Zavatra fito handanjana ny mpitondra

Ifandrombahana mihitsy izany haka toerana ho Mpitondra izany. Ao no mihazakazaka noho ny antony maro : tombontsoa mankany ivelany, manapa-kevitra fa tsy hanapahan-kevitra, karama ambony, voninahitra azo, fifandraisana amin’ny olona ambony eo an-toerana sy any ivelany, fialana amin’ny toerana iray tsy dia metimety loatra, fampiharana izay fahalalana norantovina, sns.

Ireto misy zavatra fito (7) tadiavina amin’ny olona ifidianana izay ho Mpitondra.

Antsoin’i F.BABRON et N. MOREAU hoe « Heptagramme » ity zavatra fito ity. Tsy zavatra vao hotefena sy hananana akory ireo, fa efa ao aminy sy efa vonona raha vao mandray ny toerana mpitondra. Amin’ny maha « heptagramme » azy, dia ireto zavatra fito ireto no handanjana na handrefesana ny olona iray raha afaka mitondra izy.

VINA

Mpitarika manana Sary mazava momba ny hoavin’ny Toeram-piasana no ilaina. Miainga avy amin’ny ankehitriny izay ahitana sary ratsy izy, dia miantefa any amin’ny hoavy izay hanomezany sary tsara. Aza miditra ho Mpitarika rehefa tsy fantatra hoe ho aiza ny hitondrana ny Toeram-piasana.

ROHY

Mpitarika mitazona ny firaisankina sy ny fifampitokisana no ilaina. Tsy mendrika ho Mpitarika izay mandrava ireo zavatra ireo. Tsy azony atao sorona ireo noho ny fitiavan-tenany manokana.

FITSIPIKA

Mpitarika manana metôda fitondrana ny zavatra ataony no ilaina. Mety efa voalazan’ny Fitsipika mifehy ny Toeram-piasana ireny, ary hajainy fatratra sy itarihany ny olona entiny mba hanaja koa izany. Io fanajana sy fampanajana ny Fitsipika io no mitazona ny Toeram-piasana hijoro sy hifanaja hatrany.

FAHALALANA

Mpitarika manana fahalalana no ilaina. Voafehiny tsara izany, ary itokisan’ny olona azy. Ny Fitarihana dia mitaky olona manana fahalalana momba ny fitondrana olona. Hainy ny manome lanja izay fahaizan’ny olona, mba hahasoa sy hampivoatra ny Toeram-piasana iombonana.

SERASERA

Mpitarika mahay serasera no ilaina. Mahay fifanarahana anaty ady varotra fahita amin’ny fitondrana olona izy. Fifanarahana hatrany sy mitohy moa no iainana anaty Toeram-piasana, ka tsy azo odian-tsy hita izany.

HEVITRA

Mpitarika mahay mamorona sy mikaroka no ilaina.Tsy miandry izay atolotry ny mpiara-miasa izy, fa manana hatolotra ho an’ny Toeram-piasana. Manana hevitra misokatra amin’ireo famoronana sy fikarohana ireo koa izy, ho tombontsoan’ny rehetra.

HETSIKA

Mpitarika voabaikon’ny tanjona no ilaina. Ny Vina napetraka teo aloha no manetsika azy hiasa sy hanao zavatra hanatrarana io. Olona zatra eny an-kianja izy, fa tsy mihiboka anaty birao sy anateram-baovao akory. Hainy tsara ny mamolaka ireny vaovao azony ireny, mba ho tombontsoan’ny Toeram-piasana.

MIZANA

Ireo zavatra fito ireo, dia andrasana fatratra amin’izay maniry ho Mpitondra, sady itsikerain’ny olona azy koa raha tsy ananany. Refesina na lanjaina amin’ireo zavatra fito ireo izay mihazakazaka na atosika hitondra. Manana ireo ve ilay olona te hitondra na atosika hitondra ? Izany hoe, tsy kisendrasendra akory no hahatongavana eo amin’ny fitondrana, fa efa niomanana, efa nanefena ny tena.

Diniho ny firenena mbamin’ny Orinasa ary hatramin’ny Fiangonana, fa rehefa olona tsy manana ireo zavatra fito ireo no mitondra azy, dia tsy mandroso mihitsy. Efa lasa ny fotoana niheverana fa zo ny maha Mpitondra, satria taranaka Mpitondra. Efa nilaozana koa ny fiheverana fa tsy ianarana izany mitondra izany fa hay ho azy eny. Ary efa dila ela ihany koa ny kinamanamana rehefa hametraka mpitondra. Izay mahafeno ireo zavatra fito ireo no tsara mitondra, hoy ireto mpikaroka roa ireto. Ary fitiavana ny Toeram-piasana sy ny tombontsoany no hitondrana azy, na tsy hitondrana azy satria tsy ananana ireo zavatra fito ireo. Izay mahitsy (honnête) dia mahalala ny fatrany sy ny fetrany, ary izay manetry tena dia mahay manda izay tsy tandrify azy.

A. Zaka, Mpitandrina

Mpiara-miasa mifandimby toerana

MPIARA-MIASA MIFANDIMBY TOERANA

Mandinika ny maha mpiara-miasa amin’ny Tompo ny mpino ny FJKM mandritra izao volana Jolay izao. Ny tsirairay dia tena mpiara-miasa Aminy avokoa. Ny tsirairay anefa dia tsy mitovy avokoa araka ny andraikiny sy ny toerany. Ireto misy sokajy vitsivitsy mampiseho izany.

HISOTRO RONONO

Ny olona andalana hisotro ronono dia matetika mihevitra fa mahay tsara ny asany. Anjaran’ny mpitondra ny mandray azy ho harena ho an’ny toeram-piasana. Mety ho latsaka amin’ny tsy fanaovana na inona na inona intsony anefa izy, satria ny fanomanana ny fisotroan-drononony ny lehibe kokoa aminy. Hihasarotra kokoa izany, raha ilay mpitondra voalohany io handeha hisotro ronono io. Ho vato misakana ny fandrosoan’ny toeram-piasana mihitsy izy raha tsy mitandrina, ary hanilika hatrany izay tazany fa handimby azy. Raisiny ho fanonganana na tsy fitiavana azy hatrany mantsy izany izy hanefa hisotro ronono izany.

Nandalo izany toetra tsy manaiky hosoloina izany i Saoly mpanjaka, rehefa nisandratra teo amin’ny vahoaka ny zava-bitan’i Davida. Nisy ny fitapitaka hanapotehana an’i Davida, ary hatramin’ny fifofoana ny ain’i Davida mihitsy no nokotrehiny tamin’ny fomba rehetra.

Hafa noho izany indray anefa ny fanomanan’i Mosesy an’i Josoa, rehefa fantany mazava tamin’ny Tompo fa hiditra amin’ny dingana vaovao ny firenena israelita. Hatreo Jordana ny anjara fitondrany, dia natolony an’i Josoa indray ny fitarihana ny firenena israelita. Tsy niandry azy ho pahina sy kely hery (Deo 34 :7) akory ny Tompo vao nanomana olona hisolo azy. Tsy nidongian’i Mosesy koa ny tsy maintsy hitarika ny Zanak’Israely honina tany Kanana, fa nitsodrano an’i Josoa azy ho fanekena ny sitrapon’ny Tompo (Deo 34 :9). Laza tsara ho an’i Mosesy mandraka ankehitriny io fanekeny ny sitrapon’ny Tompo io, raha tantara ratsy nipetraka ho an’i Saoly kosa.

TANORA MISONDROTRA

Ny tanora misondrotra dia mahay mampiseho ny fahavononany sy ny fahaizany hitondra zava-baovao ao amin’ny toeram-piasana. Olona mahatoky mandrakariva izy ireo, manana jery lavitra sady tsy mionona amin’izay efa hay. Mahita sary lavitra sy mazava (Vina) ho an’ny toeram-piasana izy, ary mahatakatra ny lalana hahatongavana amin’izany.

Tandremana indrindra anefa fa tsy fitia te haka toerana toy ny ataon’ny IZNOGOOD io. Olona ratsy toetra, tsy mahay ary lozabe io, nefa misisika hisongona ny mpitondra. « T e ho mpitondra eo amin’ny toeran’ny mpitondra » : izay fotsiny no mibaiko ny ataony rehetra, ka misaina ny zava-dratsy rehetra mety hahazoana ny toerana (ody, fanonganana, halatra, lainga, fitaka atao amin’ny namana). Ry Adonia sy Absaloma, izay samy zanak’i Davida dia anisan’ireo Iznogood izay nanongana azy tsy ho mpanjaka. Ry Myriama anabavin’i Mosesy dia tratran’izany toetran’i Iznogood izany koa, noho ny fialonana an’i Mosesy.

Davida, na dia efa tsara toerana handray ny fitondrana aza, satria efa voahosotr’i Samoela ho mpanjaka, efa nahazo ny fankasitrahan’ny vahoakan’i Joda, ary nankatoavin’ny vahoakan’i Israely koa, dia niandry hatrany ny sitrapon’ny Tompo izy. Tsy mpanongam-panjakana mihitsy i Davida, ary tsy nitady izay hahafaty velively an’i Saoly mpanjaka koa, na dia efa azony natao aza izany (I Sam 24 :5-8)

FIFANDIMBIASANA

Tsy azo idifian’iza na iza ary ny fifandimbiasan-toerana. Taranaka roa samy hafa no mifandimby toerana, fa tsy olona mitovitovy taona akory : zanak’i Saoly i Davida, ary mpanompon’i Mosesy hatramin’ny fahazazany i Josoa nandimby azy. Ny fifandimbiasan-toerana dia mitaky zavatra vaovao sy fijery vaovao : hilaozana ny fanjakana mihidy faha Saoly, fa hisokatra sy ho lehibe izany faha Davida ; hilaozana ny fiainana tany an’efitra faha Mosesy, fa hidirana ny vanim-potoana hitoerana any Kanana faha Josoa.

Ny fifandimbiasan-toerana koa dia mitaky fahaiza-mifanome tanana sy mifampitsodrano. Asan’ny Tompo no nataon’ny niala sy hotohizan’ny manohy : ho traikefa ho an’ny mpandimby ny olona nodimbiasany ; ary ho mpanohy izay vitan’ny nodimbiasana ny mpandimby azy.

Ny iray namboly ho fanombohana, ny iray nandena ho fanohizana, fa samy asan’ny Tompo avokoa ireo (I Kor 3 :6). Samy mahay mipetraka amin’izay nilan’ny Tompo azy ny tsirairay, ary samy niasa araka ny vanim-potoany.

A.Zaka, Mpitandrina

Mianara mivavaka mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra

« Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany : raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika , dia mihaino antsika Izy , ary raha fantantsika fa mihaino antsika Izy na inona na inona no angatahantsika dia fantantsika fa azontsika izay angatahantsika aminy ».1 JAONA 5.14-15

Samy te- hahazo valim-bavaka avokoa isika . Lazain’ny Baiboly anefa fa misy fepetra izany . Iray amin’ireny ity hitantsika eto ity .

1-Inona àry no dikan’izany hoe : mivavaka mifanaraka amin’ny sitrapon’ Andriamanitra izany ?

Ny dikany dia izao : rehefa mivavaka isika dia tsy ny hanery an’ Andriamanitra hiova hevitra hanaraka ny sitrapontsika no tokony hibahana ao amintsika , fa ny hanatanteraka ny sitrapony rahateo , izay ivononantsika hoekena amim-pifaliana !

Tsy hoe efa manana hevitra masaka mialoha aho , dia iny no asaiko tanterahan’ny Tompo . Tsia ! fa izaho no miandry ny tiany ary mivonona hanaiky sy hanaraka izany . Ary koa : zavatra azontsika antoka fa tsy mifanohitra amin’izay tsara sy ankasitrahana ary marina (Rom 12.2) no angatahina . Fa raha efa fantatrao izao fa tsy araka ny marina , tsy ilaina hangatahina . Ohatra :toy ilay mpianatra nivavaka hoe : Jesoa ô ! ovay mba ho i Paris no renivohitr’i Maorisy .

2-Inona no vokany ?

Mihaino ny Tompo fa tsy manampin-tsofina amin’ny vavaka ataontsika dia manome izay angatahantsika . Azo antoka tanteraka izany , hoy i Jaona ! Izany no fahasahiana ananantsika , hoy Izy . Matokia àry !

IAA , Mpitandrina

Alakamisy 01 Septambra 2016

MANAMBARA NY ASAN’NY TOMPO NY MINO

Alakamisy 01 Septambra 2016

JAONA 1.6-15
Ny fanambarana andrasana amin’ny kristiana

I Jaona Mpanao Batisa no manao fanambarana ny asan’ny Tompo eto izao . Tsy nanasongadina ny tenany izy fa ny Tompo . I Jesoa Kristy no nasandrany ambony dia ambony , amin’ny maha-Andriamanitra feno sy olona feno Azy .

1-Mitarika ny olona rehetra hino izy (and7)

Milaza fitarihan-dàlana sy fitaomana ny olona rehetra ny hafatra nentin’i Jaona mpanao batisa . Ny Filazantsara dia mametraka tari-dàlana ho an’ny mino mba hiorenan’ny finoany marina amin’ny Tompo ka hovonjena izy . Ny mino dia handeha amin’ny mazava ho zanaky ny mazava ka hankato ny teny .

2- Maneho ny Voninahitry ny Tompo izy (and14)

Noho ny herin’ny Fanahy masina dia « tonga nofo » ny Teny , ilay nahariana ny zavatra rehetra . Rehefa niara-nonina tamintsika Izy dia niseho ny Voninahitra maha- Andriamanitra avo indrindra Azy . Niharihary tamin’ny asam-pamonjena nataony izany ary vitany hatramin’ny nanolotra ny ainy mihitsy . I Jaona mpanao batisa dia nanetry tena teo anatrehan’ny Tompo satria iraka ihany . Iraka toy izany isika ka hahay maneho ny Voninahitry ny Tompo eo amin’ny fiainantsika isanandro .

Fanontaniana :

Manao ahoana ny fanambarana ny Tompo efa nataontsika ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

2016/08/01

Miara-miasa amin’ny finoana ny mino