Andriama itra Masina sady mahatahotra

Mofonaina anio: Talata, faha 14 Jolay 2026

Sal.34. 1-3 / Hira 1,2,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 33

Isaia 6,1 - 8
1 [Ny nanendrena an'Isaia ho mpaminany] Tamin'ny taona nahafatesan'i Ozia mpanjaka no nahitako ny Tompo nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana avo sady manerinerina, ary ny ebaneban'akanjony nahafeno ny tempoly. 2 Nisy serafima nitsangana teo amboniny, samy nanana elatra enina avy; ny roa nanaronany ny tavany, ny roa nanaronany ny tongony, ary ny roa nanidinany. 3 Ary nanandratra ny feony izy ka nifamaly hoe: Masina, masina, masina Jehovah, Tompon'ny maro; Henika ny voninahiny ny tany rehetra*.[Na: Voninahiny avokoa ny eran'ny tany] 4 Dia nihorohoro ny fanambanin'ny tokonana noho ny feon'ireo nanandratra ny feony; ary feno setroka ny trano. 5 Dia hoy izaho: Lozako! maty aho! fa lehilahy maloto molotra, sady ato amin'ny firenena maloto molotra no itoerako, fa ny mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, no efa hitan'ny masoko. 6 Dia nanidina nanatona ahy ny serafima anankiray nitondra vain'afo* teny an-tànany, izay nalainy tamin'ny ny tandra avy teo amin'ny alitara.[Na: vato mahamay] 7 Ary natehiny ny vavako izany, ka hoy izy: Indro, efa nitehika tamin'ny molotrao io; ka dia afaka ny helokao, ary voavela ny fahotanao. 8 Ary nandre ny feon'ny Tompo aho nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: Inty aho, iraho aho.

Andriamanitra Masina sady mahatahotra

1- Manadio ny olom-boafidiny

« …Indro, efa nitehika tamin’ny molotrao io; ka dia afaka ny helokao, ary voavela ny fahotanao. » (and. 7)

Voalaza eto fa nanidina ilay Serafima avy naka vainafo tamin’ny alitara ka natehiny tamin’ny vavan’i Isaia izany. Ny vainafo avy teo amin’ny alitara dia famantarana ny famelan-keloka raha vantany vao niaiky ny helony izy. Andriamanitra no nanadio an’i Isaia. Tafasaraka tamin’ny vahoaka maloto molotra i Isaia ka tonga olon’Andriamanitra. Araka izany dia manadio ny olom-boafidiny izay hitondra ny Teniny ny Tompo, ka manavaka azy amin’ny firenena mpanota. Ny vava hitondrana hafatra ho an’ny vahoaka mihitsy eto no diovina mba hahafahana milaza sy mampita ny Tenin’ Andriamanitra Masina. Ny olona mitondra ny Tenin’Andriamanitra dia efa voadio.

2- Miantso iraka

« Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: Inty aho, iraho aho. » (and. 8). Feon’ny Tompo tonga tamin’i Isaia izany. Feo manontany, miantso izay vonona hanolo-tena ho amin’ny asan’Andriamanitra izany. Ka ny olona izay manolo-tena no irak’Andriamanitra sy ny vahoakan’ny lanitra. Ary izany no dikan’ilahy hoe « irakay », iraky ny vahoakan’ny lanitra. Noho izany, ny fanoloran-tena ho irak’Andriamanitra dia midika ho fanekena hanao ny asan’ny vahoakan’ny lanitra. Olona efa voadio sy nisaraka amin’ny fahotan’ny tany no irahina hampita ny hafatry ny lanitra ho an’ny vahoakan’ny tany izay firenena maloto molotra. Koa meteza ho irak’Andriamanitra!

Fanontaniana:

Ahoana ny fomba nanadiovan’ny Tompo anao? Ahoana ny fomba anaovana ny asany?

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Andriamanitra mpitsara marina

Alatsinainy, 13 Jolay 2026

Andriamanitra Mpitsara Marina 1- Mitaona ny olona hiala amin’ny ratsy « …Mialà, mialà amin’ny lalan-dratsinareo, fa…

Ny fankatoavana ny Teni ‘i Kristy

Alahady, 12 Jolay 2026

Ny fankatoavana ny Tenin’i Jesoa Krisy 1- Mampahomby ny asa atao « Ary rehefa nataony izany,…

Ny fahazoana ny Soratra Masina

Asabotsy, 11 Jolay 2026

Ny fahazoana ny Soratra Masina 1-Ilàna mpampianatra « Fa hoy izy: Hataoko ahoana ny fahay, raha…