Ny olona mino an’i Jesoa
Mofonaina anio: Zoma, faha 17 Jolay 2026
Sal 54,4-7/Hira 514.1,4/Vavaka/ Mofonaina/ Vavaka/HF 43:1
Lioka 19,28 - 40
28 Ary rehefa niteny izany Izy, dia nandeha nialoha hiakatra ho any Jerosalema. 29 Ary raha nanakaiky an'i Betifaga sy Betania teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva Izy, dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianatra 30 ka nanao hoe: Mankanesa amin'iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra ao ianareo, dia hisy zana-boriky mifatotra ho hitanareo, izay tsy mbola nitaingenan'olona; vahao izy, ka ento er? . 31 Ary raha misy manontany anareo hoe: Nahoana no vahanareo io? dia izao no holazainareo: Misy raharaha analan'ny Tompo azy. 32 Ary nony nandeha ireo nirahina, dia nahita araka izay nolazainy taminy. 33 Ary raha namaha ny zana-boriky izy, dia hoy ny tompony taminy: Nahoana no vahanareo ny zana-boriky? 34 Ary hoy izy: Misy raharaha analan'ny Tompo azy. 35 Dia nitondra azy ho any amin'i Jesosy izy ary nametraka ny lambany teo ambonin'ny zana-boriky, ka nampitaingeniny azy Jesosy. 36 Ary raha nandeha Jesosy, dia namelatra ny lambany teny an-dalana izy lreo. 37 Ary rehefa nanakaiky Izy ka tonga teo am-pidinana amin'ny tendrombohitra Oliva, dia nifaly avokoa ny mpianatra maro be ka nidera an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery noho ny asa lehibe rehetra izay efa hitany 38 ka nanao hoe: Isaorana anie ny Mpanjaka, Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah. Fiadanana any an-danitra, ary voninahitra any amin'ny avo indrindra. 39 Fa ny Fariseo sasany, izay teo amin'ny vahoaka, nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, rarao ny mpianatrao. 40 Fa Izy namaly ka nanao hoe: Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo, dia ny vato no hiantsoantso.Ny olona mino an’i Jesoa
1-Mandeha any amin’izay anirahana azy (and 32a)
Naniraka mpianatra roa lahy i Jesoa handeha haka ny zana-boriky mifatotra tao amin’ny vohitra iray: « Ary noho ny nandeha ireo nirahina… » and 32. Ny olona mino an’i Jesoa dia vonona ny handeha amin’izay anirahana azy. Ny finoana dia tsy amin’ny teny fotsiny fa aseho amin’ny asa sy ny fankatoavana, ka na dia tsy fantatra aza ny vokatra, dia mandeha amin’ny fahatokiana. Ny fanarahana ny Tenin’i Jesoa toy izany no andrasana amintsika kristiana ankehitriny, fa tsy ho be taraina sy be fimenomenonana lava. Mandehana any amin’izay anirahana anao!
2-Manaraka izay nolazaina taminy (and 32b-34)
Talohan’ny nandehanan’izy ireo dia nanome toromarika mazava tsara i Jesoa: « Ary raha misy manontany anareo hoe: nahoana no vahanareo io? dia izao no holazainareo: misy raharaha analan’ny Tompo azy » and 31. Izany no nahafahan’i Jesoa niditra tao Jerosalema. Raha izany no nolazain’i Jesoa, dia izany tokoa no notanterahin’ireto mpianatra roa lahy ireto. Ny toromarika omen’i Jesoa amin’ny alalan’ny Soratra Masina, amin’ny alalan’ny toriteny sy ny fampianarana samihafa dia tokony harahin’ny Kristiana. Ny fanatanterahana azy ireny no iantson’ny Tenin’Andriamanitra anao ankehitriny.
Fanontaniana:
Manao ahoana ny fankatoavanao ny Soratra Masina izay miantoka ny fahavitan’ny asa nanirahana anao?
Foibe Sampana Sekoly Alahady