Zoma 22 Jolay 2016

MPIARA-MIASA AMIN’NY TOMPO NY MINO

JAONA 6.10-15

Ilaina ny fahaiza-mandamina

Asaovy mipetraka ny olona (and10)

Izany no baiko nomen’i Jesoa ny mpianany mialoha ny hizarana hanina ho an’ny vahoaka . Efa hitantsika matetika amin’ireny fivoriambe samihafa misy fikarakarana sakafo ireny fa matetika dia hasosorana no hita eny amin’ny sasany , na koa fimonomononana ho an’ny hafa . Ny antony iray mahatonga ireny dia ny tsy fahampian’ny fandaminana . Eto dia manome lesona ho antsika ny Tompo mba tsy hisehoan’ny toy ireny intsony . Rehefa mahazo toerana avokoa ny rehetra , na ny kely na ny lehibe dia ho mora ny asa.

Angony ny sisa tsy lany (and 12)

Izany indray no baiko faharoa nomeny rehefa voky ny olona . Na dia maro be aza izy ireo dia samy nihinana avokoa mandra-pahavokiny . Ary tsy hoe voky fotsiny ny olona fa nanana amby ampy ny sakafo . Nasain’i Jesoa nangonina ireny ka nahafeno roa ambiny folo harona . Izany hoe : samy nahafeno harona iray avy izy roa ambiny folo lahy . Tsy tokony ho verivery foana ny fanomezana avy amin’i Jesoa . Mahaiza mitantana .

Fanontaniana :

Ahoana ny fitantananao ny fandaniana ao an-tokantrano ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 21 Jolay 2016

NEHEMIA 6.11-16

Miara-miasa amin’ny mpanompony ny Tompo

Nehemia no mpitarika ny fananganana indray ny manda ho fanarenana ny fahavoazana taorian’ny fahababoana . Tsy mora anefa ny asa fa be ny sakatsakana . Tsy nitsahatra nivavaka i Nehemia mba hanomezan’ny Tompo azy hery (and10,16) ka dia niara-niasa taminy ny Tompo .Ho fanoherana ny fahavalo Nho ny tolo-tsaina avy tamin’ Andriamanitra dia tsy voafandrik’i Semaia izy ka tsy nety nanaraka izay nolazainy fa nanana havaly avy hatrany . Ny firaisana amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka no ahafahantsika miala amin’ny fandrimpandrika maro, samihafa ataon’ireo izay misakana tsy hahavitana ny asan’ Andriamanitra (and14)Ho famitana ny asan’ Andriamanitra (and 15)Vita tao anatin’ny 52 andro ny manda . Izany no manambara fa tsy mamela ny mpanompony hiasa irery ny Tompo . Izy rahateo no mampanao no sady manatanteraka , fa isika dia fitaovana ihany . Ireo fahavalo kosa dia raiki-tahotra sady niaiky fa Andriamanitra no miasa ka tsy misy mahasakana . Ataovy lohalaharana ny famitana ny asan’ny Tompo , fa hery enti-mandresy ny fahavalo izany .Fanontaniana :Inona no hevitrao momba ireo olona sasany manao izay hampikatsoana ny asa ? Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 20 Jolay 2016

MATIO 14.15-21

« Omeonareo hanina izy »

Nangataka tamin’i Jesoa ny mpianatra ny mba handravana ny olona amin’izay mba hitady hanina . Tsy manana fahafahana hamahana ireo vahoaka ireo ny mpianatra . Baiko no nasetrin’i Jesoa izany : « omeonareo hanina izy »

Mampandray andraikitra ny mpianany ny Tompo

Vitany samirery ny mamahana ireo vahoaka ireo , fa tiany hiara-miasa Aminy ny mpianatra , ka amin’ny alalan’ny fandraisan’ny mpianatra andraikitra no hanehoany ny fanomezany hanina ny vahoakany . Kely tokoa ny teo am-pelatànan’ny mpianatra fa izay nokendren’i Jesoa indrindra tamin’izany ny hampianatra ny mpianatra fa azo atao ny manome ny olona noana hohaniny raha adidy nomen’i Jesoa azy izany . Adidintsika ny mamahana ny olona ka manome azy ny hanina ilainy .

Miantoka ny hanina ilain’ny vahoaka ny Tompo

Tian’ i Jesoa ho hitan’ny mpianatra fa afaka manao fahagagana toy izany koa Izy . Na dia amin’ny androntsika ankehitriny izao aza dia manao fahagagana ho antsika ny Tompo , ary maro amintsika no efa mahatsapa izany . Ny tena zava-dehibe amin’izany dia ny hananantsika fahatokiana Azy fa Izy no miantoka ny fiainantsika manontolo .

Fanontaniana :

Inona no navalina ireo izay nitaraina sy nangataka taminao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

HAFATRY NY MF 08/SLX VII

FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA
« Fa ny fanantenana no namonjena ny mino » (Rom 8.24a)
Ry havana,
“Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo”.( Fil 1:2)
Miarahaba ny Fiangonana sy ny mpianakavin’ny finoana manerana ny Nosy sy ny any am-pita, nahatratra ny Paska Fandresena 2016.
Ny Mpiandraikitra Foibe, izay nivory teto amin’ny CFD Ampandrana tamin’ny 6 -13 Aprily 2016,dia mampita izao hafatra izao ho an’ ny Fiangonana sy ny Kristiana FJKM rehetra :
1. Mampahery ny tompon’andraikitra rehetra isan’ambaratonga manerana ny sahan’ny FJKM, amin’ny fanatanterahana ireo asan’Andriamanitra samihafa nampanaovin’ny Tompo azy.
2. Misaotra ny Tompo isika fa noho ny fitahiany sy ny fahasoavany dia efa maro sahady ankehitriny ireo Synodamparitany sy fitandremana efa nahavita ny adidiny ara-bola taona 2016, hampandrosoana ny Fitoriana ny Filazantsara. Hampaherezina kosa ireo izay mbola tsy nahahefa mba hiezaka hahavita izany mialohan’ny Synoda lehibe manaraka.
3.Vita soa aman-tsara tamin’izao fivoriana izao ny fankatoavan’ny Mpiandraikitra Foibe ireo Tale sy Tonian’ny Sampana sy Sampanasa ary Asa, ka hiasa indray mandritra ny efatra taona. Noraisin-tanana sy nentina am-bavaka tamin’ny Alahady 10 Aprily 2016 tolakandro teny amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana izy ireo.
4.Nankatoavin’ ny mpivory ny maha Prezidà Synodaly mandritra ny efatra taona indray, ireo am-perinasa manerana ny Synodamparitany 38
5.Ny Radio Fahazavana, izay fitaovana ho fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo dia isaorana an’Andriamanitra fa efa mihatsara, na dia mbola misy tokony hohatsaraina bebe kokoa aza. Mangataka ny fanomezan-tànana avy amin’ny Fiangonana. Antsika ny Radio ary entintsika am-bavaka ny asany.
6.Aoka ny Fiangonana hazoto hivavaka ny amin’ny fanitaram-piangonana sy ny fitoriana ny Filazantsara “hatrany amin’ny faran’ny tany” (Asa 1:8), ka hiorina mafy amin’ny finoana an’I Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana
7.Manamafy ny FJKM fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny “homosexualité” ary tsy ekeny ny hampiharana izany.
8.Mitohy ary mbola hanentanana ny fiangonana ny fandraisana anjara amin’ny Kofehy Volamena.
9.Momba ny fiainam-pirenena :
– Entanina isika hivavaka ho an’ny FFKM amin’ny fanohizana ny fampihavanana izay efa natombony.
– Ny fiangonana mpaminany ho an’ny firenena dia miangavy ny Kristiana FJKM rehetra mba :
* Hampiseho ny maha kristiana sy hiaina ny maha-mpanompon’Andriamanitra azy ka hijoro ho vavolombelona hilaza ny marina, Hitandro toy ny anakandriamaso ny fihavanana malagasy.
* Hitondra am-bavaka ny mpitondra isan’ambaratonga mba tsy hikatsaka afa-tsy ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy izy ireny. Ny haren’ny firenena dia hahitan’ny isam-baravarana tombontsoa tokoa.
10.Farany, raha sitrapon’ny Tompo, dia hotanterahina any Antsirabe amin’ny 17-24 Aogositra 2016 izao ny Synoda Lehibe faha XVIII. Miangavy ny Synodamparitany,ny Fiangonana ary ny isam-batan’olona mba hitrotro amam-bavaka izany satria io no fahefana ambony indrindra amintsika FJKM.
“Aoka ho masina hianareo, satria masina Aho, Jehovah Andriamanitrareo” Lev 19:2b
Eto am-pamaranana dia mirary soa ho an’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra izahay ary mamangy sy manao veloma finaritra.
“ Hitahy anareo anie Jehovah ka hiaro anareo…” (Nomery 6:24)
Ampandrana faha 13 Aprily 2016.
Amin’ny anaran’ny Mpiandraikitra Foibe
Ny Filoha Mpanampin’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe,
ZARAZAKA Jean Louis, Mpitandrina

Alakamisy 14 Jolay 2016

1 TANTARA 23.1-5
Ilana fahaiza-mandamina ny asan’Andriamanitra

Fantantsika tsara fa ny Andriamanitra ivavahantsika dia Andriamanitry ny filaminana , mikendry fiadanana ho an’ny vahoakany . Koa amin’ny andraikitra rehetra apetrany dia tena ilaina ny fandaminana , na nyfanaka izany na ny olona indrindra moa fa ny asa .

Iomanana ny fifandimbiasana (and1)

Manamarika ny fitahian’ Andriamanitra ny olona ny hoe : ela niainana . Ary izany no ilazana an’i Davida eto nanomana izay handimby azy . Raha ny bokin’ny Tantara no jerena dia hita fa efa voatendrin’ Andriamanitra ialoha ho mpandimby an’i Davida i Solomona , ary izy no voatendry ho mpanorina ny Tempoly . Na izany aza dia natao ho fantatry ny rehetra izany fanendrena azy handimby ny rainy izany .

Zaraina ny andraikitra (and 2-5)

Ny fanisana ny Levita no nanombohana ny fandaminana sy ny fizarana ny andraiitra . Rehefa izany dia notsinjaraina ny asa araka ny sokajiny avy , ao ny hanao ny fanompoana ao amin’ny Tempoly , ny ho mpanapaka , mpitsara , ny hiangaly ny zavamaneno sy ny maro hafa . Miara-miasa amintsika hatrany ny Tompo amin’ny fandaminana ny asany .<br />

Fanontaniana :

Inona no antony mahasarotra ny fifamindrana asa ? Inona no vahaolana heverinao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alatsinainy 18 Jolay 2016

MPIARA-MIASA AMIN’NY TOMPO NY MINOJEREMIA 22.20-25

Ny vokatry ny tsy fihainoana ny Tenin’ Andriamanitra

Babylona no fahavalon’ny firenen’ ny Joda tamin’izany . NY olana dia tsy mety mihaino ny tenin’i Jehovah izay nampitondraina ny Mpaminany ny olona (and20-22). Io tsy fihainoana ny tenin’i Jehovah io no tena fototry ny fahavoazana mahazo ny firenena . Vokany : Henatra sy fangaihaizana (and22)Natoky ireo firenena Jentilisa ny mpanjaka ka tsy nihaino an’i Jehovah, kanefa ho resy avokoa ireo ka i Joda irery sisa no hihanjahanja , ho menatra eo , tsy hanana ianteherana intsony . Rehefa tsy mety mihaino izay lazain’ny tenin’ Andriamanitra ny mpitondra na ny vahoaka dia tsy hahita fahombiazana amin ’ ny ady ifanatrehana amin’ny satana ka hataony afa-baraka sy ho menatra .Fahababoana (and25)Ny olona izay tsy mihaino sy mankato ny Tenin’ Andriamanitra , tonga babon’ny fahavalo dia satana ka fahafatesana no anjarany . Raha tsy i Jesoa irery ihany no ianteherantsika sy henointsika dia tsy maintsy ho resy isika manoloana ny adintsika. Izy irery no manafaka antsika amin’ireo fahavoazana ireo .Fanontaniana :Nahoana no tsy te-hihaino ny Tenin’ Andriamanitra ny olona ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM