Ny mpanompon’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 16 Jolay 2026

Sal 16, 7-11 / Hira 8 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 33

Asan'ny Apostoly 9,10 - 19
10 Ary nisy mpianatra anankiray tany Damaskosy, atao hoe Ananiasy; ary hoy ny Tompo taminy tamin'ny fahitana: Ry Ananiasy. Dia hoy izy: Inty aho, Tompoko. 11 Ary hoy ny Tompo taminy: Mitsangàna, ka mandehana any amin'ny lalana atao hoe Imahitsy, ka izahao ao an-tranon'i Jodasy izay lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsosy; fa, indro, efa mivavaka izy; 12 ary izy efa nahita lehilahy atao hoe Ananiasy niditra ka nametra-tanana taminy, mba hahiratra indray ny masony. 13 Ary Ananiasy namaly hoe: Tompoko, efa reko tamin'ny maro ny haben'ny ratsy nataon'izany lehilahy izany tamin'ny olonao masina tany Jerosalema. 14 Ary manana fahefanay koa avy tamin'ny mpisoronabe izy hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao. 15 Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan'ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak'isiraely; 16 fa hasehoko azy ny habetsahan'izay tsy maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako. 17 Ary nandeha Ananiasy ka niditra tao an-trano, dia nametra-tanana taminy ka nanao hoe Ry Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesosy Izay niseho taminao teo amin'ny lalana nalehanao, no efa naniraka ahy, mba hahiratan'ny masonao, ary mba ho feno ny Fanahy Masina ianao. 18 Ary niaraka tamin'izay dia nisy zavatra toy ny kiran'ny hazandrano niala avy tamin'ny masony, dia nahiratra izy ka nitsangana, dia natao batisa; 19 ary nihinan-kanina izy ka dia natanjaka. [Ny nitorian'i Saoly tany Damaskosy sy Jerosalema] Ary Saoly nitoetra andro vitsivitsy teo amin'ny mpianatra tany Damaskosy.

Ny mpanompon’Andriamanitra

1- Mamaly ny antso (and.10)

Miantso an’i Ananiasy ny Tompo, araka izay hita eo amin’ny andininy faha-10: « Ry Ananiasy ». Rehefa nahare izany izy, avy hatrany dia namaly sady nahalala ilay feony: « Inty aho, Tompoko ». Valin-teny feno fanoloran-tena sy fankatoavana toy izany no namaliany ny antso. Midika izany fa ny mpanompon’ Andriamanitra dia olona vonona hihaino sy hamaly mandrakariva rehefa antsoina. Tsy misalasala izy fa manolo-tena ho amin’ny asan’Andriamanitra. Ny fiantsoana dia mety ho amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra, na fahitana, toy izay hita eto, fa ny zava-dehibe dia ny famaliana ny antso sy ny fanekena izany. Ho anao koa, fantaro ny antson’ny Tompo aminao, ka valio sy ekeo izany.

2- Mandeha any amin’izay anirahana (and. 17)

Rehefa namaly ny antson’ny Tompo i Ananiasy dia nirahiny ho any amin’i Saoly, araka izay hita eo amin’ny andininy faha 15-17. Ny resaka nifanaovany tamin’ ny Tompo dia maneho miharihary fa noho ny lazan’i Saoly mpanenjika ny fivavahana kristiana no nampahatahotra an’i Ananiasy. Kanefa, na izany aza dia nandeha ihany izy. Hita taratra amin’izany fa ny mpanompon’ Andriamanitra dia mankato ny iraka omena azy; mety misy tahotra sy fisalasalana ihany, nefa ny finoana ao aminy no mahatonga azy handeha. Ny fankatoavana dia midika fanekena handeha any amin’ny toerana sy ny olona anirahan’ny Tompo. Izany koa no andrasana amiko sy aminao, dia ny hanekentsika izay tondroin’ny Tompo handehanantsika.

Fanontaniana

Inona avy ireo zavatra andrasan’ny Tompo mba hahatanteraka ny asam-pamonjeny?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny olona mahatsiaro tena ho mpanota

Alarobia, 15 Jolay 2026

Ny olona mahatsiaro tena ho mpanota 1- Miaiky ny fahadisoany « Dia hoy Davida tamin’i Natana:…

Andriamanitra Masina sady mahatahotr...

Talata, 14 Jolay 2026

Andriamanitra Masina sady mahatahotra 1- Manadio ny olom-boafidiny « …Indro, efa nitehika tamin’ny molotrao io; ka…

Andriamanitra mpitsara marina

Alatsinainy, 13 Jolay 2026

Andriamanitra Mpitsara Marina 1- Mitaona ny olona hiala amin’ny ratsy « …Mialà, mialà amin’ny lalan-dratsinareo, fa…