HAFATRA LEHIBE / Taona 2014

Andriamanitry ny Famonjena ny Tompo.

Izany no teny iarahabana antsika mpianakavin’ ny finoana FJKM. Izany koa no teny sy asa ampaherezana sy ifampaherezantsika. Ny teny mantsy dia asa ihany koa ho an’ izay miaina ny finoana.

Isaorantsika Andriamanitra nahafahantsika nanokana fotoana iombonana niaraha-nivavaka tamin’ ny fiandohan’ ity taona 2014 ity. Zava-dehibe ny fiaraha-mivavaka sy ny fiombonana amin’ ny fiandohan’ ny taona tahaka izao. Nitondrantsika amim-bavaka miaraka ny asan’Andriamanitra anirahany antsika FJKM mandritra ity taona ity : ao ny fihaonana sy ny fanofanana iombonana samihafa hotanterahana manerana ny sahan’ ny FJKM.

Fa mivavaka koa isika ho an’ ny olona rehetra araka ny baiko sy fanentanan’ ny Soratra Masina hoe :

“Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an’ ny olona rehetra, ho an’ ny mpanjaka mbamin’ izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra.” (1 Tim.2, 1-2).

Navahan’ ny Tenin’ Andriamanitra manokana amin’ izany ny mpanjaka mbamin’ izay rehetra manana fahefana ; fahefam-panjakana sy fitondrana eo amin’ ny firenena sy ny fiaraha-monina no ambaran’ ny Soratra Masina amin’ izany.

Nanao izay ratsy teo imason’ i Jehovah ny maro amin’ ny mpanjakan’ Isiraely ambaran’ ny Baiboly. Tamin’ ny vanim-potoana niainan’ i Paoly Apostoly nanoratany io epistily izay manentana ny Fiangonana, ny mpino hivavaka io, dia tena nampijaly ny Kristiana sy ny Fiangonana ny manam-pahefana romana ; nanao ratsy, naka mihoatra noho izay tokony ho nalainy, nangalatra, tsy marina teo amin’ ny fitondrany ny vahoaka sy ny firenena, nanao didy jadona, nihinana ny ondry. Fanjakana tsy refesi-mandidy no nisy, nampiasa herim-pamoretana ; niaina tanatin’ ny fanjakan-jiolahy ny vahoaka ; nahita faisana ny Kristiana. Tsy niadana ny tany.

Noho izany, dia tena ilaina ny mivavaka ho an’ ny mpanjaka sy ny manam-pahefana rehetra mba hahatsiarovany tena fa irak’ Andriamanitra napetrany izy ireny mba hanao ny sitrapon’ Andriamanitra. Na dia mety tsy ho sitrak’ Andriamanitra aza ny nahatongavan’ izy ireny teo amin’ ny fitondrana, dia tsy maintsy mangataka sy mivavaka ho azy ny Kristiana sy ny Fiangonana mba hahatsiarovan’ireny mpanjaka sy manam-pahefana ireny tena ka hialany amin’ ny ratsy fanaony.

Fa izany vavaka izany, dia na hanova sy hanavao azy na handoro sy hanjera azy raha tsy mety mibebaka izy. Fantatsika fa rava ny fanjakana sy ny fitondrana romana –izay tena natanjaka sy nahery ary nalaza tokoa.

Mivavaka ny Fiangonana mba haneken’ ny mpanjaka sy ny manana fahefana rehetra ny sitrapon’ Andriamanitra sy hankatoavany izany. Ny tanjon’ izany vavaka izany dia ny hiainan’ ny Fiangonana sy ny Kristiana “miadana sy mandry fahizay amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra.” Tsy ho afaka hanompo an’ Andriamanitra amin’ ny fahalalahana ny Kristiana raha mijaly sy miaina anaty tsi-filaminana.

Miteny amintsika hatrany izany tenin’ ny Soratra Masina izany. Mampahery antsika amin’ ny asa fanompoana miandry antsika tsirairay isam-batan’ olona kanefa koa miandry ny Fiangonana. Manàna fahasahiana avy amin’ ny Fanahy Masina hijoro ho vavolombelon’ ny fahamarinana dia i Jesoa Kristy ; hijoro hanambara ny famonjen’ i Kristy Ilay hany Tompo tokana Mpamonjy izao tontolo izao. Famonjena mandroaka ny fahaverezana.

Ao amin’ ny Fiangonana irery ihany no misy ny famonjena dia i Jesoa Kristy. Koa aoka isika/ianao ho tena fiasam-pamonjena tokoa ary ho fahazavam-panantenana ho an’ izao tontolo izao.

Ho taona handalana sy hiainana ny fahamarinan’ i Kristy anie ity taona ity ka ho resy ny asa sy ny herin’ ny lainga sy ny fitaka ary ny faharatsiana rehetra. Ho taonan’ ny fiadanana sy ny fihavanana. Hiseho amin’ ny maha andry sy fiorenan’ ny fahamarinana azy tokoa anie ny Fiangonana. Fiangonana mbola miady ety an-tany kanefa efa mpandresy ao amin’ i Kristy any an-danitra.

Ry Kristiana Havana, maro ny asa miandry antsika. Hiezaka isika hahatonga ny Fiangonana mba ho mendrika sy milamina amin’ ny fahatsarana rehetra. Anisan’ ny hataontsika ho zava-dehibe ny fiderana an’ Andriamanitra ka sady hihira am-panahy isika no hihira an-tsaina koa. Mba ho Fiangonana mahay mihira ny hira ao amin’ ny fihirana FFPM ny FJKM. Tsy ho latsak’izany ihany koa ny fahaizana mitendry zava-maneno sy ny mozikam-pinoan’ny Fiangonana.

Ny fanatanterahana ny fanompoam-pivavahana marina sy mendrika ary ankasitrahan’ Andriamanitra no iombonantsika FJKM ihany koa, dia anisan’ ny hohamafisina sy laharam-pahamehana itaizana ny Fiangonana tsirairay. Ny fitantanana rehetra ataontsika ao amin’ ny fiangonana, eny eo amin’ ny asa aman-draharahantsika eo amin’ny fiaraha-monina sy ny firenena aza, dia mba ho ankasitrahan’ Andriamanitra ka hihena ny fanaovana kitoatoa sy an-tsirambina.

Andriamanitry ny famonjena ny Tompo. Ny Tompo no Mpamonjy. Izy irery ihany no mampiray antsika ao Aminy. Koa fadio ny resaka sy fomba hafa izay avy amin’ ny devoly ka mety hampisaraka sy hampizarazara ny Fiangonan’ Andriamanitra. Iaino ny finoanao an’ i Jesoa Kristy ka ho hita eo amin’ ny fanatanterahantsika izay iombonana ato amin’ ny Fiangonana izany mandritra ity taona ity. Ho kristiana marina sy mihavana.

Mivavaha isika mba hahatanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra eo amin’ ny tsirairay sy ny fiaraha-monina, eo amin’ ny firenena sy ny Fiangonana.

Ny Mpitandrina RASENDRAHASINA Lala

Filohan’ny FJKM .

Janoary 2014