Alakamisy  31 Aogositra 2017 .

Mandresy  ny  fijaliana ny  vavolombelon’ny  Tompo

Salamo  91.9-16

Ny vavolombelon’ny Tompo dia :

1-Manana mpiaro

Na eo  aza ireo fahavalo sy ny loza manodidina  antsika  dia indro  isika  fa mbola mijoro , mandresy  ireo fandrimpandrika maro samihafa  . Mazava  izao  fa ny Tompo  mihitsy   no mandidy  ny anjeliny   mba hiaro  anao eny  amin’izay rehetra  halehanao ». Manamafy  izay  Jesoa araka  ny teniny hoe : « Izaho  momba anareo mandrakariva  ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao » (Mat 28.20)

2-Afaka  mandresy ny sarotra

Isan’ireo  biby masiaka  sy atahoran’ny  olona  ny  liona  sy ny vipera  ary ny menarana. Omen’ny Tompo  fahefana  hanitsaka  sy  hanorotoro  ireny isika . Ny fandresena  ireny  dia tafiditra ao amin’ny mason-tsivana  ho famantarana  ny mino  , izay  fandresena  ny asan’ny  devoly  sy ny miaramilany  izany  .

3-Manana ho  avy  mamirapiratra 

Mazava  ny teny fikasana   voalaza  eto : « hovokisako  fahela-velona izy » (and16). Miahy ny ankehitriny  sy ny ampitsontsika ny Tompo  . Fiainana maharitra  lavitry  ny  tebiteby  sy ny fanahiana  no  homaniny  ho  antsika .

Fanntaniana :

Hatraiza ny fahatsapanao  ny fiarovan’ Andriamanitra ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Fihaonambe / Mpitendry zavamaneno 2017 .

 

Ho anareo mpitendry zavamaneno sy mpikirakira zavamaneno  eo anivon’ny FJKM . Asaina ianareo ho tonga amin’ny Fihaonambe natokana ho anareo .

            Toerana : FJKM ANDRAINARIVO FAHASOAVANA

Daty : Alarobia 13-Zoma 15 Septambra 2017

Aoka samy hiomana amin`ny vidim-boky : Boky Fiofanana sy Boky Solfa hira Litorjika  Laharana Faharoa
Hisy ny sakafo antoandro hamidy eny an-toerana

Alarobia 30 Aogositra  2017.

Mandresy   fijaliana ny  vavolombelon’ny  Tompo

Jeremia 38.7-16

Ny  fandresena omen’ny  Tompo

Efa  nampiomana  an’i Jeremia ny  Tompo  fa maro  ireo  fijaliana tsy maintsy atrehany  , nefa hoy Izy hoe : « momba  anao Aho , hamonjy  anao Aho » Jer 1.8. Ny  fanafahana sy fiarovana  no nasehon’ny Tompo an’i Jeremia .

1-Fanafahana

Teo  anatrehan’ny fanenjehana , fanagadrana , fandatsahana an-davaka dia naneho  ny fahalehibiazany ny Tompo . Na dia eo  aza ny fijaliana  tsy  maintsy  atrehan’ny mpanara-dia  ny Tompo  dia tsy mitazam-potsiny   Izy  , fa manafaka  amin’ny loza. Ebeda-meleka eto no fitaovana  nentiny  nanafahana  an’i Jeremia . Andriamanitra dia tsy mitsahatra mikaroka  ny fomba rehetra  hanafahana antsika . Ny  zanany  lahitokana  no  antoka  tsara indrindra amin’izany  .

2-Fiarovana

Nanome  toky i Zedekia mpanjaka ary nianiana  fa tsy  hanome  na hanolotra  an’i Jeremia  eo an-tànan’ireo  olona mitady ny ainy ireo  . Sady manafaka ao anaty lavaka  ny  Tompo no miaro  ny ain’ny mpanompony  . Toky ho antsika  izany fa misy  olona  efa  omanin’ny Tompo izay hitondra vahaolana  azo antoka  ho antsika . Porofon’ ny  teniny izany  manao hoe : « hamonjy  anao Aho »

Fanontaniana :

Tanisao  ireo  toe-javatra efa niainanao  nanehoan’ny Tompo ny fiarovana  sy ny fanafahany anao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata  28 Aogositra 2017.

Mandresy  ny  fijaliana ny  vavolombelon’ny  Tompo

Salamo  4.1-8

Ny  vavolombelon’ny  Tompo

1-Mahazo  valimbavaka

Manome safidy  malalaka  ny  Tompo  ho an’ny tsirairay . Tsy  tokony hadinontsika  anefa ny herin’ Andriamanitra  fa tena  azo ianteherana tokoa , na dia  potika sy rava  aza ny zavatra rehetra , ary na  eo  aza ny  fijaliana sy ny fahoriana , ny Tompo eo mandrakariva . Jehovah hihaino  raha miantso  Azy Aho  (Sal 4.3) , tsy miova  omaly sy anio  ary mandrakizay  Izy  ka mamaly vavaka . Mampanantena  ny Tompo  fa ho avy   ny  fotoana  izay hanavahany ny tsara  sy ny ratsy , ary  ny tsara  izay ankasitrahany  dia hiaina  amin’ny fiadanana sy fifaliana  mandrakizay  .

2-Mandresy  ny fahotana

Misy  ny sasany , izay  milaza  azy ho mpanompo kanefa  miaina  ao anaty  faharatsiana . Toa zary endrika ivelany ihany   ny maha- kristiana  kanefa  manara-po  amin’ny filàna  maro  samihafa  ary  miaina  amin’ny tsy fahamarinana , manjary  manala baraka an’i Kristy . Tia zava-poana . Miala amin’izany  ny tena mpanompon’ Andriamanitra araka  ny baiko hoe : « tezera  fa aza manota » (Sal 4.4).

Fanontaniana :

Inona  avy ireo  fepetra sy dingana  mba handraisana valim-bavaka ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Reninjaza kristiana / Fihaonambe 2017.

 

FANASANA 

« ary  aoka isika  hifampandinika  hampandroso  ny  finoana sy ny asa tsara . Fa Jobily izany ka ho masina  ho anareo »  (Heb 10.24;Lev 25.12a)

Ny Fihaonamben’ny Reninjaza Kristiana  dia hotanterahina ny Alakamisy 14 – 17 Septambra 2017 eny amin’ny FJKM AMBOHIMALAZA Kanana Vaovao sy ny sekoly FJKM Vinet Ambohimalaza (SP 12).

Toy izao ny andinindiny :

-Fahatongavan’ny mpizaika : Zoma 15 Aogositra , 8ora maraina

-Fanompoampivavahana fanokafana : 10 ora maraina , FJKM Ambohimalaza K.V

-Famaranana : Alahady 17 Aogositra  aorian’ny sakafo atoandro .

Samia mitondra Baiboly sy  fihirana , fitaovam-panoratana , fanafody mitaiza , fitaovam-pihinanana , fitaovam-pidiovana , firakotra mafana , lafika fatoriana , lambaoany  sy izay mampiavaka ny faritra .

Sarandasy : 50 000 Ariary / olona

vidimboky : 5000 Ar

Samy manao izay hahatongavany eny an-toerana

Alatsinainy 28 Aogositra 2017 .

Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo

Genesisy 45.23-27

Ny fandresena  ny fijaliana

1-Mila mpamonjy 

Ny   fijaliana  voalaza  ato  dia ny mosary . I Josefa no nirahin’ Andriamanitra  hitondra vahaolana  manoloana  izany . Ny fitsinjovantsika  ny ampitso  amin’ny alalan’ny tahiry no vahaolana nentiny . Tandindon’i Kristy i Josefa eto . I Kristy ,  izay nanampy  ny olona  handresy  ny  mosary tamin’ny alalan’ny fahagagana nataony  . Ao Aminy  no  misy fiainana be dia be (Jao 10.10). Miditra  an-tsehatra  amin’ny fiainana  andavanandrontsika ny Tompo: manasitrana ny aretina Izy , mamoky  ny noana ary manendry  olona  hitondra vahaolana . Misy  vokatra  amin’ny fiainantsika  andavanandro  sy ny ankehitrinintsika  ny  famonjen’ Andriamanitra ;

2-Mila fanolorantena

Rehefa voavonjy  tamin’ny alalan’i Josefa  ny  olona  dia nanolotena  ho  mpanompon’i Farao .Araka izany  , izay mahatsiaro  ny famonjen’i Kristy dia mila manolotena  ho  Azy . Izy rahateo  nilaza  fa izay manatona Azy tsy mba holaviny  mihitsy  (Jao 6.37). Ny  fitia  mifamaly  mahatsara  fihavanana . Midika fitiavantena ihany  raha toa ka nandray  fahasoavana avy  amin’ny Tompo , nefa sady tsy mahay  mankasitraka no  tsy nanolotena ho Azy .

Fanontaniana:

Inona no valimpitia  omentsika  ny Tompo  noho ny famonjeny antsika ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

 

Alahady 27 Aogositra 2017 .

Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo 

2 Korintiana 1.3-7

Ny Fampiononana

1-Ahazakana  fahoriana 

Raha jerena  dia miverina imbalo ny teny hoe: « mampionona na fampiononana » eto .Eo anatrehan’ireo  mitondra fahoriana  sy fijaliana dia vao mainka  mihamahery  ny mpiara-dia  amin’ny Tompo . Manampy  azy ireo  hahazakany  fahoriana  ny fampiononana azy ireo  . Ny teny hoe: « mampionona » dia midika  hoe: mitoetra eo anilan’ny olona  anankiray  ka mampahery  sy manampy   azy   eo   anaty  fotoam-pahasahiranana . Andriamanitra  no tena mahatanteraka  izany  andraikitra  izany   amin’ny fanirahany ny Fanahy masina  hitondra  fampiononana ho  an’ny zanany .

2-Manorina fanantenana

Niainan’i Paoly  teo  amin’ireo  zava-manahirana  maro  efa nitranga  teo  amin’ny  fiainany  fa tsy misy fahoriana  mihitsy  na dia ireo  izay  tena  maharary   indrindra  aza, afaka  hampisaraka  ny mpino  amin’ny fanantenana  sy  ny fikarakaran’ny Tompo  . Manomana  valimpitia  lehibe  ho azy ny Tompo  . Toy izany koa isika  arakaraka ny handalovantsika fotoan-tsarotra  no  vao mainka  velombelona  ny fanantenantsika  handresy .

Fanontaniana :

Lazao  ireo  andinin-tSoratra masina  ho  fampaherezana  ireo mandalo fijaliana

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

 

Sekoly FJKM / Projet MAHAY.

Tatitra fiofanana 

Notanterahina ny 24 -25 Aogositra 2017 , teny amin’ny CFD  Ampandrana ny  fiofanan’  ireo Talen-tsekoly  miisa 13 , ao amin’ny Faritra Analamanga , ny mpikambana ao amin’ny ny Foibe Fitondran-tSekoly ary ireo nasaina manokana hanatrika izao  fiofanana izao toy ny  tomponandraikitry ny Tranokalampifandraisana (AFIFAB / FJKM ) .

Izao fiofanana izao dia nokarakarain’ny  Foibe Fitondran-tSekoly  sy ny CBM (Christoffel Blinden Mission) TETIKASA  MAHAY , mivoy  indrindra  ny  « Fanabeazana Mampiaty »  ho amin’ny  « fahombiazan’ny ankizy tra-pahasembanana ».

Novelabelarin’ ny Mpitandrina  Andriamampianina  Zaka ,BMF FJKM  sy Randrianarivony  Radasy Rolland , mpandrindra MAMPIATY FLM  ,nandritra  ny  roa andro ny mikasika ny LEADERSHIP sy ny MANAGEMENT .

 Saiky voaresaka tamin’izany : izay tsara ho fantatra  momba ny  FITARIHANA  ( ny  toetra fito maha- mpitarika  , ny karazana mpitarika , ny fifampitokisana … )sy ny FITANTANANA ( ny asan’ny mpitantana ,  « ireo   Nahoana miisa dimy »…) .Ny tanjona dia ny ho fanatsarana ny fandraisana ireo ankizy tra- pahasembanana  ao amin’ny Sekoly FJKM ,ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpitarika  ho amin’ny fahombiazan’ny « fanabezana mampiaty » (Education Inclusive).

Marihana fa mbola hitohy sy hihitatra hatrany amin’ny faritra samihafa eto Madagasikara  izao fiofanana izao, mba hahatratra ireo tommponandraikitry ny Sekoly FJKM ,ho fampandehanana izao tetikasa vaovao eo anivon’ny Fiangonana  FJKM izao .

Nangonin-dRamatoa Sahondra

Sabotsy 26 Aogositra 2017 .

Mandresy  fijaliana ny  vavolombelon ‘ny  Tompo

Jaona 16.25-33

Mandresy ny fijaliana ny mpino satria:

1-Manana  mpihaino vavaka 

Hoy i Jesoa :« Amin’izany andro izany  dia hangataka amin ‘ny anarako hianareo, ary tsy milaza  aminareo aho  fa Izaho hangataka amin’ny Ray ho anareo  » (Jao 16.26) . Mahantra  tokoa  ny kamboty  fa tsy  mba manana hitarainana , mahatsiaro  ho manirery . Tsy  mba toy izany  isika  fa eo i Jesoa sady mihaino vavaka no mitady  ny  fomba rehetra  hahazoantsika valimbavaka . Tafita  any amin’ny faratampony ny hetahetantsika ary vonona hanaporofo  hatrany  ny  fitiavany  antsika Izy (Jao 16.27). Sady  mihaino  Izy  no vonona  hitondra valimbavaka .

2-Miaraka amin’ny mpandresy

Mahafehy  tsara  ny sehatra sy ny olana misy  eo amintsika  ny Tompo . Na  mosary  , na fanenjehana , na fanalambaraka , na fijaliana  eny  hatramin’ny fasana aza dia efa resiny . Hamafisiny  izany manao hoe: « aty  amin’izao tontolo izao  no ahitanareo fahoriana , nefa matokia  , hoy Izy  , Izaho  efa naharesy  izao tontolo  izao  « . Toky   no  omeny  antsika  . Ny hany andrasana amintsika dia ny fanankinana feno eo Aminy  ny fiainantsika .

Fanontaniana:

Hatraiza  ny fahavitrihanao  manambara  ireo  valimbavaka efa azonao  taimn’ny  Tompoko ?

Birao  Sekoly  Alahady  FOIBE FJKM