Sabotsy 31 Desambra 2016

ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO

Efesiana :1.1-14

Mendrika hankalazaina Andriamanitra.

Nisaotra an’Andriamanitra ny Apostoly Paoly noho ny fahitany ireo harem-pahasoavana azon’ny
Fiangonana.Ao amin’ny Fiangonana tokoa mantsy no anehoan’Andriamanitra ny voninahiny sy ny fitiavany hamonjy izao tontolo izao.Tombony ho antsika izany satria :

1.Nifidy antsika Izy(and.3-6)

Hatrany amin’ny fanorenana izao tontolo izao no efa voafidy isika sady nohamasinina.Noho ny fitiavany antsika dia natsangany ho zanany isika ary mpiara-mandova an’i Kristy.Raha itodihana ny lasa dia hahatsapa isika fa feno fitahiana iny taona nodiavintsika iny ,na dia nisy aza ny zava-tsarotra nolalovana,satria hafa noho izao tontolo izao isika satria voafidy.

2.Nanavotra antsika Izy (and.7-10)

Andriamanitra dia marina.Raha ny fahotantsika dia tokony ho nihatra tamintsika ny fitsarany sy ny fanamelohany.Kanefa noho ny fitiavany dia natolony ny zanany ho avotra noho ny fahotantsika.Izany no tsy nandringanany antsika ahatrarantsika ny faran’ny taona.

3.Nanome ny Fanahy Masina Izy (and.13-14)

Ny Fanahy Masina no Mpisolovava antsika ka manamarina antsika eo anatrehan’Andriamanitra Ray sady antoka hahazoana ny fiainana mandrakizay.Ny Fanahy Masina no mitarika antsika hibebaka sy hanao ny sitrapony.Izy no mampahery sy mialoha làlana antsika hiatrika ny taona vaovao izay hodiavina indray.Amen !

Fanontaniana :

Inona no tena nanamarika ny fiarahanao tamin’ny Tompo tamin’ity taona ity ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 30 Desambra 2016

ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO

SALAMO 148 ,13-14

SAMIA MIDERA NY ANARAN’I JEHOVAH !

Miantso ny olona rehetra sy ny voahary rehetra ny mpanao Salamo mba hidera an’Andriamanitra. Ny sokajin’olona rehetra no antsoina amin’izany na ny mpanjaka na ny vahoaka,na antitra na tanora.Miantomboka sy miafara amin’ny teny hoe:”Haleloia” izay midika hoe:”Miderà an’I Jehovah” izany baiko sy fiantsoana izany.Nahoana tokoa moa no antsoina hidera an’Andriamanitra isika?

1.Fa ny Anarany ihany no misandratra(and.13)

Ny Anaran’Andriamanitra dia milaza ny maha izy Azy.Izany no tsy tokony hanononana foana ny Anarany.Na dia misy aza ireo olona izay lazaina fa olona malaza sy “manam-boninahitra” eto amin’izao tontolo izao dia tsinontsinona akory izany,ary tsy azo ampitahaina amin’Andriamanitra velively,na toy inona na toy inona fahamboniana sy toerana misy Azy.An’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra ety an-tany sy any an-danitra.

2.Manandratra tandroka ho an’ny olony Izy(and.14)

Izy no mampitraka sy mampahery ny olony eo anatrehan’ny ady sarotra sy ny fahavalo.Izy no miaro ny olony.Izy no tompon’ny hery sy ny fahefana rehetra na ny any an-danitra,na ny ety an-tany.Na dia nisy aza ireo ady natrehana nandritra iny taona nodiavintsika iny dia tsaroana fa teo mandrakariva Izy,ka nampitraka sy nampandresy antsika.Fa voasoratra hoe:”Kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika”(Rom.8.37)

Fanontaniana:

Isaky ny fotoana inona moa no midera ny Tompo ianao?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 29 Desambra 2016

ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO

JAONA 12.2-26

Ny tena fitsimbinana ny aina

« Tonga ny fotoana hankalazana ny zanak’olona », hoy i Jesoa (and23). Ny ora hiatrehany ny fijaliana sy ny fahafatesana no tiany hambara amin’izany . Tsy maintsy hiatrika izany izy mba hankalazana Azy. Izany no ilazany hoe : « izay tia ny ainy no mahavery izany , fa izay mankahala ny ainy no hiaro izany (and25). Inona no hevitr’izany ?

1-Izay tia ny ainy no mahavery izany

Ny hoe : « tia ny ainy » dia mampiseho olona tia tena , tia izao fiainana izao mihoatra ny fitiavany ny Tompo . Hazavain’i Jesoa fa ny aina dia tahaka ny voambary ka raha tehirizina fotiny ao dia ho simba no hiafarany . Ary na dia amin’ny fiainana andavanandro aza dia tsapa fa ny olona tsy mbamety miasa no mora marary. Toy izany koa ny fiainam-panahy, rehefa tsy mahafoy tena amin’ny fanaovana ny asan’ny Tompo dia maty ny finoana.

2-Izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao no hiaro izany

Ny hoe : « mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao » dia izay nanao ny ainy tsy ho zavatra ka mahafoy tena sy fananana amin’ny fanompoana ny Tompo . Toy ny voambary latsaka amin’ny tany ka maty , nefa avy eo dia mitsiry ka mahavokatra be. Toy izany ny fahafoizana ny aina amin’ny asan’ny Tompo. Ny mpanompo toy izany no hiara-manamboninahitra amin’i Jesoa , fa tsy foana ny fikelezany aina ao amin’ny Tompo (1 Ko 15.58b)

Fanontaniana :

Efa mba nahatsiaro niaritra ny mafy ve ianao noho ny fanarahana ny Tompo ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 28 Desambra 2016

Ankalazana ny Tompo ny asan’ny mino

Isaia 7.10-16

Te-hamerina ny vahoakany ny Tompo

Efa nanomboka tsy natoky an’i Jehovah intsony ny mpanjaka Ahaza . Ny masaka tao an-dohany dia ny hitady izay hifampiraharahana amin’ireo fahavalo, dia ny Asyriana fa tsy ny hanamafy ny fahatokiana ny Tompo . Izany no maha-zava-doza ny tsy finoana izay mahatonga ny olona hifampiraharaha sy hifanao veloma amin’i satana. Na izany aza anefa , mbola miala nenina ny Tompo ka te-hamerina ny olona amin’ny fatokiana Azy indray .
1-Maniraka ny Mpaminany Izy
Ny Mpaminany no solotenan’ Andriamanitra hanambara ny hafany mba hampahery ny mpanjaka sy ny vahoaka . Nambaran’ny mpaminany fa tsy misy tokony hatahorana ny amin’ireo fahavalo. Nasainy nangataka famantarana ny mpanjaka , izany hoe : hifampiresaka amin’i Jehovah mivantana mba hahitany fa i Jehovah dia mbola mitana ny fanekeny . Ny Fiangonana no mpaminanin’ Andriamanitra ankehitriny . Adidiny ny mitondra ny hafatra avy amin’ Andriamanitra ho an’ny mpitondra fanjakana sy ny vahoaka mba hibebaka sy hanatona ny Tompo izy .
2-Maniraka ny zanany Izy
Tsy nanaiky izay nampanaovin’ny mpaminany azy ny mpanjaka. Ka dia i Jehovah mihitsy no hanome famantarana ho azy dia ny zaza ho teraka , ilay antsoina hoe : « Imanoela » , izay midika fa amintsika Andriamanitra . Ilay Andriamanitra mahery indrindra . Aoka hatoky Azy isika .

Fanontaniana :

Raha Andriamanitra no momba antsika , iza no hahatohitra antsika ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

 

Talata 27 Desambra 2016

Ankalazana ny Tompo ny asan’ny mino

Ezra 6.13-18

Ny nahavitana ny Tempoly sy ny nitokanana azy

Rehefa tafaverina avy tany am-pahababoana ,tany Babylona ny Jiosy dia niezaka hanorina indray ny tempoly.Ny nahavitana ny tempoly sy ny nitokanana izany no tantaraina eto.

1-Iza avy ireo mpiara-miasa tamin’Andriamanitra ?

Tao ny mpitondra fanjakana : i Dariosa mpanjaka izay namoaka didy hanohizana ny fanaovana ny tempoly (and 12) , ireo loholona nanohy ny fanaovana ny taotrano (and14), ny Mpaminany Hagay sy Zakaria nampahery tamin’ny alalan’ny Tenin’ Andriamanitra (and14)fa Andriamanitra kosa no anton’ny fahombiazana amin’izay rehetra natao .Hitantsika araka izany fa ny fiaraha-mientan’ny rehetra eo ambany fitahian’ Andriamanitra no antoky ny fahavitana ny asany . Fampianarana ho antsika izany .

2-Ahoana ny fomba nitokanana ny Tempoly ?

Ny rehetra nody avy any am-pahababoana no niara-nitokana izany .Afaka naneho ny hafaliany ny rehetra na dia mbola sahirana ara-pivelomana aza ny mponina.Notendrena ny Levita sy ny Mpisorona hitarika ny fanompoampivavahana.Hitantsika araka izany fafifaliana lehibe ho an’ny olona rehetra tokoa izany hoe :mahavita ny tranon’ Andriamanitra izany.Ilàna fiomanana koa ny fandrindrana ny fanompoampivavahana amin’ny tànan-dehibe toy izany . Aoka hisy olona efa voaomana hiandraikitra ny fanompoampivavahana tahaka ireo Levita sy ny Mpisorona (and18).

Fanontaniana :

Inona no anjara biriky entinao hanaovana ny tranon’ Andriamanitra ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

6.

Alatsinainy 26 Desambra 2016

Ankalazana ny Tompo ny asan’ny mino

1 Tantara 29.10-20

Ny vavaky ny mpanompon’ Andriamanitra

Naniry i Davida mpanjaka  hanao  ny Tempoly , saingy tsy tanteraka izany . Efa voavory kosa ny hoenti-manana hamitana ny asa. Faly i Davida ka nisaotra an’i Jehovah teo anatrehan’ny olona. Toy izao ny vontoatin’ny vavaka:

1-Fisaorana sy fankalazana(and10-13)

Fatratra ny fanehoan’i Davida ny fahalehibiazan’ Andriamanitra sy ny fitaomany ny olona rehetra mba hankalaza an’ Andriamanitra (and20). Aoka tsy hatao antsirambina na fahazarana  fa tena omen-danja manokana  ny toeran’ny fankalazana sy ny fiderana an’ Andriamanitra rehefa mivavaka na manao fanompoampivavahana .

2-Fanetrantena eo anatrehany (and14-17)

Tena niezaka nanao izay tratry ny ainy tokoa i Davida tamin’ny fanangonana ny vola sy ny ho enti-manana hanaovana ny tempoly (and2), ary ny olona koa samy  nazoto nanao an-tsitrapo . Tsy nirehareha tamin’izany anefa izy fa nanetry tena teo anatrehan’ny Tompo ka hoy izy :« Fa zinona moa aho , ary zinona moa ny mpiray firenena amiko … »(and14-17). Fanetrentena toy izany koa no nampianarin’i Jesoa antsika (Mat6).

3-Fangatahana ho an’ny hafa (and18-19)

Matetika isika rehefa mangataka no tsy manana fijery lavitra fa ny momba  antsika ihany . I Davida kosa dia nivavaka ho an’ireo vahoaka izay vory teo(and18) sy ho an’i Solomona zanany mbamin’ny asa fanorenana ny tempoly.

Fanontaniana:

Inona amin’ireo vontoantim-bavak’i Davida ireo no tokony hianaranao manokana?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 25 Desambra 2016

Ankalazana ny Tompo ny asan ‘ny mino

Matio 2.1-12

Ny Magy sy i Heroda , samy te-hahita an’i Jesoa .

Karazana olona roa samy liana te-hahita , rehefa nandre fa teraka i Jesoa . Samt manana ny tanjony anefa izy ireo .

1-Ny Magy :

Ny Magy dia olon-kendry sy manan-kaja, manam-pahaizana momba ny fandinihana ny eny amin’ny lanitra sy ny kintana . Nitady hahita an’i Jesoa ny Magy mba hiankohoka eo anatrehany sy hanome voninahitra Azy . Ary dia nanomana fitehirizan-drakitra , ka nitondra zavatra sarobidy dia volamena sy zava-manitra ary miora. Ireo no natolony rehefa tafiditra tao an-trano izy ka nahita an’i Jesoa (and11). Amin’izao fankalazana ny nahaterahan’i Jesoa izao, raha ekentsika fa Izy tokoa no Mpanjakantsika , dia aoka hanaja Azy tokoa isika, sady hanolotra izay fanomezana sarobidy indrindra avy amintsika ho Azy. Ambonin’izany rehetra izany , atolory ho Azy ny fontsika .

2-Heroda(and3,7)

I Heroda mpanjaka kosa raha nandre izany dia nangorohoro satria .  . Nitady an’i Jesoa tokoa izy , saingy ny hamono Azy no teti-dratsy tao am-pony (Mat 2.13). Maroaro ny karazana olona toa an’i Heroda: mangorohoro sy matahotra raha vao mandre ny Anaran’i Jesoa satria manelingelina ny tombotsoany manokana ny fahatongavany , hany ka tadiaviny izay fomba rehetra hanoherana ny Filazantsara , fa vitsy te-hiala amin’ny fahotany izy .

Fanontaniana:

Inona kosa no mba zava-tsarobidy natolotrao ho an’i Jesoa androany ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 24 Desambra 2016

Ankalazana ny Tompo ny asan’ny mino

2 Tesaloniana 1.11-12

Vavaky ny Apostoly ho an’ny mpino

Tsy hadinon’ny Apostoly Paoly ny nivavaka ho an’ireo nanoratany . Toy izao ny fangatahany ho an’ny fiangonana.

1-Mba ho mendrika ny fiantsoana ianareo (and11)

Ambarany fa mbola ao anatin’ny fiaretana ny fiangonana ary ny fahavalo dia mbola hanao ny ataony ihany (and4). Mampanantena kosa izy fa ho avy indray i Kristy ka tsy maintsy hofaizina mafy ireo mpanenjika , ary ny fiangonana kosa omeny fitsaharany . Ny olona mendrika ny fiantsoana dia izay mahajoro tsara sy mahavita  ny asan’ny finoana rehetra nadia eo aza ireo fanenjehana sy sakantsakana . Ho avy ny Tompo hitondra fiadanana ho anao sy ho antsika .

2-Mba hankalazana eo aùinareo ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompo (and12)

Ny fifandraisana eo amin’ny Tompo sy ny mpananar-dia Azy dia mandray roa :ny Tompo eo aminy , ary izy ao amin’ny Tompo . Koa ny fiaretana  fahoriana rehetra dia iarahana  amin’ny Tompo , ny fandresena koa diaa iaraha-manam-bobinahitra Aminy , araka ny voasoratra hoe: »…raha miara-miaritra Aminy isika mba hiaramanam-boninahitra aminy kosa » (Rom8.17b). Ny fahafahantsika miaritra fahoriana dia mampiseho fa manana an’i Jesoa Kristy izay miara-mitondra amintsika isika ary dia ankalazaina eo amintsika nyAnarany . Ny Tompo anie  hampahery antsika ka hanakalazaina eo amintsikan ny Anaran’i Jesoa Tompo .

Fanontaniana:

Inona no fahoriana iaretanao noho ny fanarahanao ny Tompo ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

 

Zoma 23 Desambra 2016

ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY TOMPO

Jeremia 9.22-23

Ny  olona ankasitrahan’ny Tompo

i Jeremia dia tena tia  ny fireneny . Tsy nitsahatra nananatra ny olona mba hiverina amin’ny Tompo izy . Nambarany fa izany ihany no hialan’ny firenena amin’ny fahavoazana  . Eto amin’ity ampahan’ny toriteniny ity  no ilazany  fa ny olona tena hendry dia:

1-Tsy miantehitra amin’ny zavatra mora levona (and22)

« Aoka ny hendry tsy hirehareha amin’ny fahendreny … ». Tena fahadalana ny manankina ny fiainana sy  mirehareha amin’ny hery na ny  fahendren’olombelona na ny harena . Kanefa dia ireo no imatimatesan’ny maro ka hanadinoainy an’ Andriamanitra . Ny hery  sy ny fahatanjahana dia mbola ho lefy , ny harena dia mety levona, ny fahendren’olombelona dia tsy mahavonjy . Na ny aina aza manam-petra . I Jesoa dia nilaza hoe: »Aza mihary harena ho anareo ety an-tany , izay misy kalalao sy haarefesina manimba… »(Mat6.19)

2-Izay mahalala ny Tompo (and23)

Mety hisy olona efa zatra ny fombafomba fanao amin’ny fiangonana , kanefa tsy tena mahalala an’ Andriamanitra akory . Ny fahalalana ny Tompo dia midika fahatsapana ny fitiavana sy ny fahamarinany ka mampihatra izany sy manao ny sitrapony eo amin’ny fiainany . « Izay manao hoe: fantatro Izy kanefa tsy mitandrina ny didiny  dia : mpandainga , ary ny marina tsy ao anatiny (1 Jaona2.3) .

Fanontanian

Alakamisy 22 Desambra 2016

ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO

1 Petera 4.10-11

Fifampitondran’ny samy mpino

Mampahery ny kristiana ny mpanoratra eto mba haharitra amin’ny fahoriana, hahay miara-miatrika ny fiainana araka izay azon’ny rehetra ifanampiana . Ka toy izao no fanatanterahana izany :

1-Mampiasa ny fanomezam-pahasoavana nomen’ny Tompo (and10)

ny fanomezam-pahasoavana avy ny tsirairay . Avy amin’ Andriamanitra avokoa ireny ka tsy natao hanasoavana ny tena ihany , fa indrindra indrindra ho fanampiana ny hafa . Harena lehibe ho an’ny fiangonana ny fahaiza-mitrandraka ny fanomezam-pahasoavana ananan’ny isambatan’olona. Mifameno izy ireny ka mahasoa ny rehetra raha ifampizarana sy ifanompoana .

2-Manome voninahitra an’ Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra (and11)

Na amin’ny fampiasana ny fanomezam-pahasoavana na amin’ny asa rehetra atao , na inona na inona dia ampianarina isika mba hanao izany amin’ny fo manontolo ; ary manao izany toy ny ho an’ny Tompo . Tokony ho toy izany  mandrakariva  no toe-tsaina ho entina  manompo ao amin’ny fiangonana , eny fa na ao an-tokantrano sy any amin’ny fiaraha-monina aza.Tiy izany koa ain’ny fiteny (and11), tokony ho teny mitondra fampaherezana hatrany no ho ren’ny olona  avy aminn’y vavantsika . Tsarovy fa i Jesoa dia tsy mikendry afa-tsy ny hankalazana ny Ray  tamin’izay rehetra nataony .

Fanontaniana:

Inona no fanomezam-pahasoavana mampiavaka aanao amin’ny hafa?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM