FJKM – CBM / TETIKASA MAHAY

 

Miara-miasa amin’ny tetikasa MAHAY

Nitombo iray ny birao eo anivon’ny Foibe FJKM-trano Ifanomezantsoa Analakely. Notokanana ny Zoma 17 Febroary lasa teo ny birao vaovao iasan’ny “Tetikasa Mahay”, izay iarahan’ny FJKM amin’ny alalan’ny sekoly FJKM, sy ny CBM (Christoffel Blinden-Mission).

Tetikasa mifantoka tanteraka amin’ireo olona manana fahasembanana. Ny sekoly FJKM dia manabe ny olona rehetra tsy an-kanavaka, ary izay no mahatonga azy ho ao anatin’ny fanabeazana mampiaty, mitsinjo ny zaza Malagasy rehetra tsy misy ny fanilihana.

Faritra roa no kendrena hanombohana ny tetikasa, dia ireo sekoly FJKM eto Antananarivo renivohitra (Analamanga) sy ny any Antsirabe (Vakinankaratra). Efa vita ny atrik’asa fanangonan-kevitra mikasika ny hanatanterahana azy tamin’ny volana novambra (teto Antananarivo) sy ny janoary lasa teo (tany Antsirabe).

Efa miroso amin’ny fanentanana amin’ny fidinana ifotony ankehitriny ny tomponandraikitra eo anivon’ny foibe fitondran-tsekoly FJKM, iarahany amin’ireo mpiara-miasa ao anatin’ny Sampana lehilahy kristiana sy ireo tanora nanolo-tena. Ny atao amin’izany dia mitety ireo toerana voalaza ireo mandray sy mamantatra ireo ankizy tratry ny fahasembanana. Aorian’izany dia hisy ny fampiofanana ireo mpampiofana, ny mpampianatra any amin’ny sekoly FJKM rehetra manerana an’i Madagasikara, mba hipàka tsara any amin’izy ireo ny fanabeazana mampiaty.

Ny CBM, dia fikambanana tsy miankina iray iraisam-pirenena izay manana ny foibeny any Alemaiña. Mizarazara isam-paritra ny fitantanana azy ka aty amin’ny faritr’i Afrika atsimo no misy antsika izay ahitana firenena 4, dia i Madagasikara, Zimbabwe, Malawi ary Zambie.

Ny CBM dia tetikasa miahy ny olona manana fahasembanana(ara-pahitana, ara-pahenoana, ary ara-batana). Manana tetika miisa 14 izy amin’izao fotoana izao, izay iarahany miasa amin’ny FLM, ny ministera, amin’ny FJKM ankehitriny, ary amin’ireo olon-tsotra sy ny vovonan’ny fikambanan’ny sembana.

Mpitarika kristiana !!

RAHA TE HO MPITARIKA KRISTIANA

Misy Mpitarika samihafa amin’ny sehatra maro. Eo ny mpitarika orinasa, eo ny mpitarika fikambanana tsotra toy ny teraky ny Faritany iray, eo koa ny mpitarika kristiana. Miteraka Fanontaniana izany, rehefa mijery ny zava-misy ny olona. Toy inona ary ny Mpitarika Kristiana?

  • MODELY

Any amin’ny toerana sy sehatra alehany, dia izy no ahafantaran’ny tsy kristiana hoe toy izao hitako izao ny atao hoe kristiana. Ohatra, olona mazoto miasa, ary tia manao zavatra tsara sy ara-potoana. Izany no hitany ao amin’ny sehatry ny asa ivelan’ny Fiangonana.

Tsy miankina amin’ny asany izany maha Modely azy izany. Tsy hoe satria aho Mpitandrina, dia lasa Modely ho azy ho an’ny hafa. Misy fitaratra matroka tsy ahitana izay modely hotahafina akory. Ary misy fitaratra tena manome ny modely tadiavin’ny hafa. Fa miankina amin’ny maha izy azy ny Mpitarika kristiana izany. “Olona tsy manan-tsiny” izy (I Tim 3:2). Ka ny Mpitandrina no voateny eo, nefa marina amin’ny Mpitarika kristiana rehetra izany.

Tsy mba miahiahy azy ny olona rehefa Modely ny Mpitarika kristiana. Itokisany izy amin’ny fitondrantena, amin’ny vola. Olona tsy hanao na hampanao kolikoly koa ny Mpitarika kristiana, ary tsy hiditra velively amin’ny fisolokiana. Mitovy tsara ny teny sy izay nataony. Ary izany ihany no ahafantarana ny olona tena vavolombelona, sady tsy menatra ho vavolombelona (II Tim 1:8).

  • TO TENY

Ny Mpitarika to teny dia olona mahatapa-kevitra. Izay ilay antsoina hoe fahefana manapakevitra (autorité décisionnelle). Tena misy ny Mpitarika Fiangonana, nefa ny hafa no manapa-kevitra eo amin’ny toerany: zavatra tsy tokony hisy velively izany. Tsy ho to teny mihitsy ary ny Mpitarika misalasala lava, manilika amin’ny hafa ny andraikitra manapa-kevitra.

Io Mpitarika to teny io koa dia olona mahay tsara ny asany. Izany no fahefana mahay miasa (autorité fonctionnelle). Mianatra mandrakariva ny asany sy izay takin’ny asany izy. Liana hatrany amin’izay zava-baovao mahakasika izany asany izany.Tsy ho to teny mihitsy izay tsy mivoatra, tsy mianatra, « tsy mikely aina amin’ny teny sy ny fampianarana » (I Tim 5 :17).

