Alatsinainy 31 Oktobra 2916

MAHATOKY AMIN’NY ASANY NY MINO

Apokalypsy 2.8-11

 

Mijoroa ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana

Mamarana   ity volana  ity isika , izay hibanjinantsika  ny hoe: « mahatoky  amin’ny asany  ny mino » . Izao no baiko: « mijoroa ho mahatoky  » . Hatraiza ny fetra amin’izany ?Hoy ny Tompo : « Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao dia omeko anao ny satroboninahitra fiainana » (and10) . Ahoana izany ?

1-Mahatoky  hatramin’ny  fara fofonaina

Hoy i Jesoa : « izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena » (Mat 24.13) . Tsy  mihemotra  amin’ny finoana  sy ny fanompoana  Azy  no dikan’izany . Tsy hoe: fony tanora  , nafana fo niditra katekomena , dia voaray ho mpandray ny Fanasan’ny Tompo , nefa avy eo  tsy hita intsony ao am-piangonana . Fa mandra-pahantitra  , na dia  ela tokoa aza izany .

2-Mahatoky hatramin’ny fahafozana ny aina

Tena resaka  maritiora  toa an-dRasalama  no ambara  amin’izany . Ary io   no tena resahina  eto amin’ity taratasy  ho an’ny fiangonana tao Smyrna ity . Tsy afenin’i Jesoa  fa tena  hisy ny fahoriana  sy ny fanenjehana , saingy voafetra izany (hafoloana ihany ) . Koa  miaritra isika , tsy mivadika  amin’i Jesoa . Ny olana  sy ny fahasarotana dia hisy hatrany , ka tsy izany  akory no hampitsoaka antsika .

3-Mahatoky hatramin’ny  fahazoana satroboninahitra

Any no tanjona : « omeko anao ny satroboninahitra fiainana », hoy i Jesoa . Izany hoe: tsy hosimban’ny fahafatesana faharoa ianao . Ho voavonjy ianao . Banjino izany dia mijoroa  ho mahatoky ianao .

Fanontaniana :

Tena  vonona  marina  ho any an-danitra ve ianao ?

Birao Sekoly  Alahady FOIBE FJKM

Alahady 30 Oktobra 2016

MAHATOKY AMIN’NY ASANY NY MINO

1 SAMOELA 2.35-36

Mijoroa ho mahatoky araka  ny sitrapon’ Andriamanitra

Lehilahin’ Andriamanitra iray no   nitondra ity teny ity  ho an’i Ely teo  anoloan’ny ratsy nataon’ny zanany , izay nahatezitra  an’ Andriamanitra . Fahamarinana  lehibe roa  no ampianarina  antsika  eto:

1-Mila  olona tena  mahatoky Andriamanitra

Izany hoe: « tena mahatoky »   izany  hoy ny Tompo  dia izay hanao  araka  ny ato ampoko sy ato an-tsaiko  , dia araka   ilay tononkirantsika  manao hoe:

« Aoka  ny foko  sy ny fonao ,

hiara-mitempo  tena iray

aoka ny saiko sy ny sainao

hiray safidy mandrakizay

(Hira FFPM 480.3)

ka  tsy hoe hiraina  fotsiny izany  fa iainana  marina  tokoa .

2-Tsy maintsy  hiharan-doza  izay  tsy  mahatoky

Loza  roa no ambara eto:

a ) Fanonganana  amin’ny ankehitriny .

I Ely no voan’izany eto .Ny tenin’ny Tompo  hoe: »Izaho hanangana mpisorona  mahatoky ho Ahy » dia midika hoe: haongako ianao . Tanteraka tokoa izany ka indro i Samoela  nandimby azy , ary  taty  aoriana , i Zadoka  , saingy   efa fambara  sahady  an’i Jesoa  , Ilay Mpisoronabe lehibe koa izany (Heb 5.14)

b) Fahavoazan’ny taranaka  amin’ny ho avy 

Ho fadiranovana  ny taranany  , ho mpangataka (and36). Ampy  hisainantsika  lalina izany : lova  inona  no havelako  ho an’ny atranakao ? Sao  loza  . Noho izany, aoka ho mahatoky  !

Fanontaniana:

Mahatoky   araka ny sitrapon’ Andriamanitra  ve aho ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

 

Sabotsy 29 Oktobra 2016

MAHATOKY AMIN’NY ASANY NY MINO

Lioka 16.9-13

Mijoroa ho mahatoky   eo amin’ny fitantanan-karena

Ahoana  moa izany hoe: mahatoky amin’ny fitantanan-karena izany ?

1-Mahatoky amin’ny kely (and 10) 

Hoy i Jesoa : « izay mahatoky  amin’ny kely  indrindra  dia mahatoky koa amin’ny be »(and10a), izany hoe: ny olona tsy marina  amin’ny fitantanana  iray  alina ariary , ahoana no hitokisanao  azy hitantana iray hetsy ariary? Ho anao koa : inona  no kely ankinin’ny Tompo  aminao izao ? Manao  ahoana  ny fitantananao azy?

2-Mahatoky amin’ny mamôna tsy marina (and11)

Ny hoe: « mamôna tsy marina » dia ilazana  ny haren’izao tontolo izao mandalo . Dia hoy i Jesoa : »Koa  raha tsy  mahatoky amin’ny mamôna tsy marina ianareo , iza no hatoky  anareo amin’ny tena harena? (and 11). Raha  ny haren’ny tany  aza , tsy marina  ianao  mitantana azy , mendrika  ho any an-danitra  izay misy   ny tena harena  ve ianao? Eritrereto izany , satria  hay  misy fiantraikany any an-danitra  io fomba  fitantananao ny harenanao io .

3-Mahatoky  amin’izay an’olona (and12)

Ny hevitry  ny teny  eto dia izao : raha fananan’olona  mbola  misy mpanara-maso  aza tsy hainao   ny mitantana azy    , iza   no hatoky    fa raha  homena  harena  anao manokana  ianao , tsy  ho lanilaninao foana  izany ? Paorofoy  fa mahatoky  ianao  amin’ny fananana  anaovanao tatitra  amin’ny lehibenao  , dia azo itokisana  ianao  raha  hanana  ny anaoa manokana .

Fanontaniana:

Diniho ireo lafiny 3 amin’y fampianaran’i Jesoa  ireo , inona   ny lesoka tokony  hareninao  eo amin’ny fitantananao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahadin’ny SAMPATI 2016 .

ANKASITRAHAN’NY TOMPO NY ASAN’NY MINO.

Alahady 20 Novambra 2016.

Fandaharana iombonana.

 1- Feon-javamaneno

2-Hira  ataon’ny SAMPATI

3-Fiarahabana Apostolika : Ho aminareo  anie ny fahasoavana sy ny fiadanana  avy amin’ Andriamanitra Ray  sy Jesoa Kristy Tompontsika » Amena (Gal 1.3)

4-Fiderana  sy fisaorana  an’ Andriamanitra

Sal 111

Hira FFPM 24  » ny lanitra  ambony ao »

Vavaka  fiderana  sy fisaorana  an’ Andriamanitra

5- Fanambarana ny sitrapon’ Andriamanitra : Isaia 29.15; Sal 147.11

Sambatra ny mahitsy làlana …

Hira 308.4  ( FFPM)

6- Fiaiken-keloka

7-vavaka fifonana

Hira FF 16.1 « Tsy vitam-po onena »

8-Famelan-keloka : Nom 14.18;Efe2.10

9-Fanambaram-pinoana (Lah 3)

10-Raharaham-piangonana

11-Rakitra ( Hira ataon’ny SAMPATI sy ny Antoko mpihira )

12-Fankalazana  ny Tenin’ Andriamanitra

Hira 809.1

5mn Sekoly Alahady

Hira 823.1,2

Vakiteny : Joba 42.7-10/ Mar 14.3-9 / Fil 4.15-23

Hira 226

Toriteny

Vavaka fangatahana :-Fiangonana FJKM

                                   -SAMPATI

                                   -Firenena

13-Asa vavolombelona

14- Famaranana :

Hira 338

Tsodrano : 1 Tes 5.23-24

Hira 347

Fandalinam-pinoana

Ny mpitondratena, ny kamboty, ny vahiny

Ireo anjorom-bala sy eny an-tsisiny

     Misy sokajin’olona sasany lazain’ny Baiboly noho ny tontolom-pahoriana mandava-taona sy maharitra misy azy ireny “ fa malahelo dia eo aminareo mandrakariva” (Mar 14:7). Tokony ho arovana manokana izy ireny. Izay kendren’ny Baiboly amin’izany dia tsy ny fangoraham-po miredareda na fiarovana fanampiana amin’ny isan-doha fotsiny, fa Lalàna mikendry ny endriky ny fiarovana atao ho mahomby sy azo antoka ho azy ireny. Vonton’io lalàna io – mazava ho azy – ny vanim-potoana sy ny tontolom-piainana nanoratana ireo didy aman-dalàna sy fepetra lazain’ny Baiboly, izany hoe: mifanaraka ireo malahelo ireo ireny fepetra ireny. Hoy ny Deotoronomia momba izany: “Raha mijinja ny varinao any an-tsaha ianao ka misy amboara  hadinonao any dia aza miverina haka azy, fa aoka ho an’ny vahiny sy  ny kamboty ary ny mpitondratena izany” ( Deot 24: 19). “Ary izay maniry amin’ny sabatan’ny tany no hanina ho anao sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao sy ny mpikarama sy ny vahiny eo aminao…” atao didy aman-dalàna na ny testamenta ny fepetra momba ireo vokatra mandritra ny taon-jobily = taon-tsabata ( Levit 25:6). Ary  aza manao fitsarana miangatra amin’ny vahiny sy ny kamboty; ary aza maka ny fitafian’ny mpitondratena ho “tsatoka” (Deot 24:17). (Tsatoka  = fanekena handoa amboniny raha tsy voaloa amin’ny fotoanany ny vola tsy maintsy haloa, na omena atao antoka amin’ny vola tokony haloa;  ho very maina io raha diso ny fetr’andro tokony handoavana ilay vola)

Tsy isalasalana, fa tsy handaitra ary tsy hahomby velively ireo fepetra sy didy aman-dalàna ireo nampiharina sy niainana 3000 taona lasa izay raha ampiharina  ara-bakiteny eto amin’ny vanim-potoana, vaninandro sy sivilizasiona misy antsika ankehitriny. Velom-panontaniana isika noho izany manao hoe: “Iza moa ireo malahelo mila fiarovana? Endri-piarovana manao ahoana no hahomby sy handaitra?

Ho lava tokoa ny fitanisana ireo olona mila fiarovana manokana ireo raha mba manao lalindalina isika. Ho tafiditra ao anatin’izy ireny ny marary, ny antitra, ny misara-panambadiana, ny kilemaina sy ny sembana, ny tsy an’asa, ny vahiny, ny mpitsoa-ponenana, ny sesitany.  Ankoatra ireo, dia misy ireo  sokajin’olona  avakavahana noho ny volon-koditra, na ara-pivavahana, ara-tsoasialy; ao ihany koa ireo faritany sasany  iharan-doza matetika amin’ny rivo-doza, tondra-drano, hai-tany,sns.

Mazava ho azy ary tsy ilàna hevi-teny, fa ny fampiharana ara-bakiteny ireo didy aman-dalàna lazain’ny Baiboly, dia tsy hanala ny fahavoazana ary tsy hahomby. Na dia ilaina ary tsy sakanana aza  ny fiantrana atao amin’ny tsirairay na amin’ny isam-batana, dia tsy ho ampy mihitsy: vonjy taitra ary miserana ireny, fa tsy ho fiarovana maharitra ho an’ny malemy sy malahelo izay eo aminareo mandrakariva. Fa raha  ny fanahy sy ny zava-kendren’ny teksta biblika kosa no takarina sy hanongilan-tsofina ny famakiana sy ny fihainoana azy, dia velona sy mitsofoka ao amin’ny tantara tokoa ny Tenin’Andriamanitra.

Koa tsy maintsy ekena ny handika sy ny hamadika izany fanahy  sy zava-kendren’ny teksta bibilka izany – dia ny fiarovana ny malemy sy ny malahelo eo amin’ny zava-misy sy ny vaninandro moderina – fariparitana amin’ny hoe: ara-toe-karena, ara-tsosialy  ary indrindra ara-pôlitika, ny asa fikarohana maro ataon’ny manam-pahaizana, fa “tsy maintsy” ialina ny fanavaozana takian’ny zava-misin’ny vaninandro ankehitriny, ny fitsinjarana “indray” ny harena isan-karazany ny zava-tsoan’ny tany, indrindra ny fahefana sy ny fitondrana. Tsy ny hanao adi-hevitra ny amin’izay fepetra  pratika mety ho raisina momba izany anefa kendreko amin’ity lahatsoratra ity, fa ny mampiseho  fotsiny, fa tamin’ny alalan’ny Lalàna no nanaovana azy ireny manerana ny Testamenta Taloha, izany hoe,misy refiny fanerena eo amin’ny fampiharana azy ireny.

Raha mandrara ny tompony tsy hanangona ny salohim-bary raraka amin’ny tany ny Deotoronomia, dia mandroso tolo-dalàna politika toy ny nataon’ny Filan-kevitra ekiomenikan’ny Fiangonana eran-tany (COE: Conseil oecuménique des Eglises) tamin’ny fotoan’androny nampirisika ny Kristiana hampitsahatra ny fanohanana sy ny fampitaovana ny Repoblikan’i Afrika Atsimo. Fa manisy fetra mivaingana ny Deotoronomia eo amin’ny zo fananan-javatra.

Andriamampita Jean, Mpitandrina.

 

Zoma 28 Oktobra 2016

MAHATOKY AMIN’NY ASANY NY MINO

JEREMIA 42.1-12

Mijoroa  ho mahatoky , tena mahatoky

Tantara  fatratra  ity tantara ity  ary toetra mahatoky 3 sosona no indray aseho antsika eto :

1-Jehovah , vavolombelona mahatoky (and5)

Ny Tompo   no ohatra  fanaperana  ny amin’ny toetra  mahatoky . Vavolombelona  tsy  hamadika  ny teny natao Izy . Ary hitantsika  amin’ny fahafenoany ao amin’i Jesoa  Kristy izany , araka  ny nampahatsiahivan’i Paoly ao amin’ny 2 Kor 1.19

2-Jeremia , mpaminany mahatoky (and4,7-12)

Niangaviana  izy hivavaka (and 2) . Dia nanaiky tokoa izy (and 4). Ary nataony  tokoa izany . Dia tonga  ny valim-bavaka (and7), ary  dia nampanantsoiny ireo  nangataka taminy hivavaka  mba handre  ny valiny (and7-12). Izany   ka lehilahy   mahatoky , manaiky dia manatanteraka  hatramin’ny farany izay nampanantenainy hatao. Ary ianao mba ahoana?

3-Ireo  nangataka  , vahoaka  mahatoky (and 1-3, 5-6)

Vahoaka  mahatoky   , mangetaheta te-hahalala ny làlana  mety  halehany  sy izay  zavatra tokony hataony (and3) ireo ary sahy nianiana  fa hanatanteraka  izay tenin’ny Tompo eo . Izany  koa no takiana amintsika fiangonana . Teny azo  eritreretina  hatao  fanao   ho setrin’ny toriteny  rehetra io and 5-6a io : » Jehovah  no aoka  ho vavolombelona  marina  sy mahatoky amintsika ,raha  tsy manao araka  ny  teny rehetra izay anirahan’i Jehovah  Andriamanitrao anao aminay izahay. Na ho soa  na ho ratsy dia hohenoinay ny feon’i Jehovah Andriamanitray »

Fanontaniana:

Nahoana  no misy  mihaino toriteny nefa  tsy miova fiaina?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahadin’ny SAFIF 2016 / Fandaharana Iombonana

Alahady 23 Oktobra 2016

(Litorjia   III)

Feon’orgue

1-Fiarahabana  Apostolika (IIJao 3)

2-Fiderana  an’ Andriamanitra

Salamo 145.1-4

Hira 10 Fih Fif

Vavaka (mipetraka)

3-Tenin’ Andriamanitra

-Tenin’ Andriamanitra  ho an’ny tanora sy ankizy

-Hira 210.1-5 (FFPM)

-Vavaka fangatahana ny Fanahy masina

-Vakiteny:

2 Tant 34.1-7

Lioka 7.1-10

Tit 2.-6-10

Hira 70 Fih Fif

TORITENY

4-Vavaka  setrin’ny Tenin’ Andriamanitra  sy  fifonana

Hira 403 FFPM

5-Famelankeloka

Isa 54.7-8/ Rom 5.8

sambatra ny olona izay voavela ny helony …

Hira 324 Fih Fif

6-Fanekempinoana faha-3

7-Raharaham-piangonana

8-Rakitra : hira Antoko mpihira (STK,SAFIF…)

Fanolorana  : Hira 283.4 (FFPM)

9-ASA  SY FAMPAHEREZANA

10-Famaranana :

Hira 360.1-2  (Fih Fif)

Tsodrano : Nom 6.24-26

Hira 360.2 ( Fih Fif )

TRINITE MASINA

………………………………………………………………………………………………………

 

HAFATRA ALAHADIN’NY SAFIF 2016

Ry  havana malala  ao amin’ny Tompo ,

Miarahaba  ny Mpitandrina  sy ny Fiangonana  ary isika  mpikambana  ato amin’ny Sampana Fifohazana FJKM rehetra  miara-mivavaka amin’izao Alahadin’ny SAFIF izao . Tsiahivina  fa antony telo lehibe no raketin’izao fotoana izao :

-Fampahafantarana  bebe kokoa ny momba  ny sampana : ny fiainany  sy ny asany

-Fitrotroana  amam-bavaka ireo tomponandraikitra  isan’ambaratonga sy ny asan’ny sampana  ary ny fiainana

-Fanohanana  azy  ahafahany manatanteraka  ny andraikitra nampanaovin’ny Tompo

Sarobidy  loatra  ny teny faneva  izay nomen’ny Tompo  ny sampana Fifohazana  hijoroany ho vavolombelona  ao anatin’ny Taom-piasana 2015-2019. « Fa fahasoavana  no namonjena  anareo amin’ny finoana  » Efe 2.8a. Izany teny izany  no hiainana  eo ambanin’ny fitarihan’ny Fanahy masina  ka  hahatonga  antsika  hanatanteraka  amin-joto ny fanompoana  tandrify ny tsirairay avy , nefa tena iantsoana antsika  koa hiara-mientana  sy hiomana  amin’ireto fandaharam-potoana ireto

-2016 : Fiofanan’ny Ray aman-drenin’ny Toby sy ny Birao isan’ ambaratonga

-2017: Fihaonamben’ny seham-pitaizana (antoko mpihira SAFIF…)

-2018 : Fihaonamben’ny Sampana Fifohazana FJKM

-2019 : Fiofanan’ny Mpiandry (Recyclage)

Ankoatra ireo   dia aza  adinoina fa mbola  hiara- miezaka isika  amin’ny fanohizana  ny asa  eny amin’ny Kolejy Teolojika Ivato.

Misaotra sy mankasitraka  antsika  ny fiombonana aina sy ny fifanohanana

Ho amin’ny  fanahinareo  anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo . Fil 4.23

Ny Filohan’ny SAFIF FOIBE

RAKOTONDRAMANANA Arijaona , Mpitandrina

Ny Tonia

ROBSON RADO Lalaina Johary , Mpitandrina

SP 11 / Famoahana Mpianatra SEFALA 2016

FANASANA

« Mandehana ianareo dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra … »

Ny  Sekoly Fanomanana Laika  ( SEFALA ) eto amin’ny Synodamparitany Antananarivo Atsimo  dia hamoaka ireo Mpianatra nahavita ny fianarana ho :

 

MPITORITENY SY KATEKISTA

SABOTSY 29 Oktobra 2016 , 9 ora 30

ao amin’ny FJKM SOANIERANA .

 

Koa manasa antsika mpianakavin’ny finoana hanome Voninahitra an’ Andriamanitra  amin’ny alalan’ny Fanompoampivavahana  sy  hitondra amam-bavaka  mba hahavitan’izy ireo  ny anjara fanompoana niantsoan’ny Tompo, ho mpanompo tsy mahazo henatra , hizara tsara ny teny fahasoavana .

Tongava maro , ento am-bavaka ny fotoana .

Hafatry ny Mpiandraikitra Foibe

(MF01/SLXVIII)19–26 Oktobra 2016 – CFD Ampandrana

« Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika »(II Tim.1/8a) Ry havana,

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo.

Ny Filoha sy ny Mpiandraikitra Foibe FJKM, izay nanatanteraka ny fivoriany ara-potoana voalohany tao amin’ny CFD Ampandrana, Antananarivo tamin’ny 19-26 Oktobra 2016, dia mandefa amintsika izao dinidinika sy hafatra izao:

1-Voafidy sy natolotra tamin’izao fivoriana izao ireo tomponandraikitra ao amin’ny ambaratonga Mpanatanteraka FJKM, dia

Ny Sekretera Jeneraly: Andriamatoa RADIMISAON Andriamasinjara Jonah, mpitandrina

Ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana: Atoa RAKOTONINDRAINY Jaona, mpitandrina

Ny Tonian’ny Departemantan’ny Sekoly: Rtoa RAKOTONDRANAIVO Andriasolotiana Domoina

Ny Tonian’ny Departemanta ‘ny Mpiasa sy Vola : Ramatoa ANDRY NIRINA Velosoa

Napetraka ho amin’ny andraikiny amin’ny fomban’ny Fiangonana ny Mpiandraikitra Foibe miaraka amin’ireo Filoha sy Birao ary Mpikambana ao amin’ny FIFAFI FOIBE sy FIFAMPI FOIBE. Aoka hahatsiaro azy ireo amin’ny vavaka mandrakariva isika Fiangonana.

2 – Tonga nitsidika antsika ireo solontenan’ny Vondrom-piangonana ao amin’ny Filankevitra eran-tany momba ny Ekiomenisma (COE) sy Fiangonana Presbyteriana any Etazonia (PCUSA). Asaina isika hitsidika ao amin’ny tranokalam-pifandraisana hahafantarantsika izay rehetra momba azy ireo.

3 – Nohamafisina tamin’izao fivoriana izao fa lavin’ny Fiangonana ny “homosexualité”, ny framasao, ary ampirisihina ny famakiana bantsilana ny ady amin’ny kolikoly.

4 – Horaisintsika FJKM ho adidy ny hamontosana Filazantsara ny Nosy Madagasikara eo am-pamakivakiana izao fotoam-piasana diavintsika izao, araka ny baikon’i Jesoa Kristy Tompo hoe: “Mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra”(Marka 16/15). Koa ny Fiangonana tsirairay avy dia hanao ho laharam-pahamehana ny fanaovana Tafika Masina isam-bolana manomboka ny volana Febroary 2017.

5 – Ampirisihina isika Kristiana FJKM hiezaka ao anatin’ny firaisan-kina sy ny fiombonana mba hanatanteraka ny fanapahan-kevitry ny SLXVIII araka ireo VINA natolotry ny Filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara : “ Tsy ho menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika” amin’ny teny sy ny asa rehetra. Hisy ny tombanezaka ara-potoana hatrany mba hamantarana ireo ezaka vita sy ny fivoarana kendrena.

Eto am-pamaranana dia halefa ho any amin’ny isan’ambaratonga ireo fanapahan-kevitra natao tamin’izao fivoriana izao mba hahazoan’ny isan-tsokajiny avy izay tandrify sy sahaza azy.

Dia manao veloma finaritra ho anareo rehetra ao amin’ny Tompo Jesoa ary maniry indrindra ny hahatrarantsika ny Krismasy 2016 sy Taona vaovao 2017.

“Ary ny Tompon’ny fiadanana anie hanome anareo Fiadanana amin’ny zavatra rehetra.” ( II Tes: 3/16)

Ho aminareo anie ny Tompo.

 

Antananarivo, faha-26 Oktobra 2016

 

Amin’ny anaran’ny Mpiandraikitra Foibe

Ny Filoha

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

SEFALA FOIBE/ Daty famoahana Mpianatra 2016

 
« Ataovy mpianatra ny firenena rehetra » (Mat,28:19)

SYNODAMPARITANY     DATY TOERANA HANAOVANA NY FAMOAHANA
SP M.Moramanga 24 08-09-10 Jan
SP M. M. SOAVINAND 29 09 – 10 Jan Soavinandriana
SP ARIVONIMAMO V.13 30 Janoary
SP TOLIARA.F33 27-28 Febr Toliary
SP A I M. AMBOSITRA06 07 May 2016 Marosoa
SP SOFIA ANDREFANA30 19 Jona 2016 Ankerika
SP MEVARANO MIRAY 20 5-10 Jolay Befotaka Nord
SP F V. ANTSIRANANA 09-10 Jolay Ledama Ambilobe
SP ANDRONA A M. M 09 14-17 Jolay Mandritsara
SP BEMARAHA 21 31 Jolay 2016 Ankasakasa Tsibirahy
SP MIRAY F. ANTONGIL 10 Aog 2016 Mananara
SP KRISTY FIH. AV. ATSIN 16 17 Sept à 16h Sambava
SP AMBATONDRAZAKA V.05 20-22 Sept Andilanatoby
SP MATSIATRASOA 25 24 Sept Fankalazana ny faha 20 taona
SP AFOVOANY ATSIN V.02 23-25 Sept Vavatenina
SP MIARINARIVO FAHAZ 27 24 Sept 2016 Ampefy Ifanja
SP TSIROANOMANDIDY34 24 Sept 2016 Ambohimarina Fiombonana
SP V. AMPITANDRANO37 Sept 2016 Canada
SP MAEVATSARA 20 28 Sept Mahazoma
SP VONIZONGO VAVOL35 07-08 Okt Fihaonana
SP TOAMASINA V. FIL.31 08 Okt Toamasina
SP BOINA VAOVAO17 09 Okt Antongomena Bevary Mitsinjo
SP AFOVOANY ANDREF01 11,12,13  Okt Imeritsiafindra
SP ATSINANAN’ANKAR.FAH.38 13 -14 Okt FJKM Antampotanàna Ambatolampy
SP ANTANAN. ATSIN12 14 – 15 Okt Antsahamanitra
SP MANANARA FIRAIS22 19-20 Okt Mangamila
SP ANTANAN. ATSIMO 11 29 Okt Soanierana
SP AMBALAVAO TSIENIM 04 30 Okt Betela
SP ANTANAN. ANDREF 10 01 Nov Antsahamanitra
SP ATSIMON’IAR. MIRAY15 3-5 Nov Zoara Famonjena Mandrosoa
SP IARIVO AVARADR 19 05 Nov FJKM Ambatofotsy
SP ATSIMO ATSIN 14 9-13 Nov Manakara
SP AMBOVOMBE A K. RA. 07 10-13 Nov Ampamakiambato Fort Dauphin
SP ALAOTRA CHROME 03 12 Nov Amparafaravola
SP FAHAZAVAN’ATS.ANDRE36 13 Nov Ambatolahy
SP K. F. TOAMASINA ATSIMO32 19 Nov Vatomandry
SPANDREF’ATSIM’A.M.08
SP MANANJARY PANG 23