Ny olona mahatsiaro tena ho mpanota
Mofonaina anio: Alarobia, faha 15 Jolay 2026
Sal.63. 1-5/Hira 417/ Vavaka/ Mofonaina/ Vavaka/Hira 437
2 Samoela 12,13 - 14
13 Dia hoy Davida tamin'i Natana: Efa nanota tamin'i Jehovah aho. Ary hoy kosa atana tamin'i Davida: Jehovah efa nanaisotra ny helokao, ka tsy ho faty ianao. 14 Nefa noho ny nampitenenanao ratsy ny fahavalon'i Jehovah amin'izany zavatra izany dia ho faty tokoa ny zaza izay haterakao.Ny olona mahatsiaro tena ho mpanota
1- Miaiky ny fahadisoany
« Dia hoy Davida tamin’i Natana: Efa nanota tamin’i Jehovah aho. » (and. 13)
Nananatra an’i Davida mpanjaka i Natana mpaminany tamin’ny nakany ny vadin’i Oria. Rehefa nambaran’i Natana tamin’i Davida ny tombony nomen’i Jehovah azy sy izay mbola tokony ho azony, ary ny famaizana miandry azy noho ny fahotany, dia niaky ny helony izy. Araka izany, rehefa fantatrao ny fahotana vitanao teo anatrehan’Andriamanitra, ny tsara indrindra dia ny mibebaka. Aza mitady izay mety fomba hiaraovan-tena na hanilihana ny fahadisoana amin’ny hafa, aza mitady fomba hanamarinan-tena fa aleo miaiky heloka eo anatrehan’ny Tompo. Fa efa tonga i Jesoa Kristy hiantso ny mpanota mibebaka.
2- Mandray famelan-keloka
« …Ary hoy kosa Natana tamin’i Davida: Jehovah efa nanaisotra ny helokao, ka tsy ho faty ianao. » (and. 13)
Vao avy niaiky ny fahadisoany i Davida dia nambaran’i Natana fa efa namela ny helony Jehovah. Kanefa noho ny nitenenana ratsy ny anaran’i Jehovah dia misy ny sazy tsy maintsy zakain’i Davida, dia ho faty ny zaza. Araka izany, Andriamanitra dia mamindra fo sy mamela heloka amin’izay rehetra mibebaka; kanefa koa tokony ho tsaroana hatrany fa misy ny sazy na takaitra vokatry ny fahotana vita. Tsy mora anefa ny hiainana izany ka mitaky fahendrena sy fahononan-tena ny fiainana miaraka amin’ Andriamanitra. Ao amin’i Jesoa Kristy irery ihany no ahafahana manadio ny fahotana rehetra. Koa tehirizo mandra-pihavin’ny Tompo ny famelan-keloka voarainao.
Fanontaniana:
Inona ny fomba hiaroavana tena amin’ny fahotana?
Foibe Sampana Sekoly Alahady