FIFA / Jobily fisotroandronono

FANASANA 

« Fa ny fahasoavan’ Andriamanitra  no naha-toy izao ahy… fa ny fahasoavan’ Andriamanitra  no niara- niasa tamiko  » 1 Kor 15.10

  • Ny Filoha sy ny Birao Mpiandraikitra Foibe FJKM
  • Ny Sekretera Jeneraly
  • Ny Tonia Departemantan’ny Mpiasa sy ny Vola
  • Ny Tale Fitantanana ny Fananana (FIFA)
  • Ny Komitin’ny FIFA
  • Ny Komitin’ny Fankalazana

dia faly manasa anareo  hanatrika ny Fanompoampiavavahana  fanomezam-boninahitra an’ Andriamanitra  noho ny fisotroan-dronono sy fankalazana ny faha-20 taona niasana teo anivon’ny FOIBE FJKM an-d

RABEARISOA Hermann mianakavy 

 

izay hatao  ao amin’ny

          -FJKM ILANIVATO MISIONERA  

  -Sabotsy  16 Desambra 2017  

-9ora sy sasany maraina .

Tongava maro ary mifampilazà ho Voninahitr’ Andriamanitra .

Alakamisy 30 Novambra 2017 .

Miandry ny Tompo ny vavolombelona minoSalamo  121 .1-8Anisan’ny   fihirana  fanao  rehefa fety   lehibe  ity Salamo ity  . Miaraka   amin’ny vahoaka   voafidy  hatrany   ny  Tompo   ary  misongadina  ny  toky   hananan’izay  miandry   Azy  .

Tompo miaro Izy  

1-Miaro  andro  amana alina  ny Tompo (and3-6)

Ny  famonjena  eto  dia ilay  fiarovan’ny  Tompo ny fiangonana  ka tsy  mahalany ritra azy . Andriamanitra Tompon’ny fotoana  Izy  . Koa  tsy  mba  misy fetra  na fiatoana   ny fombàny ny vahoakany. Tahaka ny fetin’ny taranaka  ka mahatsiaro   fa na dia eo  aza  ny elanelatany , ny tendrombohitra  novakivakiana  andro amana  alina  dia teo ny Tompo niaro , ka afaka   manao  izany fivahiniana masina izany  . Ny mpino  koa amin’ny asa fitoriana amin’ny làlana  lavitra tsy maintsy aleha  dia toky  ho  antsika  ny  Tompo  fa hiaro   na andro na alina .

2-Hiaro  ny fanahin’ny mpino ny Tompo

Hihaona  any amin’ny Tempolin’i Jehovah ny mpino  . Alohan’izany dia tiany  raha miroso  amin’ny fanadiovana  ara-panahy mba hananany  fahamasinana satria  masina Andriamanitra . Tsy  ny eny an-dàlana ihany  no hiarovan’ny Tompo ny mino  , fa   amin’ny fotoana rehetra  sy  amin’ny fanahiny  rehetra koa. Hita taratra  ny fiarovan’ny  Tompo ny fanahy  amin’ny ratsy rehetra (and7), hahatonga antsika hitana ny finoana na dia any am-pielezana aza. Izany  no mahatonga  antsika hijoro  ka tsy menatra  ho vavolombelon’ny Tompontsika .

Fanontaniana:Rehefa fetin’ny taranaka , manao  ahoana  ny haben’ny fiderantsika ny Tompo ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 29 Novambra 2017 .

Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino Amosa 4.6-13

Niala  tamin’ny  Tompo ny vahoaka mafy fo. Indimy  ny teny  hoe: »nefa   tsy niverina  tamiko  ihany ianareo  , hoy i Jehovah  » no hita eto  , na dia efa  niala nenina  tamin’ireo  famaizana  isan-karazany  aza ny  Tompo .

1-Andriamanitra  mahitsy  ny Tompo (and12)

Na dia  naseho  teo  amin’Israely  avokoa aza  ny karazana famaizana rehetra tamin’ny  tsy fahampian-kanina , tsy fahampian-drano, vary , areti-mandringana, afo mandoro dia mbola tsy  niverina  tamin’i Jehovah ihany i Israely. Ambaran’ny  Tompo mazava  eto , fa misy  valiny  ny tsy  fiverenana  Aminy  . Koa  ny hamafin’ny hatoky ny Israely dia tsy maintsy  hovaliana , satria  « satria  hanao  izany  aminao Aho » (and 12) hoy Izy . Mitaona antsika tsy  hanamafy  fo izany  , ka hiverina  amin’ Andriamanitra . Handini-tena  amin’ireo  fampitandremana  isan-karazany efa  nataon’ny  Tompo  ary hiverina amin’ Andriamanitra fandrao « mba hanenina ny amin’ny loza izy « .

2-Andriamanitra mahefa   ny  zavatra rehetra  ny  Tompo  (and13)

Andriamanitra  manambara   ny tenany  no hita  eto  , ka  miharihary  ao  amin’ny famoronana sy ny asany  indrindra ny Anarany . Andriamanitry  ny tontolo  no miasa . Izany  no tokony  hatahorantsika   mandrakariva satria Andriamanitra  mahefa  ny zavatra rehetra Izy . Amin’ny maha- Tsitoha Azy dia tsy  misy  azo oharina  na ampitahaina Aminy .

Fanontaniana:

Inona no mahatonga  ny olona  mafy hatoka ka tsy handray  fananarana?