy hametraka  an’i Jeroboama   ho  mpanjakan’Israely  rehefa hizara   roa ny fanjakana . Manoloana  izany  andraikitra  izany  dia  mananatra  an’i Jeroboama Izy  mba tsy handeha  amin’izay tiany  hitondrany ny fanjakana izy  fa manaraka   ny  toro-marika avy amin’  Andriamanitra hatrany  . Adidiny  ny mihaino  ny Tenin’ Andriamanitra  ambara aminy  , ny  manaraka  ny làlana  voasoritr’ Andriamanitra  hizorana  ary  indrindra  ny  miaina  sy ny mivelona  amin’izany .

2-Ampanantenana fitahiana 

Raha  manaraka  tsara   ny toro-marika  omen’ Andriamanitra  azy i Jeroboama  dia voalaza   eto  fa hotanterahin’ Andriamanitra  aminy ny   fiainam-pitahiana : »ho  aminao Aho  ka hampaharitra   ny  taranakao … ary omeko anao  ny  Israely« . Maneho  izany  fa fahombiazana  ho  an’ny  fitondran’ny  olom-boafidin’ Andriamanitra   ny fanekena hihaino sy handray ny toro-marika omeny  . Izay   tsy  mety  mihaino  , tsy  mandray  kosa  dia fahapotehana  sy faharavana . Meteza  ianao  hihaino  , handray  ny toro-marika avy  amin’ny Tenin’ Andriamanitra  hitondranao ny fiainanao  dia ho tsapanao  fa fiainam-pitahiana hotanterahiny  ho anao .

Fanontaniana:

Nanao  ahoana  ny fiainan’i Jeroboama rehefa  tonga  mpanjaka  tao  amin’ny fanjakana avaratra  izy? Inona  no fampianarana ho  anao amin’izany ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alatsinainy 26 Febroary 2018.

Mihainoa ny Tenin’ny TompoAsan’ny Apostoly  13.44-52

Ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy

1-Natao  ho an’ny olona rehetra 

Mitombo hatrany  ireo  sokajin’olona nihaino  ny fitoriana ny Filazantsara  nataon’i Paoly sy Barnabasy . Tsy  ireo  Jiosy  ihany  fa teo  ny jentilisa    izay tena liana tokoa . Rehefa   nahita  izany ny Jiosy  dia velom-pialonana , nanohitra  ary nitady ny fomba rehetra  hanakorontanana mba hahatonga  fanenjehana ireto  mpitory  ny Filazantsara  . Tsy nampihemotra  ny ny mpitory anefa izany  fa feno fahasahiana hatrany izy ireo  nanambara  ny andraikitra nanirahana azy  dia ny  hitondra fanazavana any amin’ny jentilisa (and47). Tian’ Andriamanitra  loatra ianao  . Koa maniraka ny  mpanompony hitory ny teniny  aminao Izy. Mahaiza mihaino  ny Tenin’ Andriamanitra.

2-Mitondra  fifaliana  ho  an’izay  mandray 

Ireo Jiosy tsy  nihaino ny Tenin’ Andriamanitra  dia feno  fialonana  sady  nikotrika fanakorontanana. Na dia teo  aza izany   sy ny fanoherana nataon’ireo  mpitarika tao amin’ny  synagoga dia tsy tana fa nandroso  hatrany   ny asa fitoriana nataon’i Paoly sy Barnabasy. Niavaka kosa ny fiainan’ireo  nihaino  sy nandray ny Tenin’Andriamanitra .

« faly izy ka nankalaza ny Tenin’ Andriamanitra , ary voalahatra  ho amin’ny fiainana mandrakizay izay nino« (and 49). Meteza isika mba hihaino  sy handray  marina ny Tenin’ Andriamanitra , dia ho resy ny fialonana ka hanana fiainam-pifaliana mandrakariva isika satria  azo antoka ny fiainana mandrakizay omen’ny Tompo  antsika mpino  Azy.

Fanontaniana:Manana andraikitra  ve ianao  amin’ny fanohanana ny  mpitory ny Filazantsara ? Inona avy izany ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 25 Febroary 2018.

Mihainoa ny Tenin’ny Tompo 1 Samoela 15.16-29

Ny olona mihaino ny Tenin’ Andriamanitra 

1-Tsy  maintsy mankato

Tsy  nandray  ny toromarika  nambaran’i Samoela  i Saoly mpanjaka . Nihevitra   ny tenany ho nanan-tsaina ambony , ary nahazo  sambobelona  an’i Agaga mpanjakan’i Amalekita  ka nanao fanatitra  ho an’ Andriamanitra tamin’ireo  biby  heveriny  ho tsara  sy matavy. Diso hevitra  izy noho izany  , nihaino  fotsiny   fa tsy nanatanteraka ny toromarika  nomen’ Andriamanitra  fa tokony   haringana  ny Amalekita  sy ny fananany  . Tsy nankasitrahan’ Andriamanitra  ny zavatra nataony  . Tsarovy  fa ianao  mankato ny Tenin’ Andriamanitra no zava-dehibe  fa tsy   ny fanatitra   entinao   na dia heverina ho  tsara  indrindra aza.

2-Tsaraina

Noho  ny tsy fanakatoavana  ny  Tenin’ Andriamanitra   dia niharan’ny sazy  i Saoly mpanjaka . Nolavin’ Andriamanitra  ny maha- mpanjaka  azy . Tsy azo vazivaziana  ny  Tompo , eny   fa na dia  niaiky  ny fahadisoany  , nifona  noho ny fahotana  nataony aza izy  dia mazava  ny fanapahan-kevitr’ Andriamanitra . Esoriny amin’ny fanjakana i Saoly  . Efa  misy  olona  voaomana   handimby  azy eo   amin’ny fanjakana. Ataovy  ho zava-dehibe  hatrany eo  amin’ny fiainanao  ny Tenin’ Andriamanitra , ankatoavy  , iaino  izay ambarany   aminao   dia ho  azo antoka ny ho avinao .

Fanontaniana:Nahoana  no misy  olona manao   ho ambony   ny feon’ny fieritreretany na ny olona  akaiky  azy noho ny Tenin’ Andrtiamanitra ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 24 Febroary 2018.

Mihaino ny Tenin’ny TompoMatio  10.5-15

Ny  mpianatry ny  Tompo 

1-Mitoriteny

Nambaran’i Jesoa Kristy  mazava tsara   tamin’ny mpianany   ny lalàna hizorana . Tsy  handehandeha fotsiny  anefa  fa hitoriteny  , hanambara  amin’ny Zanak’ Israely  fa efa mby akaiky  ny fanjakan’ Andriamanitra. Tsarovy  fa ny olona nantsoin’i Jesoa Kristy  dia tsy mandehandeha amin’izay làlana  tiany hizorana . Jesoa Kristy no mamaritra  ny làlana  sy ny andraikitra  hotanterahina . Hanambara  ny fanjakany .

2-Matoky  ny fitondran’ny Tompo  

Asa sarotra  ny miandry  . Hitondra fanafahana , fiainana ho an’ireo  voafatotr’i satana . Tsy miantehitra  amin’ny herin’ny tena, tsy  mitady  tombotsoa manokana . Ambarany fa manana ny hevitra  hitondrany  ny fiainan’ny olom-boafidiny  ny Tompo . Ny olona nofidiany hanao ny asany dia tsinjoviny mandrakariva.

3-Mitondra fitahana ho an’ny hafa

Asa fanompoana miavaka  no tanterahin’ny  mpianatry  ny Tompo. Ireo  mino , manaiky handray azy ireo  dia mandray  fiadanana . Ireo  izay  minia tsy mandray  kosa dia fiampangana no anajarany . Tsarovy  àry  fa ny mpanompo irahin’ Andriamanitra mitory ny Filazantsara  dia hitondra fitahiana , fiadanana ho antsika. Mahaiza mandray azy ireny  dia ho tanteraka aminao  ny fiadan’i Jesoa Kristy.

Fanontaniana:

Inona no maha- sarobidy  ny asan’ny  mpitory  ny  Filazantsara?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 23 Febroary 2018.

Mihainoa ny Tenin’ ny  Tompo Jeremia 2.4-13

Ny olona  tsy  mihaino   an’ Andriamanitra 

1-Manadino  ny famonjen’ Andriamanitra

Ahariharin’i Jeremia eto ny toetra  nananan’ny Zanak’Israely . Ilay  firenena nanehoan’ Andriamanitra   fitiavana manokana  , nokarakarainy fatratra  kanjo  niova tanteraka.  Niodina  nandà  Ilay  Andriamanitra  efa naneho  famonjena  raha  nanafaka  azy  ireo  tany  amin’ny tany Kanana , tany nahitany  ny tena fiainana . Tsy  nihaino  an’Andriamanitra izy  ireo   fa ny  fanompoan-tsampy  no nomeny toerana  . Rehefa  tsy  manokana fotoana hihainoana ny Tenin’ Andriamanitra  ny  olona  dia latsaka  amin’ny fandrik’i satana.

2-Tsy  mahita  fitahiana

Ny sokajin’olona  rehetra  teo  amin’Israely no nivadika  tamin’ Andriamanitra  . Isan’izany  ireo  tomponandraikitra ara-pivavahana  izay  tokony   hitaiza  sy  hitarika  ny  vahoaka  amin’ny fahatahorana an’ Andriamanitra . Nandao  tanteraka  an’ Andriamanitra ny Zanak’ Israely. Niaina  tamin’ny faharatsiana lalina tokoa. Vokatry  ny fanadinoana an’ Andriamanitra  dia rava ny  fiainany . Tsy  misy fiainam-pitahiana  ho  azy ireo intsony : »efa nahafoy Ahy , loharanon’ aina izy ka nihady  lavaka famorian-drano  ho an’ny tenany , nefa lavaka  mitriatriatra  tsy mahatan-drano « (and13). Na toy inona na toy inona ezaka itondran’ny olona ny fiainany, rehefa tsy miaraka  amin’ Andriamanitra  dia tsy  mahita  fitahiana izy .

Fanontaniana:

Nahoana  no manadino an’ Andriamanitra  ny olona  rehefa milamina ny fiainany  ?

Birao Sekoly Alahady  FOIBE FJKM