Zoma 30 Jiona 2017

Vavolombelon’ny Tompo ny Fanahy Masina

Galatiana  5.16-26

Ny  olona  araka ny Fanahy Masina

 Mampiavaka  ny olona  eto  amin’izao tontolo izao  ny itoeran’ny Fanahy Masina  sy ny  tsy itoerany  . Impito  miverina  eto ny anarana : Fanahy Masina.

1-Ny olona  araka ny Fanahy Masina

Antsoina hoe : « an’i Kristy »  (and24) ny  olona  nandray ny Fanahy Masina . Tsy  baikon’ny nofo  na ny filàna  intsony izy . Rehefa  ny filàna  ao amin’ny olona  no mibaiko   fa tsy ny  Fanahy Masina  dia olona araka  ny nofo izy . Izao  taratasy ho an’ny Galatiana  izao  dia maneho  fa misy kristiana  ivelany  fa tsy  itoeran’ny Fanahy Masina. Izany no ahitana  ny faharatsiana  marobe dimy ambin’ny folo  (and 19-21). Havaozin’ny Fanahy  Masina  ny fiangonana   ka esorina ao aminy   ny  toetra  ratsin’izao tontolo izao  ireo .

2-Ny  vokatry   ny  Fanahy Masina

Misy  fito  izy ireo : fitiavana , fifaliana, fiadanana , fahari-po , fahamoram-panahy , fanaovantsoa , fahamarinana , fahalemem-panahy , fahononampo (and 22-23). Ireo  toetra vokarin’ny Fanahy Masina  ao  amin’ny kristiana sy ny fiangonana ireo dia manova  ny  tontolo   misy  ny mpino . Ireo toetra  ireo  no hamantarana ny mino  . Miavaka  tsara  ny mpino  na ny kristiana  ara-nofo  sy ny kristiana  araka ny Fanahy Masina . Fanahy mamelona  ny Fanahy Masina  ka manova  ny fiainan’ny mino  ho  amin’ny fitiavana an’ Andriamanitra  sy  ny fifankatiavana . Ny  fanovana  ny  fiaraha-monina  ho  tsara  dia fanekena  ny asan’ny Fanahy

Fanontaniana :

Inona  no vokatry  ny Fanahy Masina  eo aminareo ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE  FJKM

SAMPATI / Fihaonambe 2017

 FAMPAHAFANTARANA

FIHAONAM-BE SAMPATI FJKM 2017

Araka ny fantatsika notapahin’ny Zaikabe dia ho tanterahina any amin”ny SYNODAMPARITANY MANANJARY PANGALANES ny FIHAONAMBE 2017. Toy izao ny dinidinika :

– Ny 01 Aogositra dia KOMITY FOIBE

– Ny 2- 4 Aogositra no FIHAONAMBE hanasana ny mpikambana rehetra tsy ankanavaka, anaovanay ANTSO MANOKANA ny FILOHA rehetra zanaky ny FJKM mba ho tonga hanatrika fa hisy fifanakalozan-kevitra ho tanterahantsika hampandrosoana ny asan’Andriamanitra.

– Misy fandraisana anjara Ar 500 ( dimanjato ariary) isan’olona ho fanampiana ny fampandehanana ny asa rehetra any sy ho fisoratana anarana ka ny faha- 15 Jolay 2017 no fara-fandraisana izany, mba hanomanana ny “Badge” ho an’ny mpivory rehetra. Samy manao izay hahatongavany any ary MAMELON- TENA ny Sampati Fitandremana tsirairay.

Aoka ho vita mialoha kosa ny fifanitsanana mikasika ireto :

– SORATRA MASINA : I sy II Samoela; Jaona 10- 15 ary ny Apokalypsy 21. Omanina koa ny mikasika ny biby sy zava-maniry rehetra ao anaty Baiboly. Hisy tondrozotra hafa mikasika ny hafatry ny Filohan’ny FJKM hoe: “Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara”. Ka hahazoana isa koa ny fanatanterahana izany.

– KOLO TALENTA : vako- drazana ka hira noforonina fa tsy nadika na novàna ny tonony, fa ny foto- kevitra dia “Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara”. Fitafy Malagasy no hanaovana.

– CARNAVAL: toy izay koa ny aseho dia SAMPATI manatanteraka ny “Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara”, hanodidina ny tanàna isika ka FITAFY TENA MALAGASY no hanaovana.

– FANATANJAHAN- TENA : sampana mavo: scouting- ball, sampana maitso : foot à 7, sampana mena: basket- balla ka “mixte”, olon-dehibe : “pétanque”.

Misy afisy ho anareo mamintina izany. Koa samia àry mitondra am-bavaka izany rehetra izany isika. Dia manao veloma ombam-pirariantsoa eo ambany fahasoavan’I Jesoa Kristy Tompo.

 

DINIDINIKA MOMBA IREO FIFANINANANA

Ampahatsiahivina antsika  ireto :

 Ny 1 aogositra 2017 :  KOMITY FOIBE.

 Ny 2-4 Aogositra 2017 : FIHAONAMBE, antsoina manokana ny FILOHA Mpanazava sy Tily zanaky ny FJKM fa hifanakalo hevitra isika ny amin’izay ho fomba fiasa ho avy. Aza adinoina fa alefa mialoha ny fisoratana anarana 500 Ariary ho an’ny tsirairay.

Toy izao ny mikasika ny fifaninanana SORATRA MASINA

• Fifanintsanana ataon’ny SP amin’ny fitandremana misy ao aminy. Ka ireto no hanadinana : I Sam toko 1-8 ; II Sam toko 13 h@ 19.41. Jao 10-15 ka ny votoatin’ny tantara voalazan’ny sora-mandry no ilaina tadidiana. Apo 21 : Mamorona hira andininy 3 misy isan’andininy atao anaty CD na Flash amin’ny Apo 21.1, 2,27.Feon-kira avy any an-toerana.

• Fifaninanana mitadidy Soratra Masina ka tanisaina am-bava. Ohatra : Salamo 23 tanisaina hatramin’ny farany. Izay mahavita lavitra indrindra no mahazo isa ambony.

• Biby sy zava-maniry anaty Baiboly.

• VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA : Alaina tahaka ny TRAKTA Fitoriana Filazantsara etsy ambany. Ny beazina mihitsy no mandeha, mizara ny trakta sady miresaka ka rehefa vita ny dinidinika dia mangataka sonia na rangompohy amin’ilay olona noresahiny izy.

Ny Mpiandraikitra sy ny Filohan’ny KP no manamarina amin’ny taratasy fa tena nandeha tokoa ireo beazina ireo. Atao anaty valopy ny Sonia rehetra voaangon’ny fivondronana ka tsy manome isa ny Synodamparitany fa mampiakatra izany entina Fihaonambe. Hahazo valisoa izay hita fa nanao tsara sy nahavita betsaka.

Ny ampiakarinareo hifaninana amin’ny Fihaonambe dia Ekipa 1 =Fivondronana 1 ahitana ireto : KP,Mpiandraikitra, Sampana Mena Fify, Mena, Maitso, Mavo, Tily sy Mpanazava iray avy.

KOLO TALENTA

Vako-drazana ka hira noforonina fa tsy nadika na novana tonony, ka ny foto-kevitra dia VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA. Fitafy Malagasy no hanaovana. 8 mn ambony sehatra. Ny beazina rehetra no mandray anjara.

CARNAVAL

Aseho amin’ny alalan’ny fihetsika, fitafy, sy ny sisa, ny fitoriana Filazantsara. Lohahevitra : Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara.

FANATANJAHANTENA

Zava-kendrena : SAMPATI mampiseho ny fahaiza-manao ao anatin’ny Fahendrena sy fiombonana.

SAMPATI mahay mampiseho Fijoroana Vavolombelona ao anatin’ny Lalao.

SAMPATI mampiseho ny toetra maha-kristiana sy maha-skoto eo am-pilalaovana.

Sampana Mavo : Scouting-Ball ; Sampana Maitso : Foot à 7 ; Sampana Mena sy Mena Fify : Basket-Ball ka Mixte ; Olon-dehibe = Mpikambana mpitantana, Mpikambana mpanohana : Pétanque ka olona 3 isaky ny SP, mitondra « boules pétanques ».

Aoka ho hajaina ireto fepetra ireto : Fivondronana tafakatra avy any amin’ny Synodamparitany no milalao ; Nankatoavin’ny rafitra ; Manana taratasy fanolorana mazava ; Manana karatra SAMPATI avokoa

FITAOVANA

Toy ny mahazatra antsika dia hisy FITAOVANA SAMPATI FOIBE amidy amin’io fotoana io toy ny SATROKA, CASQUETTE, STYLO, KITAPO, Pin’ssy ny marohafa. Koa aoka hiomana amin’izany isika mba hivimbina fahatsiarovana rehefa hitodi-doha hody.

FITAFY IOMBONANA

Manana ny « Tenue SAMPATI » ny olon-dehibe rehetra, ny an’ny beazina dia ny fanamiana maha-skoto ihany. Hisy koa anefa ny « T-SHIRT FIHAONAMBE izay iombonana amin’ny fotoana voafaritra hanehoana fijoroana vavolombelona.

Samia ary mitondra ambavaka izany rehetra izany. Ary koa manao veloma ombam-pirariantsoa eo ambany fahasoavan’I Jesoa Kristy Tompo.

Ny Filoha

RAKOTOVAO Hajarimiadana, Mpitandrina

Ny Mpitantsoratra

 RANDRIANOELINA Hanitra, Mpitandrina

Sekoly FJKM / Fihaonambe 2017

FOIBE FITONDRANTSEKOLY FJKM

FIHAONAMBEN’NY TALENTSEKOLY  

 « Talentsekoly FJKM mijoro vavolombelon’i Jesoa Kristy »

LP FJKM AMBATOMANGA

09-10-11 AOGOSITRA 2017

FANDAHARAM-POTOANA

 

ORA

TALATA

08/08/17

ALAROBIA

09/08/17

ALAKAMISY

10/08/17

ZOMA

11/08/17

8’’00 –  08‘’ 30 -Mitarika : IANONJARA,

Mpikambana FFS

Mitarika : RANDRIANARISOA Mamy , Mpikambana FFS
 

 

09”00- 10”00

 

 

 

 

 

FAHATONGA

VANA

FANOMPOAM-PIAVAVAHANA FANOKAFANA :

Mitoriteny : Filohan’ny FJKM

Mitarika : Atoa RAVELONANOSY Mamy Tiana, Mpitandrina, Aumonier  Sekoly FJKM

–          – Famelabelaran-kevitra hataon-dRtoa ANDRY Nirina Velosoa, Tonian’ny Departemantan’ny Mpisa sy Vola- FJKM:  « Talentsekoly FJKM mahafantatra ny lalàna mifehy ny asa sy ny mpiasa ».        – Famelabelaran-kevitra hataon’ny

Talen’ny ONEP :

 

«Talentsekoly FJKM mahafantatra ny fifandraisana amin’ny fanjakana ».

10”00 – 10”30 Fiatoana  (FIARAHA-MIALA HETAHETA ) Fiatoana Fiatoana
 

 

10 ‘’30- 12 ‘’30

-Famelabelara-kevitra hataon’Atoa IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina , Filohan’ny FJKM : « Talentsekoly FJKM tompon’andraikitra, manana traikefa, kristiana resy lahatra (RQCC) ». – Famelabelaran-kevitra hataon-dRtoa RAZAFIMALALA Tantely Hariliva, Talen’ny AFIFAB/ FJKM : « Talentsekoly FJKM mahafehy ny fifandraisana sy ny arofenitra » -Famelabelaran-kevitra hataon’ Atoa RADIMISAON Jonah, Mpitandrina , Sekretera Jeneralin’ny FJKM: « Talentsekoly FJKM mijoro vavolombelon’ i Jesoa Kristy».

 

-FANOMPOAM-PIVAVAHANA FAMARANANA :

Mitarika : Atoa RANAIVONIARIVO Tiana Alisoa, Mpitandrina, Solotena MF Sekoly.

   
 

 

14’’00- 16’’00

 

 

 

FANDRAISAM- BAHINY

Mitarika : RAHARINIRINA Lantomalala, Mpikambana FFS

–          – Famelabelaran-kevitra hataon-dRtoa RAKOTONDRANAIVO Domoina, Tonian’ny Departemantan’ny Sekoly FJKM: « Sekoly FJKM miatrika ny VINA ».

–          –Mitarika : RATSIMBA Haja Lalaina

–           

– Famelabelaran-kevitra hataon’ Atoa  ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina,  Mpanolotsaina BMF:

« Talentsekoly FJKM mahafehy ny fahaiza-mitarika sy ny fitantanana »

Mitory : Atoa RAKOTONINDRAINY Jaona, Mpitandrina, Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana
16 ‘’00- 16’’30 Fiatoana Fiatoana
 

16’’30-17’’30

Famelabelaran-kevitra hataon’AtoaRAKOTONJATOVO Faly Harison,  Mpikambana FFS :

« Talentsekoly mahafehy ny fitsipika mifehy ny Sekoly FJKM».

– Famelabelaran-kevitra hataon’ Atoa RAKOTONDRABE Ndrianja , Mpitandrina, Talen’ny FIFA/ FJKM: « Talentsekoly FJKM mahay mampitombo sy mitandrina fananana”.
19’’00 – 21’’00   TAKARIVA MAHAFINARITRA : Handraisan’ny FPMP anjara  

 

Hafatry ny Filoha / Jiona 2017

Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara !

Fa izany dia izany

No faratampony tokoa

Ho fitiavan-tanindrazana

Fa ny firenena tiana

Dia asondrotra ho ambony,

Nefa ny ambony indrindra

Tsisy mihoatra ny any an-danitra !

 

Fa ny firenena tiana

Dia hasoavina ho tsara

Nefa tsisy tena tsara

Toy ny hoe i Jesoa no Tompo

Sy manjaka manontolo

Eto Madagasikara !

 

Fa ny firenena tiana

Dia iriana marimarina

Mba ho sambatra tokoa

tsy amin’ny hira fotsiny ihany,

Fa fahasambarana hahatratra

Ny amin’ny isam-baravarana !

Kanefa iza moa no sambatra ?

Ny firenena izay voalaza

Fa manana an’i Jesoa Tompo

Ho an’Andriamanitra inoany ,

Ka ireo Mpitondra, olon-tsoa

Tena minoa an’i Jesoa,

Ny vahoaka maro ana isa,

Miroso ho any Paradisa !

Ry olom-pirenena vanona :

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Irako  ANDRIAMAHAZOSOA AMMI  , Mpitandrina 

Filohan’ny  FJKM

 

 

 

Alakamisy 29 Jiona 2017

Vavolombelon’ny Tompo ny Fanahy Masina

2 Korintiana 3.12-18

« Ary  ny  Tompo  izany Fanahy izany »  2 Kor 3.17

1-Manala ny fisalobonana ny Fanahy Masina

Andriamanitra tokana i Jesoa Kristy  sy ny Fanahy Masina. Iray ny Tompo  , iray ny Fanahy  Masina . Ny finoana  an’i Jesoa Kristy  avy amin’ny Fanhy Masina  dia manala ny fisalobonana  izay manarona  ny Jiosy  sy ny tsy mino  an’i Jesoa Kristy  ho Tompo  sy Mpamonjy ny Fanahy Masina . Izy  no manambara  ny fitiavana sy ny herin’ Andriamanitra mamonjy  ny olona rehetra . Tsy  ilay nofo  voahombo   tamin’ny hazo fijaliana intsony ny Tompo fa ny Fanahy Masina mitondra finoana  ho an’ny Jiosy sy ny tsy mino  Azy .

2-Manome fahafahana  sy voninahitra  ny Fanahy Masina

Fanomezana  lehibe  roa no omen’ny Fanahy Masina ny mino  . « itoeran’ny fahafahana » ny mino  (and17). Fatoran’ny tsy finoana an’i Jesoa Kristy   ny  Jiosy  sy ny Jentilisa . manamafy izany fatorana izany  ny fampianaran-diso  ataon’ny mpampianatra sandoka , izay  manohitra   ny Apostoly (jereo  2 Kor 2.6) .Miasa  feno ho fanafahana  ny tsy mino   ny  Tompo ny Fanhy . Miasa  ao amin’ny mino  sy ny fiangonana , izay hirahiny  hitory famonjena  eto an-tany  Izy . Raha  miverina  amin’ny Tompo ny Jiosy  na ny tsy mino  dia esorina  izany ny tsy finoany . Mahita   sy manana  ny Voninahitr’i Jesoa Kristy  avy amin’ny Fanahy Masina  tahaka   an’i Mosesy  ny mino   (and18) . Ovaina  hanana  ny endriky ny Voninahitr’ Andriamanitra  ny olona . Raiso ny Fanahy Masina fa izany no sitrapon’ ny Tompo ho antsika .

Fanontaniana :

Voninahitra toy inona no tiantsika  ho azo ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

 

 

 

 

Alarobia 28 Jiona 2017

Vavolombelon’ny Tompo ny Fanahy Masina

Mika 5.3-8

Feno ny Fanahin’i Jehovah ny mpaminany

1-Feno hery ny mpaminany hanambara ny fitsarana

Asan’ny Fanahy Masina ny mampiteny sy mampijoro vavolombelona ny mpaminany Mika . Feno hery avy amin’ny Fanahy Masina hanambara fitsarana an’i jerosalema sy i Samaria izy taonjato VIII talohan’i JK . Hotsaraina noho ny fahotany ny lehibeny sy ny mpitsara ary ny mpisoroana (and4,11) . Eto dia manambara ny fahotan’ireo milaza azy ho mpaminany i Jehovah , mampaniasia ny olona (and5), manaikitra amin’ny nifiny , miantso ady masina . Mitory fiadanana izy nefa mampivily ny vahoakan’ Andriamanitra . Hotsaraina ny mpaminany ireo lainga ka tsy homena fahitana sy fahazavan’ny Soratra Masina intsony (and16).

2-Feno ny rariny sy ny faherezana ny mpaminany

« mba hanambara amin’i Jakoba ny helony sy amin’Israely ny fahotany » ny iraka ataon’i Mika mpaminany eto (and 8) . Ny Fanahy Masina dia tsy mamela ny mpaminaniny hangina eo anatrehan’ny tsy rariny sy ny fahotana . Fahefan’i Jehovah ny mitsara ny mpaminany lainga . Mampirisika sy mampijoro ny mpaminaniny ny Tompo , amin’ny alalan’ny Fana. hy Masina. Fotoana hampijoroana ny mpino ihany koa izao fotoana izao , mba tsy ho mpanara-drian-drano fotsiny manoloana ny firohotan’ny maro amin’ny faharatsiana sy ny tsy fahamarinana ary ny fanompoantsampy izao .

Fanontaniana :

Sahy hitory fitsarana tahaka izany amin’ny mpanapaka sy manao ny marina ve isika ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM
……………………………………………………………………………………………………………………………..

Talata 27 Jiona 201

Vavolombelon’ny Tompo  ny  Fanahy Masina

1 Samoela 10.9-13

Jehovah  mandatsaka  ny Fanahiny  amin’i Saoly

1-Manome fo vaovao  an’i Saoly

Manambara  ny  fanovan’ Andriamanitra  ny maha-olona manontolo  ny fanomzany fo vaovao . Hifamatotra amin’ Andriamanitra feno  sy  ho eo  akaikiny  i Saoly . Asan’ny Fanahy Masina  ny manova fo  . Tsy mari-pototra izany   ny fiovan’ny toe-panahy sy  ny toetran’ny olombelona raha tsy  vokatry  ny Fanahy Masina . Hitarika an’i Saoly hanaovany  ny  sitrapon’ Andriamanitra ny Fanahy Masina . Ireo zavatra  nambaran’i Samoela mpaminany tamin’i Saoly  , rehefa  nifanena  taminy izy  dia tanteraka  avokoa (and2 .3-4 -5 -6). Miankina tanteraka amin’ny Tenin’ Andriamanitra  ny  fanompoana  izay  horaisiny , tsy ondry iray intsony no  hotadiaviny  fa ny  firenen’ Israely  rehetra . Tendrena  hanompo  ny  Tompo  i Saoly  mpanjaka .

2-Manendry an’i Saoly  ho  Mpaminany

Ataon’ny  Fanahy  Masina ho  mpaminany  i  Saoly . Ny  mpaminany  dia   tsy mpilaza  ny ho avy fotsiny   , fa ny fanambarana ny  Tenin’ Andriamanitra mabontolo  amin’ny fiainana manontolo  . Tanteraka izany  « rehefa  nifanena  tamin’ny mpaminany  iray dia izy »(and10). Mialoha  ny hampitoerana  an’i Saoly    ho  mpanjaka  dia nofenoina  ny Fanahy Masina izy mba hitarika  azy sady  hankatoavany ny  Tenin’ Andriamanitra . Tefena ho  mpanompon’ny Tenin’ Andriamanitra aloha izy mba hahatsiarovany  fa ny sitrapon’ ny  Tompo  no hotanterahany  eo amin’ny fitarihany  ny Zanak’ Israely

Fanontaniana :

Ilain’ny mpitondra fanjakana ve  izao lalàna izao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

……………………………………………………………………………………………………