Alatsinainy 04 Desambra 2017.
Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo Amosa 9.11-15
Fitiavana hafa kely
Amin’ny fomba hafakely no entin’ Andriamanitra maneho sy manaporofo ny fitiavany eto . Tsy manam-paharoa izany fitiavan’Andriamanitra izany satria:1- Mamela heloka sy manangana indray Izy (and 11-12)
Asehon ‘ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fananganana indray ny rava vokatry ny fahababoana ny famelan-keloka . Be fitiavana Andriamanitra ka tsy mamela antsika ho ravan’ny fahotana sy ny faharatsiana . Ny famelana ny helotsika no entiny maneho izany fitiavana izany sady hanarenany antsika hanana fiainam-baovao ao Aminy .Kristy no endrika fara-tampony ny fitiavan’ Andriamanitra sy fananganana antsika indray ka natolony ho famelana ny helotsika .
2-Manome fitahiana (and13-15)
Fitahiana no azo ilazana izay rehetra voalazan’ny Tompo eto amin’ireto andininy telo farany ireto Anisan’izany ny fahasambaran’ny olona voavela heloka (S al 32.1-2) . Raha oharina amin’ny resaka fambolena ny fitahiana noraisin’ izay voavela heloka dia hifanao tsy omby aloha izany satria mbola tsy voajinja ny eo dia efa tonga indray ny fotoam-piasana manaraka . Midika izany fa manana amby ampy ho antsika ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny fitahiany (Jer 31.3).
Fanontaniana:Inona no mba heverinao fa endrika manokana isehoan’ny fitiavan’ Andriamanitra anao ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM