Filazana Fifaninanana / 50 T FJKM sy 200t nidiran’ny Misionera
FILAZANA FIFANINANANA
HIRA FANEVA SY LOGO
Noho ny JOBILY faha-50 taonan’ny FJKM sy faha-200 taona nidiran’ny Misionera LMS teto Madagasikara dia misokatra ny fifaninanana Hira faneva sy sary famantarana (Logo).
Ny kristianina FJKM rehetra no afaka mandray anjara amin’izany .
Toy izao ny andinindininy :
HIRA FANEVA :
-Miompana amin’ny Teny faneva : « Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika »
(1 Timoty 2.8a)
-Andininy 3 ary misy fiverenana
-Vita Solfa
-Atao amin’ny CD ny mozika fotsiny (instrumentale) ary atao amin’ny CD hafa ny hira fotsiny tsy misy mozika (a cappella)
SARY FAMANTARANA (Logo) :
-Loko telo
-Tsy azo asiana sarin’olona manokana
-Atao amin’ny taratasy fotsy (21X29.7) ary atao amin’ny CD ihany koa
Atao anaty valopy A4 iray ary ampiarahina amin’ny valopy fotsy iray misy ny anarana , adiresy, fiangonana niaviana , laharana telefonin’ny mpifaninana sy valopy iray misy ny fanolorana avy amin’ny Mpitandrina na ny katekista Delege.
Aterina ao amin’ny Trano Ifanomezantsoa Analakely , varavarana 215 alohan’ny 31 Martsa 2017 .
Raha mila fanazavana fanampiny dia manatona ny varavarana 215 , FOIBE FJKM na jereo ny peta-drindrina sy ny taratasy nalefa any amin’ny Fitandremana .