Alahady 05 Martsa 2017

VAVOLOMBELON’NY FANANARANY NY TOMPO

Ohabolana 4.1-9

Fananarana avy  amin’ny olon-kendry

Ny bokin’ny ohabolana  dia mirakitra ny fahendrena tokony iainan’ny olona . Ny fitandrema,a ny didin’ Andriamanitra  no ambara  fa fahendrena.

1-Tandremo  ny didin’ Andriamanitra

Ny olon-kendry no mampita  toro-marika , fananarana  ho an’ny zananny mba hahatonga azy ireo  hiaina amin’ny fahendrena . Zava-dehibe ho an’ny taranaka fara mandimby  tokoa mantsy  ny fananana fahendrena . Fototra iray nahazoany  fahendrena  ny fampiharana ny fampianarana nomen’ny Ray aman-dreniny . Tsy misalasala milaza sy mampita  izany izy . Raha  mandray sy mirakitra ao ampo  ny fampianarany omeny  ny zanaka  dia handeha  tokoa aamin’ny fahendrena marina . Tsarovy   fa ny Tenin’ Andriamanitra  no tena loharanom-pahendrena . Raha  manaraka sy mitandrina  izany  isika dia hanana fahendrena .

2-Vokatry  ny fananana fahendrena

Manan-danja  noho  ny harena  sy ny zavatra rehetra ny fananana fahendrena . Tsara fiarovana , mahazo anjara  toerana  manokana  ao anatin’ny fiaraha-monina izay manana  ny fahendrena . Amporisihana hikatsaka izany ny olona . Tsy azo  mora foana  anefa izany fa mila fahafoizana izay rehetra ananantsika . Tsarovy  fa i Jesoa Kristy no hery   sy fahendren’ Andriamanitra . Raha manana an’i Jesoa Kristy  isika  dia hanana  ny fiainana tena miavaka.

Sabotsy 04 Martsa 2017

VAVOLOMBELON’NY FANANARANY NY TOMPO .

 

Efesiana 6.1-9

Kristiana mifandray  amin’ny hafa

1-Aoreno tsara  ny fifandraisana ao an-tokantrano

Ny fifandraisana misy eo  amin’ny ankohonana  ao an-tokantrano  no itondran’i Paoly Apostoly fananarana eto.Tiany mba hilamina sy hirindra tsara izany . Endriky ny fifandraisan’ Andriamanitra sy ny olony izany . Ny olona miroso  ho amin’ny fanompoana  ny Tompo dia maneho fahavononanan hiaina  amin’ny fankatavana  ny ao anatin’ny ankohonana  misy azy . Tsarovy fa fototra iray mitondra fitahiana ny firindran’ny fifandraisana ao anatin’ny tokantrano kristiana . Kajio  fatratra ao anatin’ny fifampifehezana  izany fifandraisana izany .

2-Aoreno  tsara ny fifandraisana eo amin’ny asa

Tsy afaka miala ao amin’ny tontolon’ny fiaraha-monina sy ny asa ny mpino kristiana. Resahina eto  noho izany  ny fanatsarana ny fifandraisana eo amin’ny tontolon’ny asa . Manana ny lanjany lehibe eo anatrehan’ Andriamanitra ny asa sy ny olona manao ny asa . Anarina sy omena toro-marika ny mpino  mba hanao tsara ny asany amin’ny fitiavana  sy ny fahitsian’ny fo . Tarihana ny saina mba hihevitra fa ny asa rehetra atao dia toy ny atao ho an’ Andriamanitra . Mpanao ny tsara  Andriamanitra ka tokony hanahaka Azy ny tena zanany . Tarihana  hiaina amin’ny fifanajana sy ny fankatoavana ny mpino , ny mpampiasa sy ny mpiasa. Endriky ny fankatoavana sy ny fanajana  ny Tompo izany .

Fanontaniana

Toe-panahy manao ahoana  no entinao manao ny asanao ?

Birao Sekoly Alahady  FOIBE FJKM

Zoma 03 Martsa 2017

 

Vavolombelon’ny fananarany ny Tompo

LIOKA 12.1-12

Ny mpino  mandray  fananarana avy amin’ny Tompo

 

I Jesoa Kristy  no mananatra  ny mpanara-dia Azy eto mba hanana  toe-piainana  mifanaraka aamin’ny maha-olon’ny  fanjakan’Andriamanitra .

1-Matahotra an’ Andriamanitra

Mampitandrina ny mpianatra mba tsy hanahaka ny fiainan’ny Fariseo i Jesoa Kristy . Fariseo izay milaza ho mandeha  amin’ny fahamasinana ,  mpivavaka marina  kanefa mpihatsaravelatsihy  . Izany  hoe : maneho  fiainana  ivelany feno  fahatsarana izy ireo kanefa ny toetra ao anatiny  dia mbola rakotry  ny aizina . Miaina amin’ny faharatsiana , tsy matahotra an’ Andriamanitra .Mitaona antsika araka izany ny Tompo , manana fiainana feno fahatahorana an’ Andriamanitra . Ialao ny fihatsarambelatsihy fa mitondra  ho amin’ny fahaverezana izany .

2-Matoky ny fitondran’ Andriamanitra

Miaina  amin’ny fihatsarambelatsihy  ny olona  matetika  satria tsy te-ho ratsy  amin’ny mpiara-belona aminy , matahotra  ny ainy  , ny ho aviny .Mampianatra  ary eto ny Tompo , eny  manome toky  ny mpanara-dia Azy fa tsy tokony hatahotra olona ny mpino . Andriamanitra  irery ihany no tokony hatahorana . Koa rehefa miaina araka ny sitrapon’ Andriamanitra ny olona dia azo antoka ny famonjen’ Andriamanitra , azo antoka ny fiarovan’ Andriamanitra . Fiainana azo  antoka ny omeny ny olony .

Fanontaniana :

Nahoana no manahy  ny amin’ny fiainany ny olona ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Filazana Fifaninanana / 50 T FJKM sy 200t nidiran’ny Misionera

 

 

FILAZANA  FIFANINANANA

HIRA FANEVA SY LOGO

 

Noho  ny JOBILY faha-50 taonan’ny FJKM  sy faha-200 taona nidiran’ny Misionera LMS teto Madagasikara dia misokatra  ny fifaninanana Hira faneva sy sary famantarana (Logo).

Ny kristianina FJKM rehetra  no afaka mandray anjara  amin’izany .

Toy izao ny andinindininy :

HIRA FANEVA :

-Miompana amin’ny Teny faneva :  « Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika »

(1 Timoty 2.8a)

-Andininy 3 ary misy fiverenana

-Vita Solfa

-Atao amin’ny CD ny mozika fotsiny (instrumentale) ary atao amin’ny CD hafa ny hira fotsiny tsy misy mozika (a cappella)

SARY  FAMANTARANA (Logo) :

-Loko telo

-Tsy azo asiana sarin’olona manokana

-Atao amin’ny taratasy fotsy (21X29.7) ary atao amin’ny CD ihany koa

Atao anaty valopy A4 iray ary ampiarahina  amin’ny valopy fotsy iray misy ny anarana , adiresy, fiangonana niaviana , laharana telefonin’ny mpifaninana sy valopy iray misy ny fanolorana avy amin’ny Mpitandrina na ny katekista Delege.

Aterina ao amin’ny Trano Ifanomezantsoa  Analakely , varavarana 215 alohan’ny 31 Martsa 2017 .

Raha mila fanazavana fanampiny dia manatona ny varavarana 215 , FOIBE  FJKM na  jereo ny peta-drindrina  sy ny taratasy  nalefa  any amin’ny Fitandremana .

Alakamisy 02 Martsa 2017

Vavolombelon’ny fananarany ny Tompo

EFESIANA 5.8-21

Ny mpino  mandresy  ny aizina

Paoly Apostoly  eto no manoratra , mananatra ny mpino  kristiana mba tsy  ho latsaka ao  anatin’ny aizina indray. Efa nandray  ny mazava  ny kristiania  ka tokony  hiaina araka izany fahazavana tao amin’i Jesoa Kristy  izany .

1-Miaina  amin’ny fiainana miavaka

Aseho  eto ny anjara toerana  misy ny mpino. Ny olona mifandray amin’ Andriamanitra dia manana  toetra tena miavaka tokoa raha oharina  amin’ny olon’izao tontolo izao . Efa nandray  Ilay Mazava  ka tonga zanaky  ny mazava . Mandresy  ny aizina  noho izany  tsy  mandeha  amin’ny fiainan’izao tontolo izao  intsony . Mizotra ho amin’ny fahazavana mandrakariva . Taomina  àry isika  mba handeha  amin’ny fiainan’ny zanaky ny mzava ka handresy ny asan’ny maizina mandrakariva.

2-Mitondra fahazavana ho an’ny hafa

Mbola  maro  ireo sokajin’olona voafatotry  ny asan’ny maizina . Anarina  sy ampirisihana araka izany  ny zanaky ny mazava  mba haneho eo  amin’ny fiainany ny fahazavana  noraisiny mba hanazava sy hanafaka  ireo sokajin’olona mbola voafatotry  nyb aizina . Raha mijoro  ho tena fahazavana tokoa mantsy  isika kristiana efa nandresy ny aizina  dia ho maro  ireo hahita ny mazava  ka handray ny famonjena  ao amin’i Jesoa Kristy , Ilay nanendry antsika ho  fahazavan’izao tontolo  izao .

Fanontaniana:

Nahoana no misy ny mpino kristiana tsy afaka mijoro ho vavolombelon’ny fahazavana noraisiny ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE  FJKM 

 

Andro Fiaraha-Mivavaka Erantany ( AFME).

FANASANA.

Ny Birao Nasionalin’ny Vehivavy Kristiana Mpiara-Mivavaka dia faly  manasa anareo  handray anjara  amin’ny Fanompoampivavahana  fankalazana  ny « Andro Fiaraha-mivavaky  ny vehivavy eran-tany » .

Izany dia hatao  ny :

Zoma 03 Martsa 2017 ao amin’ny  FLM Ambatovinaky amin’ny 09 ora maraina –  04ora hariva

-Sabotsy  04 Martsa 2017  ao  amin’ny FJKM Tranovato  Ambatonakanga  amin’ny 09 ora maraina -12 ora atoandro , izay hanarahana  ny LITORJY nomanin’ ireo vehivavy any PHILIPPINES araka ny lohahevitra hoe :

 

« Manao izay tsy rariny aminao ve aho ?

 

Tongava  hiara-hiombompo  amam-panahy amin’izany .

Misaotra  tompoko

FJKM Tranovato Faravohitra (SP 12)

 

FANASANA

 

Ny Fitandremana FJKM Tranovato Faravohitra sy ny

Mpitandrina RAVALINOMENJANAHARY Lala Emmanuel mianakavy 

dia manasa  anao am-pitiavana  hiara- hiombom-bavaka amin’ny fankalazana an’ Andriamanitra noho ny  faha-10 taonan’ny fiaraha-miasa ny fiangonana sy ny Mpitandrina  sy ny faha-30 Taona maha- Mpitandrina azy ireo .

Izany dia hatao   ny Alahady  05 Martsa 2017 ao amin’ny FJKM Tranovato Faravohitra 

« Misaora  amin’ny zavatra rehetra , fa izany no sitrapon’ Andriamanitra  ao amin’i Kristy  Jesoa  ho anareo  » 1 Te 5.18

DK / ANDRON’NY VEHIVAVY 2017 .

SAMPANA  DORKASY  FJKM.

 » Koa aza menatra  ny ho vavolombelon’ny Tompontsika »  (2 Tim 1.8a)

 « Fa Izy no fihavanantsika »  (Efe 2.14)

FANASANA

Noho ny fankalazana ny andron’ny Vehivavy erantany , ny Sampana DORKASY  FOIBE dia faly manasa antsika hiara-miombom-bavaka sy hanatrika ny Famelabelaran-kevitra

 

Talata 07 Martsa 2017

Ao amin’ny KIANJA MITAFO MAHAMASINA

Amin’ny 9 ora maraina

 

Ny Lohahevitra  hobanjinina dia ny hoe :

« Fa ataoko ahoana  no fijery ny loza hanjo ny fireneko ? » (Estera 8.6).

Misy ny varotra fampirantiana samihafa aseho mandritra izany fotoana izany .Tongava maro .

Alarobia 01 Martsa 2017

VAVOLOMBELON’NY  FANANARANY  NY  TOMPO

AMOSA 8.1-14

Ilay Andriamanitra  mananatra ny olony

 

1-Andriamanitra  mahita  ny fiainan’ny olona

Miaina  anaty  faharatsiana tanteraka ny olona . Manjaka  ny fitiavantena  ny tsy fiheverana ny hafa. Mijanona ho fombafomba  ny fivavahana . Mamatotra  ny  toetra  faharatsiana .Miseho  ny fanambakana  ny hafa , fanaovana  varotra tsy araka  ny  tokony  ho izy  ( mangala-danja ary vary ratsy no amidy ) , misy  aza ireo  miezaka  manao  izay hampahantra  ny mpiara-belona  aminy  amin’ny alalan’ny fanambakana  samihafa . Tsarovy  fa tsy  misy  miafina amin’ Andriamanitra  ny  ataonao . Noho  izany  , ialao  ny faharatsiana . Mirosoa  ho amin’ny  fivavahana marina.

2-Andriamanitra mamerina  ny olona  amin’ny  marina

Miharihary  eto  fa mamaly  ny olona  araka ny asa nataony  Andriamanitra . Tapaka  ny fifandraisan’ny olona  Aminy  , fitsarana  miavaka  no ataony  entina  manitsy  sy mananatra ny olona .  Miova manontolo . Hiaina    ao anatin’ny aizina  ny olona satria  tsy hiseho  ny masoandro . Fijaliana  sy fahoriana  lehibe  no hanapaka  ny fiainan’ny olona indrindra  ireo  nanambaka ny mpiara- belona taminy . Fitiavana Andriamanitra , tsy avelany hitoetra  amin’ny faharatsiana ny olona noho izany  mananatra sy  manitsy  Izy . Raiso am-pitiavana  izay fananarana ataony ho anao  ka manaraha Azy amin’ny làlana marina .

Fanontaniana :

Nahoana  no misy  olona miandry  anarina vao mibebaka ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE  FJKM