Alatsinainy 30 Janoary 2017

VAVOLOMBELONA MAHATOKY  NY TOMPO

Eksodosy 4.1-8

Aza matahotra !

Natahotra   mafy i Mosesy  rehefa nirahin’ Andriamanitra . Mety  ho tojo  ny tahaka  izany  koa isika  rehefa irahin’ Andriamanitra , nefa aza matahotra .

1-Ampy ho antsika ny teniny

Noho ny fisalasalan’i Mosesy no nanehoan’ Andriamanitra famantarana taminy , mba handresy lahatra  azy  sy hanaisotra ny fisalasalany . Hoa an’ny tsy mino  sy misalasala amin’ny Tenin’ Andriamanitra  ny famantarana . Tsara  raha tsy manahaka an’i Tomasy isika fa izy no nilazan’i Jesoa ho:« sambatra  kosa izay tsy nahita nefa nino » (Jao 20.29). Koa aza  matahotra rehefa irahin’  ny Tompo . Esory ny fisalasalana  fa ampy  ho anao ny teniny .

2-Manome famantarana ampy  ho antsika ny Tompo

Fantatry  ny Tompo  ny fahalementsika , tahaka  ny fahalemen’i Mosesy ihany .Nomeny  famantarana tokoa i Mosesy , ary isika koa . Zava-dehibe ny Batisa sy ny Fanasan’ny Tompo izay sady  Tenin’ Andriamanitra  hita maso  sy azo tsapain-tànana no famantarana hita maso hanamafy orina ny finoantsika (1 Kor 11.24) . Aza mitady  fahagagana hafa intsony , fandrao midika ho tsy fatokiana sy tsy finoana an’ Andriamanitra izany .Ilay Andriamanitra tsy miova , ary mahatoky amin’ny Teniny no maniraka antsika . Koa « aza matahotra »  . Antoky   ny fahombiazana  eo  amin’ny iraka ampanaovin’ny Tompo ny fahatsapana fa tsy miova Izy (Heb 13.8), ary ao amin’ny Teniny  no hanamarinany  izany mandraka ankehitriny . Noho izany , ianao koa : « Aza matahotra »

Fanontaniana

Inona no antony mampisalasala anao tsy hanao ny asan’ Andriamanitra ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 29 Janoary 2017

Vavolombelona mahatoky ny Tompo
LIOKA 4.23-30

Mijoro vavolombelona i Jesoa

Efa nambara tamin’ity volana Janoary ity tamin’ny alalan’izao Mofonaina izao fa vavolombelona amin’ny tsara ataontsika , na amin’ny toetra sy fomba ratsy asehontsika ny Tompo .
Vavolombelona Izy amin’ny fombàny sy fiarahany amintsika mandrakariva. Ny vavolombelona dia sahy manambara ampahibemaso izay hitany sy reny tamin’ny trangan-javatra iray. Ny fiainan’I Jesoa teto an-tany , ny nataony nanoloana ny mpiray tanàna sy mpiara-belona taminy dia nahazoany nijoro ho vavolombelona tamin’izay hitany sy reny teo amin’ny fiaraha-monina . Noho izany dia sahy nanambara ampahibemaso ny fahitany ny fihetsiky ny mpiara-belona sy ny fiaraha-monina Izy .
-Vavolombelon’ny tsy finoana sy ny tsy fahaizantsika mankasitraka Izy (and23-24) . Hitany izany !
-Vavolombelon’ny hamafin’ny fontsika tsy mety mandray ny famonjena Izy ka izany no hamindra ny famonjena tokony ho antsika ho an’ny hafa (and 25-27), zahao Apo 2.5) . Miharihary eo anatrehany koa izany ka mahaiza mandray .
-Vavolombelon’ny tsy fahazakantsika ny “fampianarana tsy misy kilema” ny Tompo , ka mahita antsika tezitra sy misafoaka rehefa ambara mazava ny Tenin’ny Tompo (and28-30) . Tsy miafina Aminy koa izany .
Manoloana izany , dia aoka tsy ho faly fotsiny isika amin’ny hoe: miaraka amiko ny Tompo , fa vavolombelona koa Izy ary mahita tsara ny toetrantsika .
Fanontaniana:
Inona amin’ireo voalaza ireo no mbola toetrantsika koa?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Hafatry ny Filoha Jan 2017

Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara !

Isaorana ny an’i JESOA KRISTY tokoa ny nahatontosana ny fotoan-dehibe teny Antsonjombe tamin’ny Alahady 15 Janoary 2017 teo. Ho Azy Andriamanitra irery anie ny voninahitra!
Tamin’izany moa no nanaparitahana voalohany ny trakitra izay natao ho fitaovana hoenti-mitory ny Filazantsara. Marihina fa sady tsy natao hasolo ny fitaovana rehetra efa nampiasaina hatramin’izay izy io no tsy ny hoe ny hany fitaovana azo ampiasaina akory; fa natao kosa ho fanampiana amin’ny fanaingana izao ezaka lehibe ataontsika izao.

Indro atolotra eto ny ventin’ny fanofanana tsotra nomena teny Antsonjombe ny amin’ny Fomba ampiasa ny trakitra “VAOVAO MAHAFALY HO ANAO”.

A-Raiso ho an’ny tenanao aloha izy: vakio dia ataovy izay itarihany anao, mba ho anao aloha no ho vonton’ny Filazantsaran’i Kristy.

B-Dia zarao amin’ny hafa amin’izay avy eo:
ka izao no azo anaovana azy:

1-Ento tsy hahasaraka anao izy

Raha azonao atao, asio trakitra iray tsy mahasaraka anao any anaty kitapo na paosy na poketranao any, rehefa mandeha ianao.

2-Mivavaha mba hitarihan’ny Fanahy Masina anao

Ny Fanahy Masina no tompo-marika amin’ny olona tokony hohatonina hitoriana an’i Jesoa (Asa 8.2; 16.6, 7).

3-Resaho tsotra amin’ny olona izy

Tsarovy fa resaka tsotra no nataon’i Jesoa tamin’ny olona nanatona Azy (Jao. 3.1 snm), na niresahany teny am-pantsakana (Jao. 4, 7 snm). Anontanio izy raha efa nahita ilay trakitra na tsia. Raha tsia, anontanio izy raha tiany ny hanazavanao aminy izany ao anatin’ny fotoana fohy. Raha manaiky izy dia iaraho mamaky sy mijery aminy ilay trakitra.

4-Ny takila resahina ihany no ataovy eo anoloana

Aforeto hatrany ilay trakitra rehefa ampiasaina. Hazavao tsotra ny sary sy ny hevitra ambara eo.

5-Ampandraiso anjara ny olona iresahana

Raha mahay mamaky teny izy dia asaivo vakiny ny Soratra Masina ao amin’ny trakitra.

6-Ezaho hatao feno ny fampiasana azy

Vakio hatrany amin’ny farany. Rehefa tonga eo amin’ilay vavaka, dia vakio aminy aloha izay voasoratra eo, dia anontanio izy raha tiany ny hanao izany vavaka izany ho mariky fanekeny handray an’i Jesoa. Raha manaiky izy dia angataho izy hamerina izay vakinao. Mariho aminy tsara mba hataony amin’ny fony tokoa izany vavaka izany. Dia ataovy mihitsy ilay vavaka fandraisana an’i Kristy, fa aza dinganina!

7-Taomy fa aza terena handray an’i Kristy ny olona

Raha tsy afaka hiresaka na tsy manaiky handray izy, aza tezitra! Isaory amim-panajana sy fitiavana izy.

8-Ampio hitombo ara-panahy ny olona nandray an’i Kristy

Ataovy izay hanatonany Fiangonana. Tsy mitaona olona ho FJKM isika fa mitaona olona ho an’i Kristy, saingy raha te hanaraka antsika izy dia raiso amin’ny fifaliana sy ny fitiavana tsara (Marihina fa misy bokikely hoe : Talaky mandeha sy Rononom-panahy, afaka hanampy anareo ny fitaizam-panahy ho an’ny olona vao nandray an’i Kristy. Jereo ao amin’ny Fivarotam-boky Antso).

9-Ataovy fanomezana ho an’ny olona notaomina ny trakitra

Rehefa vita ny resaka dia azonao omena azy iny trakitra iny mba hiverenany manamasaka azy sy hitaomany ny hafa koa. Tsy maninona na voatery hividy vaovao indray aza ianao, fa tsy voavidin’ny 200 Ariary ny fanahin’olona voavonjy tamin’ny fitoriana nataonao!

10-Araho vavaka hatrany ny asa

Samy tsarovy amim-bavaka na ny trakitra nozaraina, mba tsy ho verivery foana, na ilay olona notaomina, mba tena haharitra ho an’i Kristy!

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

Filohan’ny FJKM

 

Sabotsy 28 Janoary 2017

 

ISAIA 45.20-25

Vavolombelona  mahatoky ny Tompo

 

Andriamanitra manambara  ny tenany ny Tompo . Fijoroana  ho vavolombelona miezinezina  ny amin’ny maha- izy azy no ataon’ Andriamanitra eto . Vavolombelona mahatoky Izy satria :

1-Andriamanitra  tokana  sady Mpamonjy (and21-22)

Tsy  sampy Andriamanitra  ary tsy mitovy amin’ny sampy  ihany koa Izy . Jehovah dia Andriamanitra tokana sady tsy manam-paharoa. Ampahatsiahivina eto indray izany mba hananan’ny mpino  fahatokiana fa Izy irery  ihany no manana ny hery  ho enti-mamonjy  sy manafaka . Jesoa no endrik’ Andriamanitra tokana , nirahin’ny Ray hanatanteraka ny famonjena antsika teo amin’ny Hazo fijaliana. Mazava  ny fanambaran’ny Soratra masina : « Tsy misy famonjena amin’ny hafa…izay hahazoantsika famonjena » afa-tsy ny Anaran’i Jesoa Kristy irery ihany (Asa 4.12) . Andriamanitra tokana sady Mpamonjy  tokana no antsika .

2-Mahatoky  amin’ny teniny Izy  , hanamarinanay   izay manatona Azy (and23-25)

Andriamanitra mahatoky  ny Tompo  , na amin’ny ataony  sy ny asany  na amin’ny teniny . Tsy  mba miala na mivadika  amin’ny teniny Izy . Efa nanaiky ny hamonjy antsika Izy ka mitaona antsika mba hanatona Azy , handraisantsika ny fanamarinana antsika . Notanterahan’i Jesoa izany fanamarinana  antsika izany . Tonga marina sy natao ho marina isika ao amin’i Jesoa . Ivelan’i Jesoa  dia tsy misy fanamarinana ny mpanota . Tenin’ Andriamanitra izany , ary marina sy tsy miova , satria mahatoky  amin’ny teniny  ny Tompo , hanamarinany  izay manatona Azy‘(Kor 6.11).

Fanontaniana :

Ahoana no ahazoantsika fanamarinana maimaimpoana ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 27 Janoary 2017

Vavolombelona  mahatoky ny Tompo

2 Korintiana 1.17-20

Ny fanapariahana  ny Filazantsaran’i Kristy

 

1-Mitaona  antsika  tsy hanao kitoatoa na hisalasala

« Raha  nikasa  izany aho  , moa nanao  kitoatoa ? ». Nikasa ny handalo any Korinto indray izy ary nilaza  ny fandaharam-potoanany . Nisy olona  nanaratsy sy nanohitra azy , ka nilaza fa tsy sahy nandalo any i Paoly. Izany no nolazainy fa tsy kitoatoa ny teniny , na misy fisalasalana  sy fanelezana ny Filazantsara . Ny fisalasalana no fahavalon’ny finoana , ka tandremo .

2-Mitaona antsika hanahaka an’i Jesoa

Vavolombelona mahatoky  amin’ny fankatoavana  an’ Andriamanitra i Jesoa . Hatramin’ny fahafaresana teo amin’ny hazo fijaliana  no nanehoany  izany (Jao 4.34), satria « eny », mariky  ny fankatoavana hatrany ny Azy fa tsy mba misy « tsia » , fandavana . Ambara  eto aza ny « Amen,milaza fanatanterahana  , mba tsy ho « eny »am-bava sy eo imolotra ihany. Izany  no nataon’i Jesoa . Koa ataovy  marika alain-tahaka Izy .

3-Mitaona antsika hanahaka ireo mpitory zokintsika

I Paoly  Apostoly sy ireo  mpiara-dia taminy no horaisina ho Mpitory zokintsika . Nambarany fa nanahaka ny an’i Jesoa izay toriany izy . Tsy niroa teny izy ireo . Niezaka nankato  tahaka an’i Jesoa , teo amin’ny fitoriana , na dia niharan’ny fanenjehana aza izy . « Eny », fankatoavana hatrany no nasehony  mba ho Voninahitr’ Andriamanitra  , ka hoy  izy : »Aoka hanahaka ahy ianareo  dia tahaka ny anahafako an’i Kristy «  (1 Kor 11.1) . Fomba ahazoantsika manapariaka sy mampiely ny Filazantsara izany .

Fanontaniana :

Mety amin’ny kristiana ve ny miroa teny ? Nahoana ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

 

……………… ……………………………………………………….

 

Alarobia 25 Janoary 2017

Vavolombelona mahatoky ny Tompo

1 Jaona 5.18-21

Ny Zanak’ Andriamanitra

Ny mpino  dia olona efa naterak’ Andriamanitra indray tamin’ny alalan’ny Batisa . Noho izany dia efa tonga Zanak’ Andriamanitra . Ny zanak’ Andriamanitra dia:

1- Mankahala fahotana (and 18-19 )

Sady tsy  minia manota ny Zanak’ Andriamanitra no miaro ny tenany amin’ny ratsy ihany . Nijoro ho vavolombelona mahatoky tamin’izany i Jesoa fony  tonga teto an-tany  ka tsy mba nanota Izy na nikambana tamin’ny ratsy . Tsy mankahala ny mpanota i Jesoa fa mankahala ny ota . Ilaina  ho toy izany koa isika , amin’ny maha-olona efa naterak’ Andriamanitra  tamin’ny Batisa , satria  efa tonga zanak’ Andriamanitra isika. Koa ankahalao ny ota , aza miray amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa .

2-Miaro tena amin’ny sampy (and20-21)

« Arovy ny tenanareo amin’ny sampy » (and21) . Fehin’ny Epistily voalohany nosoratan’i Jaona izany fiarovan-tena amin’ny sampy izany . Sampy avokoa izay rehetra itokiantsika mihoatra noho Andriamanitra . Ny fiarovan-tena amin’ny sampy  dia ny finoana sy fahatokiana ny Tompo . Ny Tenin’ Andriamanitra no  mitondra finoana ka mitaona antsika hatoky sy hanantena an’ Andriamanitra . Raha sanatria , foana ny finoana sy ny fanantenana ao amintsika dia hirona ho azy hanompo andriamanin-tsy izy isika . Koa hatanjaho ny finoana , mitodiha amin’ny Soratra masina sy ny Tenin’ Andriamanitra hamantaranao ny sitrapon’ Andriamanitra fa fomba iray iarovanao tena amin’ny sampy izany .

Fanontaniana:

Inona no ataonao raha sendra latsaka ao anatin’ny fahotana ianao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 24 Janoary 2017

Vavolombelona mahatoky  ny Tompo

Isaia 46.3-7

Mahatoky sy tsy miova ny Andriamanintsika

1-Manasa antsika hihaino Azy Izy

Asain’ny Tompo mihaino azy ny vahoakany (and3). Ilaina tokoa ny fahaizantsika mihaino Azy . « Isika » , satria enti-milaza ny vahoaka voafidy ny hoe: « taranak’i Jakoba », ka isika fiangonana ankehitriny no tondroina amin’izany . Henoy Izy ! Raha mihaino  ny Tompo isika dia ho tsapantsika fa mahatoky sy tsy miova  amin’ny teniny Izy . Mahatoky , na amin’ny heriny na amin’ny toetrany ny Tompo Andriamanintsika . Matoa isika tsy mahatsapa izany dia isika no manenti-tadiny na manadino  ny teniny .

2-Mahatoky amin’ny famonjeny Izy

Hatramin’ny fahazazana ka mandraka antitra dia tsy miova amin’ ny fitiavany Izy ka mamonjy antsika sy misahirana amintsika. Ny vahoakan’ Andriamanitra  na ny Zanak’Israely mantsy dia heverina ho zaza  tamin’ny andron’ny Patriarka. Ny andron’ny fahatanorany kosa dia fony izy tany anefitra  avy tany Egypta , ary ny fiainany rehetra taty aoriana no fahalehibiazany , ny andro ho avy  rehetra no fahanterany . Tsy miova  amin’ny fitiavany ny Tompo . Tsy tantaran’ny lasa  sy ny fahazazantsika ihany ny famonjeny , fa tsy miova Izy mandra-pahantintsika ary mbola vonona  hisahirana amintsika hatrany Izy . Ny toetrany mahatoky amin’ny famonjeny no nanirahany an’i Jesoa zanany no tonga olona niara-nonina tamintsika mba ho akaikintsika hatrany ka hamonjy  antsika amin’izay manjo antsika .

Fanontaniana:

Inona no ifandraisan’ny hevitra voalaza eto amin’ny hira FFPM 3 and 1? Hazavao sy ifampizarao

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahadin’ny Foibe Arsiva sy Tranombakoka FJKM 2017

 

Vavolombelon’ny fanekena ny Tompo

Alahady 19 Febroary 2017

FANDAHARAMPOTOANA

Fidirana : na Feon-javamaneno  Antoko mpihira

Fiarahabana Apostolika : 1 Tim 1/2b Amena

Fiantsoana ny Anaran’ Andriamanitra  : Salamo 119/11-18

Hira 1.1,4

Vavaka fiderana

Sitrapon’ Andriamanitra : Matio 22.37-39

Sambatra ny mahitsy làlana …

Hira 242 :1,4

Vavaka fifonana : Hira 439 : 2,3

Famelankeloka / 2 Tim 6. 11-12

Sambatra  ny  olona izay voavela ny helony …

Hira 428.4

Fanekempinoana lah 3

Feonjavamaneno na Antoko mpihira

Hafatra avy amin’ny Foibe Arsiva sy Tranombakoka Raharahan’ny fiangonana

Fanatitra (Antoko mpihira)

Fanolorana ny fanatitra :

Hira 443.2

Fankalazana ny Tenin’ Andriamanitra

Hira 6.1

5mn ‘ Sekolin’ny Tenin’ Andriamanitra

Hira 133.1,4

Vavaka sy Soratra masina  

Lev 26 :40-45/ Mat 22 :34-40 / 1 Tim 6.11-16

Hira 176.1,2

Toriteny : (Hira Antoko mpihira)

Vavaka fangatahana +vavaka nampianarin’ny Tompo

Asa vavolombelona

Hira 427.1,2, 3

Tsodrano : 1 Tes 5.23-24

Ho an’ Andriamanitra ny Voninahitra . Amena

 

………………………………….

 

HAFATRA

Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika « 2 Tim 1.8a

Ry Havana ,

 

Faly miarahaba antsika rehetra nahatratra ny Noely 2016 sy ny taona vaovao 2017. Isaorantsika Ilay Andriamanitra Tsitoha , nitantana  sy mivimbina hatrany ny fiainantsika . Vita soamatsara ny Synoda lehibe faha XVIII izay notanterahana  tany Antsirabe . Maneho ny asan’ Andriamanitra velona izay mandray anjara ao anatin’ny tantara  izany ka miantso  sy mifidy ny mpanompony hiara- hiasa aminy .

Tsarovantsika amin’ity taona 2017 ity  koa ny faha- 120 taona nahafatesan’i BENJAMIN ESCANDE  sy i PAUL MINAULT izay nijoro hatramin’ny farany  ho fiarovana   ny fivavahana Protestanta, indrindra koa ny faha- 50 taonan’ny FJKM izay hosokafana  amin’ny volana Aogositra ho avy izao any Antsiranana .

Mahereza àry ry havana miaina , manoratra , manangona ny tantara mba hananantsika fahasahiana hatrany  tsy ho menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika  Ilay tsy miova  omaly sy anio ary ho mandrakizay .

Entanina  ny Mpitandrina sy ny fiangonana mba samy hanao fandrotsahana ny rakitra amin’ ny Alahadin’ny ARSIVA  ho an’ny Foiben’ny Arsiva sy ny Tranombakoka FJKM eto Faravohitra na arotsaka amin’ity kaonty  ity :

BNI Madagascar  kaonty  n° 01 044929 020 0 00 Association FOIBE  FJKM Bibliothèque Archives BP 623 101 Antananarivo . Na apetraka ao amin’ny Foibe SAF/FJKM .

Tolorana fisaorana manokana ireto fiangonana ireto  izay nandrotsaka  ny anjara rakitra ny taona 2015 sy ny taona 2016 . Aza misalasala  mifandray  aminay  raha misy fanamarihana tianareo atao .

Ny Filohan’ny Komity

RAHAJARY R. Tsialoninarivo

Ny Tale

RALISON R. Fara Fanja

Alatsinainy 23 Janoary 2017

Vavolombelona mahatoky ny Tompo

Jaona 5.19-23

Vesarina fiampangana roa i Jesoa  ato  amin’ny Jaona 5, satria  nahasitrana  tamin’ny sabata Izy , manao ny tenany   ho mitovy  amin’ Andriamanitra Izy . Mamaly ny fiampangana Azy i Jesoa amin’ity Mofonaina ity .

Vavolombelona amin’ny tenany i Jesoa

1-Ambarany  fa iray  ihany Izy  sy ny Ray amin’ny asany 

Tsy miteny mivantana izany i Jesoa , kanefa mazava ny tiany holazaina . Izay ataony dia izay hitany  fa ataon’ny Ray ihany . Tsy mamorona asa hafa ivelan’izay  ataon’ny Ray i Jesoa (and19a). Koa  raha manamasina  amin’ny sabata i Jesoa dia tsy hafa  noho ny asan’ Andriamanitra izany . Eo amin’ny  asany  dia iray ihany i Jesoa sy ny Ray   .

2-Ambarany  fa manana andraikitra manokana Izy .

Ny Sal 7 no milaza  fa mpitsara marina ny Ray , ary averin’ny Heb 12,23 izany . Ambaran’i Jesoa eto , fa efa nomen’ny Ray Azy io andraikitra io (and22). Vavolombelona manambara  ny tenany i Jesoa fa mitovy  Izy sy ny Ray. Isika ankehitriny   amin’ny maha- kristiana  antsika  dia aseho sy ambara amintsika  ao amin’ny Soratra masina izany fijoroana ho vavolombelona ataon’i Jesoa Kristy izany . Koa minoa , aza misalasala  ny amin’i Jesoa Zanaky ny Ray . Andriamanitra , tonga  hanome fiainana  ho an’izao tontolo izao , ary isika no mahazo tombony amin’izany , satria Mpamonjy antsika Izy , fa tia ny olombelona rehetra hovonjena (1 Tim 2,3,4).

Fanontaniana:

Misy  fivavahana milaza an’i Jesoa  ho Zanaka ka eo  ambany fahefan’ny Ray . Ahoana , hoy ny Soratra masina ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM