HAFATRY MF03/SLXVII (16-21 Oktobra 2013 – CFD Ampandrana)

Fa ny fanantenana no namonjena ny mino ». (Romana 8.24a)Ry havana,Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.Ny Mpiandraikitra Foibe FJKM izay nivory teto amin’ny CFD Ampandrana tamin’ny 16-21 Oktobra 2013, amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny fiainan’ny FJKM azy ireo, dia manana adidy aman’andraikitra hampahery ny kristiana FJKM ary koa hitondra ny hafatry ny Fiangonana mpaminany ho an’ny vahoaka tsy an-kanavaka :- Misaotra an’Andriamanitra isika noho ny fitahiany sy ny fahasoavany tsy manam-petra fa miroso ny asan’ny Fiangonana ary niara-niasa taminy isika mpanompony rehetra tamin’ny fanefana ireo adidy aman’andraikitra niombonantsika. Antenaina fa hitera-bokatsoa hatrany ho an’ny asan’Andriamanitra izany .- Nahazoana vokatra tsara ny Sekoly FJKM teo amin’ny fanadinana ara-panjakana. Koa isaorantsika an’Andriamanitra izany sady ampaherezina ireo tompon’andraikitra isan’ambaratonga mba hanohy ny ezaka vita.- Mampahery ny tompon’andraikitra rehetra manerana ny sahan’ny FJKM, amin’ny fanatanterahana ireo asan’Andriamanitra nampanaoviny antsika toy ny fanohizana ny ezaka “Jesoa Kristy ho an’i Madagasikara” (JKM), ny fiaraha-mientana amin’ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 45 taonan’ny Fiangonana misy antsika, ka hanarenana ny fotodrafitrasa eo amin’ireo Toeram-panomanana mpitandrina sy ny mpampianatra FJKM.- Entanina hatrany ny kristiana rehetra hivavaka sy hiasa ho an’ny fanitaram-piangonana eto an-toerana sy any ivelany araka ny baikon’ny Tompo voaraintsika hitory ny filazantsara “hatrany amin’ny faran’ny tany” (Asa 1:8). Isaorantsika an’Andriamanitra ny fijoroan’ny SP faha 38 eto anivon’ny FJKM tamin’ny 29 Septambra 2013 sy ny nitokanana ny FJKM any Quebec – Canada tamin’ny 12-13 Oktobra 2013.- Momba ny fiainam-pirenena : Mametraka ny adintsika eo amin’Andriamanitra ny hanokafana ny Radio Fahazavana sy ny hamerenana ireo fananan’ny FJKM izay nalain’ny fanjakana isika. Ampaherezina ny FFKM eo amin’ny ezaka fampihavanana ataony mba hanohizany izany hatramin’ny farany. Ny Fiangonana mpaminany ho an’ny firenena dia manentana ny Kristiana sy ny vahoaka rehetra manerana ny Nosy mba : Hametraka ny maha kristiana sy ny maha olon’Andriamanitra ho ambonin’ny zavatra rehetra ka tsy hivarotra ny safidiny. Hiaina amin’ny tahotra an’Andriamanitra ka tsy hanaiky ho fitaovana hiray tsikombakomba amin’ny tsy marina noho ny fiandaniana amin’olona. Hitandro tahaka ny anakandriamaso ny fahamarinana sy ny fihavanana amin’ireo fifidianana ara-dalàna rehetra izay hatao eto Madagasikara Eto am-pamaranana, dia mirary soa ho an’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra hahatratra ny Krismasy 2013 sy ny taona vaovao 2014.“ Hitahy anareo anie ny Tompo ka hiaro anareo !” (Nomery 6 :24)Ampandrana, faha 21 Oktobra 2013Amin’ny anaran’ny Mpiandraikitra FoibeNy Filohan’ny FJKMRASENDRAHASINA Lala Haja, Mpitandrina