Alarobia 30 Novambra 2016

ANKASITRAHAN’NY TOMPO NY ASAN’NY  MINO

ISAIA  62.10-12

Teny fampanantenana  milaza  famonjena  ho   an’ny  mponin’i Jerosalema  ity  teny  novakintsika  ity   , dia teny   manambara   :

1-Fiantsoana  fanafahana

Antso   ho an’ireo   vahoaka   voasesitany   ka lasa  babo   tany  Babylona  izany  : antso  mitory   fanafahana   ho azy ireo  , mitaona  azy mba hivoaka  ny tanàna  , hanokatra  ny làlana  mody  , hanamboatra làlana  mody, hanamboatra   làlana mitovy  tantana  ka esorina  avokoa  izay rehetra  mbola misakatsakana tsy  hahatanteraka ny  fahafahana . Ny tanjona  dia ny hahatonga    azy ireo  hitoetra  amin’ny fiadanana  sy fifaliana  , satria   tsy foin’ Andriamanitra  ny olony   . Na dia mandalo  fahoriana  aza dia   tsy  maintsy   hovonjeny   sy hafahany   izy . Miantso    antsika  mba handray   ny fiainam-panafahana ny Tompo .

 2-Fiantsoana ho amin’ny famonjena

Andriamanitra  mihitsy   no manome  baiko    milaza  fa ho avy  ny faminjena  ny Zanak’ Israely  .Hanorina  fianam-piadanana  sy fandriampahalemana  ao Jerosalema Izy . Andriamanitra  , ilay   mamaly   ny olona araka   ny asany , ka hanome valisoa ho azy ireo no milaza  ka tsy maintsy  tanteraka   izany . Andriamanitra  dia mitondra  ny olona  ho amin’ny famonjena  mandrakizay  ka mamerina  indray  ny fiantsoana  azy ireo ho vahoaka masina , ilay tiany   sady   tsy  foiny   . Tsarovy   fa fiainam- pamonjena  no sitrak’ Andriamanitra  ho anao.

Fanontaniana:

Iza no heverinao  fa afaka  mitondra fanafahana  anao  amin’ny fiainana ankehitriny ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 29 Novambra 2016

ANKASITRAHAN’NY TOMPO NY ASAN’NY MINO

LIOKA 19.11-28

Fanoharana manazava  ny fandraisana  andraikitry   ny  mpino   nomen’ Andriamanitra  fanomezam-pahasoavana  no teny  voalahatra   ho antsika androany .

1-Manome  andraikitra  ny Tompo

Toy ny nataon’ity andriandahy  ity tamin’ireo  mpanompony , ny Tompo   dia  manome fanomezam-pahasoavana samihafa   ho antsika  mpanompony , araka  izay maha-isika  antsika  mba hampiasaina sy hampitomboina hanitarana  ny fanjakany . Mila  miasa  araka izany isika  eo amin’ny sehatra rehetra  nametrahany antsika . Fantaro  àry ny fanomezam-pahasoavana nomeny anao . Inona  no asa  fanompoana efa nizoranao ho fampandrosoana ny fiangonana sy ny fitoriana  ny Filazantsara ? Miandry   anao ny Tompo . Tanteraho  ny fanompoanao .

2-Mamaly  fitia  araka  ny asa  vita  ny Tompo

Mbola  hiverina  ny Tompo ka  hamaly   antsika  araka ny asa  nataontsika . Ireo   niasa  araka  ny fanomezam-pahasoavana  nomena  azy  dia  handray  valimpitia   tena  miavaka   ho  mpiara-miasa mahatoky  ao amin’ny fanhakany . Ireo nandevina  talenta  kosa  dia hiharan’ny fitsarana  ho famaizana , ho fahaverezana .

Aza manjehy   ny andro   lava  ianao ka  miasà . Ampiasao ny talenta  nomen’ny Tompo anao . Ny  fikasan’ny Tompo dia ny hanome anao ny fiainana  , eny  ny tena fiainana ao Aminy .

Fanontaniana:

Fantatrao  ve  ny fanomezam-pahasoavana nomena  anao ? Ampiasainao  ve izany ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

 

Herinandron’ ny AUMONERIE FJKM 2016

    

« Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika » II Tim. 1 :8a


-Fampiratiana ny Asan’ny Aumônerie sy ireo sehatra asa ao aminy

Fonja, Foloalindahy, Anjorombala, Hopitaly, Toby Marary hoditra, Kolejy Teolojika, Oniversity, Sekoly ….

 Talata 06 Desambra – Zoma 9 Desambra 2016

  Efitrano malalaka -201, Foibe FJKM

-Fanokafana arahina famelabelaran-kevitra:

  Talata 06 Desambra amin’ny 10 ora maraina

“Fa noana Aho dia nomenareo hanina, nangetaheta Aho dia nampisotroinareo,nivahiny Aho dia nampiantranoinareo ; tsy nanan-kitafy Aho dia notafianareo ;narary Aho dia notsaboinareo ; tao an-tranomaizina Aho dia novangianareo.”Mat.25 :33-36

Alatsinainy 28 Novambra 2016

ANKASITRAHAN’ NY TOMPO NY ASAN’NY MINO

ASA 9 .36-43

Ny mpanompo  mahatoky

1-Tsaroan’ny olona  mandrakariva

Niavaka   tamin’ny toe-panahy   nananany   i Tabita  . Nivelona  tamin’ny fitiavana sy ny finoana  an’ Andriamanitra  izy ka  naneho   izany tamin’ny alalan’ny asa  sy fiantrana  ho fampandrosoana  ny hafa . Tafapaka  tamin’ireo nifanerasera taminy izany . Tsaroany  fa hafa  ny tena  olon’ny finoana . Koa  raha nidona  tamin’i Tabita   ny fahafatesany   dia tsy  hadinon’ireto  notolorany   fahasoavana  izany  fa nasehony , nolazainy tamin’i Petera . Tsarovy  fa ny  asan’ny fitiavana sy ny finoana  nataonao  tafapaka  amin’ny hafa  dia hotsarovana  mandrakizay .

2-Mitarika  finoana  ho an’ny hafa

Hitan’i Petera  fa latsaka tao anatin’ny fahakiviana  sy ny famoizampo   ireto olona   nifanerasera  tamin’i Tabita  ireto . Niasa  nitarika   azy ireo  ho amin’ny finoana  izy , nitaona  ny olona   mba hametraka  ny fiainana  amin’ Andriamanitra . Natsangany  tamin’ny maty  i Tabita   mba ho velona   ny finoan’ireto  olona manodidina  azy  . Nasehony fa misy Andriamanitra , afaka mamaha  ny olana amin’ny fotoana  rehetra . Tratra  ny tanjona : nitombo   ny isan’ny mpino tao Jopa . Ao amin’ Andriamanitra  no vahaolana  , noho  izany  afaka  mametraka  ny fiainana  Aminy  ny olona .

Fanontaniana :

Mitondra inona  eo  amin’ny fiainan’ny olona  manodidina  anao  ny fijoroanao nho kristiana ao amin’ny fiaraha-monina ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

 

Alahady 27 Novambra 2016

ANKASITRAHAN’NY TOMPO NY ASAN’NY TOMPO

KOLOSIANA 3.22-25

Ny mpino   manao   asa tsara

Mitaona  ny mpino  mba hiaina  marina  araka ny Tenin’ Andriamanitra  i Paoly   . Amin’ny  zavatra rehetra  dia tokony haseho   ny toetra  mendrika mah-kristiana .

1-Mahita  ny atao rehetra ny Tompo

Ny toe-po  manaiky   sy mankato   no tena  tian’ny Tompo   hananan’ny mpanompo  raha  manatanteraka asa  izy ireo  . Tsy  amin’ny fisehoana ety ivelany ihany fa tena  avy ao am-po   ka hihevitra  ny atao rehetra  ho toy   ny an’ny Tompo . Rehefa  fantatsika  fa mahita  ny ataontsika  rehetra  ny Tompo  dia miasa   amin’ny tahotra hatrany isika,tsy mijery  olona  eo am-panatanterahana asa fa mihevitra  ny Tompo,manao  ho zava-dehibe  ny andraikitra  atolotra  antsika  ka mikajy   fatratra  izany  noho  ny amin’i jesoa Tompontsika isika.

2-Mandray  valimpitia avy amin’ny Tompo

Hovalian’ Andriamanitra araka   ny asa anataony   , na  ny fanatanterahana  ny andraikitra nomena  azy  ny tsirairay . Fiaainana mandrakizay   no lova  tsara  ho ‘nny mahatoky tamin’ny fanompoana . Fahavezerana mandrakizay kosa no anjaran’izay   manao antsirambina ny asany . Tarihana  araka izany isika mba  hanao asa tsara  mba handray ny lova  nampanantenain’ Andriamanitra  ho an’ny olony marina .

Fanontaniana:

Tsapanao ve fa  amin’ny ataonao rehetra  dia toy ny manao asa ho an’ny Tompo  ianao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 27 Novambra 2016

ANKASITRAHAN’NY TOMPO  NY ASAN’NY MINO

Alahady  27 Novambra 2016

Ny mpino   manao  asa tsara

Mitaona  ny mpino    mba hiaina   marina  araka ny Tenin’ Andriamanitra   i Paoly . Amin’ny  zavatra  rehetra  dia tokony haseho   ny toetra  mendrika  maha-kristiana .

1- Mahita   ny atao rehetra ny Tompo 

Ny toe-po manaiky   sy mankato   no tena tian’ny Tompo  hananana’ny mpanompo  raha  manatanteraka  asa izy  ireo . Tsy amin’ny fisehoana   ety ivelany  ihany   fa tena  avy ao   am-po  ka hihevitra   ny atao rehetra   ho toy  ny an’ny Tompo . Rehefa fantantsika  fa mahita   ny ataontsika  rehetra   ny Tompo dia miasa   amin’ny tahotra  hatrany   isika , tsy mijery  olona   eo am-panatanterahana  asa  fa mihevitra  ny Tompo . Manao  ho zava-dehibe  ny andraikitra atolotra   antsika ka mikajy   fatratra  izany  noho  ny amin’i Jesoa  Tompontsika isika .

2-Mandray  valimpitia  avy aminn’y Tompo  

Hovalian’ Andriamanitra  araka   ny asa nataony  na ny fanatanterahana  ny andraikitra nomena azy   ny tsirairay   . Fiainana mandrakizay    no lova  tsara  ho an’ny mahatoky    tamin’ny fanompoana  . Fahaverezana  mandrakizay  kosa no anjaran’izay  nanao antsirambina  ny asany . Tarihina  araka izany isika  mba hanao asa tsara  , handray   ny lova  nampanantenain’ Andriamanitta  ho an’ny olony marina .

Fanontaniana:

Tsapanao  ve fa  amin’ny ataonao rehetra  dia toy  ny manao   asa ho an’ny Tompo ianao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 26 Novambra 2016

ANKASITRAHAN’NY TOMPO NY ASAN’NY MINO

MATIO  5.21-24

Ny olona  manana  fo madio 

1-Afaka  amin’ny fahatezerana

Tsy  ny  mamono olona   mivantana  ihany no helohin’Andriamanitra  . Ny fahatezerana  mikendry   valifaty  na fanakahalana  ny hafa , fitenenan-dratsy  , fanaovana tsinotsinona ny hafa dia endriky   ny famonoana   ankolaka  olona iray . Rehefa miaina   amin’ny fo   madio   tia fihavanana  isika  dia afaka   mandresy  izany karazana   famonoana olona rehetra izany . Tsarovy  fa ny olona  miaina  marina  ny Tenin’ Andriamanitra  no manana  fo madio    hahaizana mitia   ny namana  . Ampanjakao  eo  amin’ny fiainanao ny Tompo .

2- Afaka   amin’ny famonoana ny tena 

Tsy ankasitrahan’ Andriamanitra   ny fanateram-panatitra   ataon’ny olona   tsy mahay   mitia    ny namany   , indrindra fa ny mpino efa manana   sy mahalala ny Tenin’ Andriamanitra . Rehefa tsy  mety miana   amin’ny fifankatiavana  sy ny fihavanana , araka izany  ny  mpino    dia very maina   ny fivavahana ataony  . Tsy afa-pahotana  izy  ka    mitoetra amin’ny fahafatesana  sy ny fahaverezana  hatrany   . Mazava  ny fampianaran’i Jesoa Kristy   (jereo   and 24). Rehefa  manana fo madio tia fihavanana  isika   dia mahay   manetry  tena , manatona  ny olona  ary  miezaka  mitady  fihavanana  amin’ny olona rehetra .

Fanontaniana:

Fomba  ahoana   no tokony  hatao   mba hanamafisana  ny fifankatiavana  sy ny  fihavanan’ny mpino ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 25 Novambra 2016

ANKASITRAHAN’NY TOMPO NY ASAN’NY MINO

JOBA 42.7-10

Ny olona  mahazo   sitraka  amin’ny Tompo

Famaranan-teny   mitantara  ny naneken’i Joba  ny fitondran’ Andriamanitra  sy ny fanambinana azony ity perikopa ity .

1-Afaka   mifona  ho an’ny hafa izy

Miteny  eto Andriamanitra  ka  manome  hafatra  lehibe  ho an’ireto  sakaizan’i Joba  ireto , sakaizany  izay  nilaza   fa noho   ny fahotan’i Joba  no nahatonga   ny loza  nihatra  taminy . Ambaran’ Andriamanitra  fa izy   irzeo no  nanota  , niteny  zavatra  tsy tokony  hotenenina  . Noho  izany   dia mila   mifona  , miverina Aminy . Asehon’ Andriamanitra  amin’izy ireo   fa olo-marina i Joba , ka izy   no afaka  hifona  ho an’ireto  namany  mba handraisan’izy ireo  famindrampo.

2-Ampitoerin’ Andriamanitra amin’ny fiadanany izy

« Mpanompoko  « : izany   no anarana  iantsoan’ Andriamanitra  an’i Joba , ilay olona  miorina tamin’ny fahamarinana  tao Aminy ka nankasitrahany . Na dia  nandalo   fitsapana  mahamay aza  , tsy nivadika  fa naneho    hatrany ny finoany . Taorian’ny fitsapana  dia nivoaka  ho mpandresy  izy  ka nampiterin’ Andriamanitra   tamin’ny   fiainam-piadanana . Mampahery   ny mpino   izany  fa manana   ny tsara indrindra  omena  antsika  hatrany   ny Tompo   na toa inona na toy inona  olana  tsy maintsy   sedraina   eo  amin’ny fiainana  . Miorena  tsara  , aza miova .

Fanontaniana:

Afaka mandresy   ny fizahan-toetra  ve ianao ? Nahoana ? Inona  no torohevitra  omenao  izay mandalo izany ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

 

Tolotrasa MPAMILY (Chauffeur – mécanicien)

TOLOTR’ASA

1-Asa ho tanterahana.

” MPAMILY sady MAHAY MANAMBOATRA FIARAKODIA” (Chauffeur-Mécanicien)

 

2-Toy izao ny momba izany :

-Lehilahy latsaky ny 50 taona

-Mpandray ny fanasan’ny Tompo FJKM.

-Manana fahazahoan-dàlana mamily fiara: sokajy B,C,D.

-Mahay ny fikojana momba ny fiara

-Tsara fitondran-tena,salama tsara,  tsy mandray zava-mahadomelina.

-Manana  traikefa  amin’ny fitondrana  fiara amin’ny lalan-davitra sy saro-dàlana

-Miasa amin’ny fotoana rehetra amin’ny filana Mpamily.

 

3-Ireo  taratasy  ilaina :

-Taratasy fanolorana  avy amin’ny Mpitandrina .

-Fanamarinam-ponenana

-Dikasoratra nohamarinina momba ny fahazoana mitondra fiara

– Sary tapaka  iray(1) 4×4

-Taratasy fangatahana asa .

Vonona avy hatrany handray ny asa

Ny taratasy rehetra dia aterina ao amin’ny Foibe FJKM efitra faha 206   hatramin’ny  faha 25 Novambra 2016.

 

Ny SEKRETERA JENERALY

RADIMISAON Jonah, Mpitandrina

 

 

 

 

 

 

TOLOTRASA IRAKIRAKA (COURSIER )

TOLOTR’ASA

1-Asa ho tanterahana.

” IRAKIRAKA”  (COURSIER)

2-Toy izao ny momba izany :

-Lehilahy latsaky ny 40 taona

-Mpandray ny fanasan’ny Tompo FJKM.

– Manana fahazahoan-dàlana mitondra moto.

-Tsara fitondrantena,salama tsara,  tsy mandray zava-mahadomelina.

-Manana  traikefa  amin’ny fitondrana  moto

-Miasa amin’ny fotoana rehetra amin’ny filana irakiraka.

-Nahavita ny kilasy taona faha 9.

3-Ireo  taratasy  ilaina :

-Taratasy fanolorana  avy amin’ny Mpitandrina .

-Fanamarinam-ponenana.

-Dikasoratra nohamarinina momba ny fahazoana mitondra moto.

-Dikasoratra nohamarinina momba ny maripahaizana .

– Sary tapaka  iray (1) 4×4.

-Taratasy fangatahan’asa .

Vonona avy hatrany handray ny asa.

Ny taratasy rehetra dia aterina ao amin’ny Foibe FJKM efitra faha 206   hatramin’ny faha 15  volana Desambra  2016.

 

Ny Tonia DMV

ANDRY  Nirina  Velosoa