Fdl sy Fitsipika / Ny Filohan’ny FJKM

 Araka ny Foto-dàlanan’ny FJKM, and. 34, ny Filohan’ny FJKM dia sady Filohan’ny Mpiandraikitra Foibe no Filohan’ny FJKM. Tsiahivina fa ny Mpiandraikitra Foibe(MF) dia ireo mpikambana miisa 100 izay nofinidin’ny Synoda Lehibe (SL) hisolo-tena azy eo anelanelan’nySynoda lehibe roa ; izany hoe : manomboka eo amin’ny fahavitan’ny Synoda Lehibe iray ka hatramin’ny fiafaran’ny Synoda lehibe manarak’io izay anavaozana ny ho MF vaovao. Izy no mitarika io MF io, dia ny MF izay manana ny Birao ho mpiara-miasa aminy. Ireo Birao ireo no antsoina hoe : Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe (BMF), izay manana ny Filohany antsoina hoe : Filohan’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe. Izy no Filohan’ny FJKM.

Noho izany, ny BMF dia sehatra itantanana ny MF koa eo ampanatanterahany izany andraikitry ny MF izany dia antsoina hoe : Filohan’ny Mpiandraikitra Foibe na Filohan’ny BMF izy
Fa eo amin’ny fanatanterahany ny fanapahan-kevitry ny SL kosa dia izy no mitarika ny Fiangonana manontolo ka izany no iantsoana azy ho Filohan’ny FJKM.
Koa raha tsiahivina dia toy izao amin’ny ankapobeny no lalana ahatongavana eo amin’ny toeran’ny Filohan’ny FJKM na Filohan’ny MF. Izy dia Mpitandrina izay fidin’ny SL (FDF and.22) araka ny fanolorana
ataon’ny Mpiandraikitra Foibe (FDF and. 24.1). Efa-taona azo havaozina no fotoam-piasany (FDF and. 29) ka matihanina amin’ny asany izy (FDF and.32).
Eto am-pamaranana dia “Toy izao manaraka izao no andraikiny :

1. Miantoka ny maha-iray ny FJKM,

2. Misolotena ny FJKM eo anatrehan’ny Fiangonana tsirairay sy eo anatrehan’ny Fiangonana hafa na Vondrom-Piangonana ary eo anatrehan’ny Fanjakana.

3. Mamaritra ny fijery sy ny fanatanterahana ny asan’ny FJKM mandritra ny efa-taona araka ny soridalan’ny Synoda Lehibe.4. Miandraikitra ny fanatanterahana ny hevitra tapaky ny Synoda Lehibe miaraka amin’ny Mpiandraikitra Foibe,

5. Mamory sy mitarika ny fivorian’ny Mpiandraikitra Foibe,

6. Mampahafantatra ny fanapahan-kevitry ny Synoda Lehibe amin’ny Fiangonana,

7. Mamangy ny Synodamparitany ho fampirisihana azy amin’ny fitoriana ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy.” (FDF And.34)
Lehibe sady goavana ny andraikiny koa antenaina hanandratra vavaka ho azy ny rehetra fa tsy ho tapitra teo am-piarahabana tsy akory.

Rasorapiangonana

Fanazavana Perikopa Janoary 2018

 

Mihainoa ny tenin’ny Tompo

Hilaozana sahady ity ny janoary ka hitsena ny volana faharoa amin’ity taona 2018 ity ny Fiangonana. Volana hiaraha-mibanjina ny lohahevitra hoe : « Mihainoa ny tenin’ny Tompo ». Ny perikopa amin’ireo Alahady roa mamarana ny epifania no atolotra eto amina fehezanteny vitsy monja mba ho tari-dalana.

Deoteronomia 5, 25- 30 : Ny olona izay mandre ny didin’Andriamanitra dia manambara izay teny hasetriny izany ka raha teny ho amin’ny fankatoavana dia mampanatena fahasoavana ho azy sy ny taranany Andriamanitra (and. 26). Fa Andriamanitra miteny dia maniraka olona mba hampita ny teniny amin’ny Fiangonana (and.27) dia ilay Fiangonana izay tiany hizotra mahitsy (and.29- 30)

Josoa 3, 9- 17 : Andriamanitra dia miteny amin’ny alalan’ny mpanompony mba hampita amin’ny Fiangonana fa eo aminy mandrakariva Andriamanitra (and. 9- 13) Koa ho porofon’izany no anehoan’Andriamanitra ny heriny eo anatrehan’ny olony (and. 14- 17)

Jaona 10, 22- 30 : Ny tenin’ny Tompo renesin’ny Fiangonana dia hitondra finoana ao anatiny (and. 25- 26) mba hahazoana fiainana (and. 28- 30)

Lioka 8, 4- 15 : Ny tenin’ny Tompo dia iandrasana vokatra eo amin’ny fiainan’izay rehetra mihaino, toy ny fahavokaran’ny voa izay nafafy na tsia. Tsy ho teny mandalo na ho teny nanaitra teo ampandrenesana azy na ho teny very anjavony tao anaty fotoan-tsarotra.

1 Tesaloniana 2, 13- 16 : Ny tenin’ny Tompo izay renesina amin’ny endriky ny toriteny dia natao ho raisina mba hiasa (hisy vokatra) ao anatin’ny Fiangonana tsirairay.

Jakoba 1, 16- 25 : Ny Tenin’ny Tompo dia « teny fahamarinana » manamarina ny Fiangonana ka hahatonga fihavaozana tanteraka (nateraka indray) (and.18). Koa amin’izany, ny tenin’ny Tompo dia mitaky fankatoavana (and. 22) mba hahazoan’izay mihaino manitsy na manatsara ny fiainany (and.24)

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

RAKOTOZANANY Andrianirinomena Jules, Mpitandrina

SAMPATI / vaovao ampitaina

« Aoka hirehitra ny jironareo » Lio.12:35

Misaotra an’Andriamanitra lehibe isika fa tanteraka soamantsara ny fotoana tetsy Mahamasina ny Alahady 21 Jan.2018 ho fitondrantsika am-bavaka ny taom-piasana FJKM 2018 sy ny fitondrana am-bavaka ny filohan’ny FJKM.Isaorana isika SAMPATI FJKM fa tena mahafinaritra ny ezaka nataontsika, tsara ny fandraisana andraikitra nataontsika, tonga maro isika … Tena mahafaly tokoa… Tohizo r’se!Tsy nasakana antsika ny orana, satria marina tamintsika tokoa ny tononkirantsika hoe: « na andro merika, na oram-baratra; tsy mahasakana….. »Mitohy hatrany ary ny hetsika am-bavaka sy fijoroana vavolombelona ataontsika ho fanabeazana. Ao amin’ny FJKM Atsimon’i Mahamasina, ny Asabotsy 03 Fév.2018 amin’ny 2 ora:- Fitondrana am-bavaka ny Taom-piasana SAMPATI 2018- Fanolorana sy fitondrana am-bavaka ny Tonia SAMPATI Foibe- Fanolorana ireo Komity faha-25 Taona SAMPATI.Aoka ary hifanentana isika.Hitarika ny fotoana ny Birao Foibe SAMPATIHitory ny Tenin’Andriamanitra ny SEKRETERA JENERALY FJKM, Ny Mpitandrina RADIMISAON Jonah.Isika SAMPATI avy amin’ny Faritany na synodam-paritany dia handefa solontena.Isika eto Antananarivo sy manodidina kosa dia ho tonga avokoa.Ry mpanabe malala, raiso izao vina izao

SAMPATI FJKM, HETSI-PANABEAZANA

HO FAMPANDROSOANA NY FIANGONANA SY NY FIRENENA

Ry mpanabe malala, ampiharo izao tanjona izao:SAMPATI – Vavolombelon’i Kristy – Vonona – Vanona – Mandray andraikitra.

 » Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao » Mat.5:14  » Koa amin’ny zavatra rehetra dia asehoy ny tenanao ho fianarana ny asa tsara  » Tit.2:7

RANDRIAMANANTENA SOLO

Jean Jacques Séraphin Jhons, Mpitandrina

Tonia SAMPATI FOIBE

034 90 163 67

Filazana manjo

Nodimandry teo amin’ny faha-83 taonany

RAFRANSOA Maxime Victory , Mpitandrina
Ny Alatsinainy 29 Janoary 2018   tao Antananarivo

Hoy ny vadiny : Rahariseheno Jacqueline

Ny zanany :         

Rafransoa Tsiry sy ny ankohonany

Rafransoa Zoary  sy ny ankohonany

Rafransoa Ken Mika sy ny ankohonany

Ny nofony dia hiala  ao Ankadivory Antehiroka Lot 77 BS  ny Alarobia 31 Febroary 2018 , amin’ny 10 ora maraina , hanomezam-boninahitra ao amin’ny Paroisse Internationale Andohalo mialohan’ny hametrahana azy  ao amin’ny fasam-pianakaviana ao Ambohimamory .

« …satria Izy  efa nanendry  andro iray  izay hitsarany izao tontolo izao  amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Lehilahy voatendry, koa efa nanome  vavolombelona  hampino  ny olona  ny olona rehetra izany Izy  tamin’ny  nananganany Azy tamin’ny maty . »Asa 17.31

AFIFAB / Pylône RADIO FAHAZAVANA

Fanamboarana ny pylône 
ho fanatsarana ny fampitana ny feo

Isaorantsika ny Tompo fa mizotra soa aman-tsara ny asa fanamboarana ny Pylône ho an’ ny Radio Fahazavana eny Ambohibe Ilafy, efa vita ny fototra; efa voarandrana ny vy ary efa hampiakatra ny Vy (massif pylône) isika tsy ho ela. Raha sitrapon’ ny Tompo dia heverina ho vita ny volana Aprily izao ny asa rehetra. Mbola antenaina sy irina ny tolo-tanana avy amintsika na ny vavaka na ny ara-bola. Afaka manatona mivantana ety @ Foibe FJKM Analakely, rihana faha-6 Ifanomezantsoa Analakely izay liana sy vonona ho amin’ ny tolo-tanana.

AFIFAB FJKM

Alarobia 31 Janoary 2018.

Manapaka amin’ny fahefany ny TompoHebreo 1.1-4

Ny halehiben’ny voninahitry ny Zanaka

Ny halehiben’ny voninahitr’i Kristy  no tanisaina  eto mba hahaizantsika  midera Azy sy mametraka Azy amin’ny toerany :

1-Izy  no voatendriny  ho mpandova  ny zavatra rehetra 

Azy ny zavatra rehetra , ary afaka  mizara  izany  amin’izay  Azy Izy . Amin’izany  dia tonga  mpiray  lova Aminy  izay  rehetra mino  (Rom 8.17;Gal 4.7)

2-Izy  no nahariana  izao  tontolo izao  

Tsy mba isan’ny voahary  tahaka izay mpaminany fahiny   na tahaka ny anjely Izy  . Efa  tao amin’ Andriamanitra  hatrizay  hatrizay  Izy . Tamin’ny alalany no nahariana  ny zava-boahary  rehetra (Jao 1.1;3.1;1 Ko 8.6)

3-Izy   no famirapiratan’ny voninahitr’ Andriamanitra Andriamanitra « tonga nofo, ka nonina tamintsika »Izy . Hita  namirapiratra tamin’ny maha-olona Azy ny voninahiny , araka ny voasoratra hoe: »…ary hitanay  ny voninahiny … »(Jao 1.14). Izy  dia tonga  hanamabara  ny Ray  izay naniraka Azy.4-Izy  no nanao  fanadiovana hahafaka amin’ny fahotana 

Tamin’ny  nanaterany  ny tenany  indray mandeha  no nanadiovany  ny mpanota ho afaka  amin’ny fahotana rehetra. Tsy  misy  fomba hafa hahazoantsika famonjena afa-tsy  izay nataony  ho antsika .

5-Izy dia nipetraka teo amin’ny tànana ankavanan’ny lehibe any amin’ny avo

Rehefa  vitany  ny  asany   dia naka  ny  toerana ambony  nomena Azy Izy , Mpanjakan’ny mpanjaka Izy  , Mpisorona  mandrakizay  , ilay  mipetraka amin’ny seza fiandrianana avo  indrindra (Apo  5.13).

Fanontaniana :Ekenao eo  amin’ny fiainanao ve fa Mpanjaka be voninahitra Izy?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 30 Janoary 2018.

Manapaka  amin’ny  fahefany  ny  Tompo 

Isaia 47.1-5

Andriamanitra  no Tompon’ny  fahefana rehetra 

Nihambo  hanana  fahefana  maharitra mandrakizay  Babylona  ka nihevitra  fa tsy  hisy   afaka   hanaisotra  izany  (jereo and7).

1-Afaka  manaisotra  ny  fahefan’olombelona Izy 

Nanao  tsinotsinona  an’i Jehovah  Andriamanitr’Israely i Babylona  tamin’ny nadravany  tempoly tao Jerosalema  . Noheveriny  fa ny faharavan’i Jerosalema   sy ny fahababoan’ny vahoakan’Israely dia fahafoanan’ny fahefan’i Jehovah  sy ny heriny . Nitokiany  fatratra  ireo  sampiny  . Ambaran’ny mpaminany  ny handravana ny fahefany  sy  ny hampitanjahana  azy  amin-kenatra  lehibe (and3.5). Fahefana  avy  amin’ Andriamanitra  samirery  ny  mametraka sy manaisotra  ny olona amin’ny toeran’ny mpitondra sy mpanapaka . Fampitandremana ho an’izay rehetra mihevitra  azy  ho manam-pahefana  izany  mba hanaovany  tsara   ny asany  amin’ny fahatahorana an’ Andriamanitra.

2-Izy  no manafaka  ny vahoakany 

Jehovah no mpanavotra ny olony . Mampahatezitra  an’i Jehovah ny fampijaliana atao  amin’ny vahoakany , ary  izao  dia hanao  valifaty  tokoa Izy  . « Hitondra famaliana  Aho  ka  tsy hiantra olona  » (and3 d). Tsy  mahafoy  ny  olony   izay  mitaraina  sy  miverina  Aminy  Izy  ka mamonjy  azy amin’ny tànan’ny  fahavalo . Tsy  sitrak’ Andriamanitra ny  fanompoan-tsampy  . Hofaiziny  sy hesoriny  amin’ny fahefany  izay  mirehareha  sy  mihevitra  Azy  ho  tsy  misy   ka mampijaly  ny vahoaka  voafidiny .

Fanontaniana:

Inona no andraikitry ny fiangonana manoloana ny fampahantrana sy fampijaliana mahazo ny vahoaka ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

 

Alatsinainy 29 Janoary 2018.

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo Matio  8.1-4

« Mety Aho  , madiova  ianao »

Tena sitrak’i Jesoa tokoa  ny hahasitrana  ny marary   , ary manam-pahefana  hahasitrana   ny kara zana aretina  izay heverin’ny olona fa tsy azo  sitranina Izy . Inona  kosa àry  no tokony   hataon’ny marary?

1-Manatona  Azy (and2)

Na dia teo  aza  ireo  vahoaka  marobe   manaraka an’i  Jesoa   (and1), mety   nisy  koa  ny fanilikiliana  sy  ny fitsaran’olombelona   noho ilay aretin-koditra . Tsy nahasakana  azy hanatona  an’i Jesoa  izany rehetra izany  . Ny   fanatonana an’i Jesoa  ihany  no vahaolana . Aza mijery   olona  , aza mijery olana , fa manatona Azy.

2-Miankohofa  eo anatrehany  (and2)

Fantar’ilay marary fa afaka  manasitrana  azy ny Tompo  raha sitrany izany  , ka dia hoy Izy  : »Tompo ô  raha sitrakao  dia hainao   diovina aho » (and 2b-DIEM). Ka  dia sitraky ny  Tompo  ny hanasitrana azy  . Mivavaha   ka manompoa  Azy . Izany   no fiankohofana eo anatrehany  , maneke fa tsy mahavita na inona na inona isika . Raiso  Jesoa  hanam-pahefana  sy ho mpanapaka  ny fiainanao.

3-Mandehana  miseho  amin’ny mpisorona  (and4)

Nirahin’i Jesoa  ilay lehilahy  mba hiseho  any  amin’ny mpisorona sy hitondra fanatitra . Manana andraikitra  amin’izay  rehetra nositranin’ny Tompo  ny mpitondra fivavahana , ary izay  nositranina kosa hivavaka sy hisaotra an’ Andriamanitra.

Fanontaniana:Rehefa  marary  mafy  ny olona vao  mitady  an’i Jesoa . Nahoana ?Birao  Sekoly Alahady  FOIBE FJKM

Alahady 28 Janoary 2018.

Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo Levitikosy 14.1-9

Mihevitra  manokana  ny marary ny Tompo 

Teo  amin’Israely dia ninoan’ny ankamaroan’ny olona  fa endrika isehoan’ny famaizan’ Andriamanitra  ny aretina  . Isan’izany ny habokana . Noheverina ho maloto ara- pivavahana  ny olona voan’izany  ka natokana  sy tsy navela hifangaro  amin’ny vahoaka . Mampalahelo  fa voahilikilika sy natoka-monina ireny olona  ireny  . Mihevitra  manokana  azy ireny  ny Tompo  ka manome andraikitra :

1-  Ny  andraikitry  ny  mpisorona (and2-7)

Na dia  tsy  dokotera aza ny  mpisorona dia manana andraikitra  amin’ny marary  mba hizaha sy hamantatra  ny  karazana aretina  misy  sy ny fivoarany . Ankinin’ny  Tompo  amintsika fiangonana ny  fijerena manokana  ireny  marary  izay  tsy mba afaka mamonjy  fotoambavaka ireny  noho ny toetr’ aretiny . Ilaina izany  mba  hiarovana  ny   fiparitahan’ny aretina  amin’ny manodidina . Tsarovy  fa  nitondra ny aretintsika  tokoa  Izy . (Isa 53.4) .

2-Ny andraikitry ny marary (and8,9)Mila  mikarakara  tena koa ny  marary  (ilay   hodiovina). « …ka  hanasa  ny fitafiany  sy  hanaratra  ny volon-dohany  rehetra  ary handro  amin’ny rano  ka hadio  izy » (and8,9). Tsy tokony   hihevitra  ny teneny   ho enta-mavesatra   mandrakariva   ny marary  , fa hanao   izay azony hatao  kosa  izy  mba ho  fanampiana  aamin’ny mpitsabo  sy ny mpikarakara. Ilaina  ny fahadiovana sy ny fidiovana araka izay  azony atao , fa tsy  hiandry fotsiny .Fanontaniana:Inona ny andraikitry   ny fiangonana  manoloana ny VIH/SIDA?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 27 Janoary 2018.

Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo
Isaia 45.1-5

Andriamanitra  no mpamorona  ny zavatra rehetra  . Izy  koa no  Tompon’ny fahefana amin’ny firenena rehetra . Noho  izany :1-Izy  no manome  fahefana  ny olona izay  antsoiny 

Kyrosy dia mpanjaka jentilisa izay  voalaza  fa tsy  mahalala  an’i Jehovah  akory , nefa  dia nofidin’ Andriamanitra  sy nirahiny  . Mampiseho  amintsika  izany  fa   tsy  miankina  amin’izay  mety  ho fahalalan’ny olona na  ny fankatoavan’ny  olona an’ Andriamanitra ny fiantsoana . « Ary nomeko  izany  laza izany  ianao  na dia tsy nahafantatra  Ahy aza » (and4b). Fahefana avy Aminy ny mifidy  sy manendry olona ho amin’ny andraikitra iray  sy mampahomby  azy  amin’izay rehetra ataony . Amin’izany dia Izy mihitsy  no mialoha làlana amin’ny fanatanterahana ny iraka ampanaoviny , »tohanako ianao mba handresy firenen-kafa… Izaho mihitsy  no  handeha   anoloanao  » (and1.2a)DIEM .

2-Izy  no manafaka ny olony 

Misy antony sy dikany  avokoa  izay  rehetra ataon’ny Tompo . Nomeny  fahefana  i Kyrosy mpanjakan’i Persia ka  tonga mpandresy . Io  fandreseny  io  no miantoka  ny fanafahana ny vahoakan’Israely . « Noho  ny fitiavako  ny firenen’i Jakoba mpanompoko  sy ny vahoaka Israely voafidiko  no niantsoako anao  tamin’ny anaranao…« (and4-DIEM) . Eo  am-pelatànan’ny Tompontsika avokoa  ny fahefana rehetra . Tsy  misy  mahasakana  izay tiany  hatao  ho fanafahany  sy fanavotany antsika .

Fanontaniana:

Nahoana no omen’ ny  Tompo  fahefana  ny  mpitondra ratsy  fanahy?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM