Alarobia 20 Jolay 2016
MATIO 14.15-21
« Omeonareo hanina izy »
Nangataka tamin’i Jesoa ny mpianatra ny mba handravana ny olona amin’izay mba hitady hanina . Tsy manana fahafahana hamahana ireo vahoaka ireo ny mpianatra . Baiko no nasetrin’i Jesoa izany : « omeonareo hanina izy »
Mampandray andraikitra ny mpianany ny Tompo
Vitany samirery ny mamahana ireo vahoaka ireo , fa tiany hiara-miasa Aminy ny mpianatra , ka amin’ny alalan’ny fandraisan’ny mpianatra andraikitra no hanehoany ny fanomezany hanina ny vahoakany . Kely tokoa ny teo am-pelatànan’ny mpianatra fa izay nokendren’i Jesoa indrindra tamin’izany ny hampianatra ny mpianatra fa azo atao ny manome ny olona noana hohaniny raha adidy nomen’i Jesoa azy izany . Adidintsika ny mamahana ny olona ka manome azy ny hanina ilainy .
Miantoka ny hanina ilain’ny vahoaka ny Tompo
Tian’ i Jesoa ho hitan’ny mpianatra fa afaka manao fahagagana toy izany koa Izy . Na dia amin’ny androntsika ankehitriny izao aza dia manao fahagagana ho antsika ny Tompo , ary maro amintsika no efa mahatsapa izany . Ny tena zava-dehibe amin’izany dia ny hananantsika fahatokiana Azy fa Izy no miantoka ny fiainantsika manontolo .
Fanontaniana :
Inona no navalina ireo izay nitaraina sy nangataka taminao ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM