Ny fitiavan’i Jesoa Tompo

Mofonaina anio: Alarobia, faha 29 Aprily 2026

Sal 21 / Hira FF48 / Vavakab/ Mofonaina / Vavaka / Hira 643

Romana 8,37 - 39
37 Kanefa amin'izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin'ny alalan'ilay tia antsika. 38 Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, 39 na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.

Ny fitiavan’i Jesoa Tompo

1-Mahatonga antsika ho mpandresy

Manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’llay tia antsika (and 37). Ny hoe « mpandresy » dia midika hoe mahazo laka amin’ny fahavalo. Tsy hoe mivadibadika ny fandresena sy ny faharesena, fa fahombiazana tanteraka. Manoloana ny ady atao amin’ny devoly fahavalo, ireo sedra sy fakam-panahy, ireo toe-javatra samihafa mila hahakivy dia mpandresy hatrany isika. Jesoa Kristy no nisantatra ny fandresentsika. Izy no Ilay naharesy izao tontolo izao.

2-Mahatonga antsika mihoatra noho ny mpandresy

Mpandresy lavitra, mpandresy mihoatra ny mahazatra, mpandresy tsy azo resena intsony, mpandresy amin’ny fomba miavaka ka tsy voahozongozona. Kristy no mihazona antsika amin’izany. Na ny fahavalontsika aza efa kivy sy ketraka. Gaga izy ireo fa arakaraka ny zava-miseho, vao mainka isika mamirapiratra. Tanteraka ny Deo 28,7 hoe: « Hatolotr’i Jehovah ho resy eo anoloanao ny fahavalonao… ». Fandresena miavaka no omen’ny Tompo.

3-Mihazona antsika tsy hisaraka Aminy

« …Na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika…ao amin’i Kristy Jesoa » (and38-39). Lehibe, tsy takatry ny saina, mihazona antsika ny fitiavan’ Andriamanitra ao amin’i Jesoa Krsity.

Fanontaniana

Inona avy no mampiavaka ny fitiavan’i Jesoa Tompo?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny tena mpanompon’Andriamanitra:

Talata, 28 Aprily 2026

Ny tena mpanompon’Andriamanitra: 1-Tsy manaiky hiankohoka amin’ny sampy Tantara momba an’i Sadraka sy Mesaka ary…

Ny tena fanavaozana

Alatsinainy, 27 Aprily 2026

Ny tena fanavaozana: 1-Fitarihana ny mpiara-manompo amin’ny tsara Ny tena mpitarika dia manana vina mazava.…

Ny fahefana omen’ny Tompo

Alahady, 26 Aprily 2026

Ny fahefana omen’ny Tompo « Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin’ny farany dia homeko…