  • MANOMPO

Ity manaraka ity dia tena mampiavaka tokoa ny Mpitarika kristiana. Jesoa Kristy no tafahiny eto. “Tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo” Aho, hoy Izy (Mat 20:28). “Izaho dia eo aminareo toy izay manompo” (Lio 22:27), izay lehibe dia aoka toy ny zandry, ary ny manapaka dia aoka toy ny mpanompo (Lio 22:26).  Soatoavina Hafa tanteraka noho izay niainana fahizany sy mitohy mandraka ankehitriny izany: ny lehibe sy ny mpanapaka dia tompoina ary takina amin’ny zandry sy ny mpanompo mihitsy izany.

Ho an’ny Tompo Jesoa anefa, dia tsy olona famingavinga ireo Mpitarika kristiana manompo ireo. Tsy eken’ny Soratra Masina velively ny fisian’ny Mpitandrina miasa tsy afaka miasa amin’ny fifaliana, fa amin’ny fisentoana (Heb 13:17). Heno hatrany ny fisian’andian’olona manao izany amin’ny Mpitandrina, ary mbola  hampamoahana amin’izany isika.

Eo koa anefa ny Mpitandrina izay mirehareha sy manimba ny mpiara-miasa aminy, noho izy mitana fahefana. Voararan’ny Soratra Masina “tsy manjakazaka amin’ny anjara fiandrasana” (I Pet 5:3) isika Mpitandrina. Heno mantsy ny Diakona na Mpitarika sampana no nanaovany antsojay sy toeran-tsy zaka, ary mbola hampamoahana amin’izany koa isika.

  • RESY LAHATRA

Tsy hahavita ny asany ny Mpitarika kristiana tsy manana faharesen-dahatra. Ny Soratra Masina ihany no maharesy lahatra azy, ary izany dia araka ny fampianaran’ny Fiangonana misy azy. Misy resy lahatry ny fampianaran’ny Fiangonana na Antokom-pivavahana hafa, ka hampiteraka fikorontanana izany.

Ny olona resy lahatra, no afaka hampahery izay olona mila hiala amin’ny andraikitra tanany, noho ny antony samihafa. “Ampaherezonareo ny Tanana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy” (Isa 35:3). Izy koa no afaka hampiray hina ny mpiara-miasa sy ny Fiangonana misy azy. Ary hainy tsara ny manaja ireo mpiara-miasa aminy noho ny amin’ny Tompo sy ny andraikitra nitokisan’ny Fiangonana azy ireo.

Hafatry ny Filoha

 

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA!

ALEFASO NY VAOVAO O!

      Deraina ny Tompo fa miasa amin’ny fomba  tsy takatry ny saina mihitsy ny Tompo ary miasa mahery ny Fanahy Masina. Any rehetra any, any amin’ny Synodam-paritany, any amin’ny Fitandremana, any amin’ny Fiangonana any, misy hetsika lehibe atao manerana ny sahan’ny FJKM ankehitriny. Ny endrika isehoany no samihafa, ny dingana atao no tsy mitovy, fa ny iraisany dia: tsy misy mipetrapetraka intsony any fa samy manao izay ho afany! Isaorana an’Andriamanitra lehibe izany.

      Koa, araka ny antso manokana efa natao, dia anterina etoana ny fangatahana aminareo rehetra mba handefa izay hetsika ataonareo havoaka eto amin’ny gazetintsika. “ Ambarao izay nataon’ny Tompo” taminareo sy tamin’ny alalanareo ary niaraka taminareo! Tantarao ho fifampaherezana sy ho voninahitr’Andriamanitra! Misaotra mialoha antsika rehetra fa tena hahasoa sy hampahery tokoa izany tantaran’ny hetsika samihafa ataontsika izany!

Dia ho voaporofo fa tsy teny foana akory ny vinantsika hoe:

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA!

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

Filohan’ny FJKM

 

 

2017/03/01

VAVOLOMBELON’NY FANANARANY NY TOMPO

Talata 28 Febroary 2017

Vavolombelon’ny fanekeny ny Tompo

 

JAONA 7.37-39

Jesoa no rano  velona mahafaka hetaheta

Na eo  aza ny rano  sotroina isanandro dia mihatra  amin’ny olona rehetra  kosa ny hetaheta ara-panahy . Zavatra telo no ambaran’i Jesoa  ho anao anio .

1-Mahatsiarova ho mangetaheta

Tsy hitady rano  ny olona raha  tsy  mahatsiaro  ho mangetaheta , tsy  hahatsiaro  hitady  an’i Jesoa   ny olona raha  tsy mahatsiaro  tena ho mpanota . Ilay mpamory  hetra nandeha  tany amin’ny Tempoly mba hivavaka  dia nanao  hoe : « Mamindra fo amiko  mpanota » . Mahatsiarova  tena! .

2-Aoka  hanatona ny rano

Rehefa  nahatsiaro  ho  namadika  Rà marina i Jodasy dia tsy  nanatona  an’i Jesoa  mba hibebaka izy fa namoy fo ka lasa namono tena . Tsy ampy  ny fahatsiarovana  fotsiny ho mangetaheta  kanefa tsy  misy ezaka  atao . Tahaka  izany  ireo olona  izay  mahalala  fa tena  ilaina ny mandeha  miangona  any am-piangonana kanefa  tsy  manetsika ny tongony akory .

3- Misotroa!

Rehefa  nasain’ Andriamanitra  hikapoka ny vato i Mosesy  dia nivoaka  ny rano   ho an’ny olona  izay nangetaheta . Raha sendra  tsy nisotro  izany kosa ny olona dia hangetaheta ihany izy na dia efa eo aza  ny rano . Hoy i Jesoa : « izay   mino Ahy   dia hisy onin’ny rano velona  hiboiboika  avy ao an-kibony »(and38).

Fanontaniana :

Aiza ho aiza  amin’ireo dingana ireo  no misy anao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM