Alahady 17 Desambra 2017 .
Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo
Hosea 11.1-4
Miahy antsika ny Tompo
1-Ray be fitiavana Izy ( and 1-3)
Oharina amin’ny fitiavan’ny ray ny zanany ny fitiavan’ Andriamanitra ny zanak’ Isrely . Izy Tompo mihitsy no milaza hoe: « fony mbola zaza Israely dia tiako izy , ary nantsoiko nila tany Egypta ny zanako” (and1) . Izy mitrotro ny zanany . Etsy ankilany kosa , Israely dia tsy mahatsapa izany ka minia manalavitra Azy sy miodina Aminy ary manompo andrimanikafa . Tsy hafa amin’izany isika : Andriamanitra dia nampiseho ny fitiavany antsika ka nanafaka antsika tamin’ny fanandevozan’ny fahotana ary nanangana antsika ho zanaka tamin’ny alalan’I Jesoa Kristy . Matetika anefa isika no tsy mba mahatsapa izany akory ary minia mandositra ny tavany .
2-Tompo tsara fanahy Izy (and 4)
“Tamin’ny kofehy fitarihana olona no nitarihako azy dia tamin’ny mahazakan’ny fitiavana” . Eto dia hita miharihary ny fitiavana sy ny hatsaram-panahin’ny Tompo , ka na dia miodina aza ny zanany , Izy kosa mitarika azy sy mamerina azy am-pitiavana ka manolo-kanina ho azy . Tsara fanahy ny Tompo ka mitaona antsika am-pitiavana indray anio mba hiverina Aminy , sady manainga antsika mba handray ny teniny .
Fanontaniana :
Inona no antony mahatonga ny olona hanompo andriamaninkafa ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM