Ny fiverenan’i Jesoa fanindroany
Mofonaina anio: Zoma, faha 02 Oktobra 2026
Sal 105, 1-7 / Hira 166, 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 432, 1
Marka 13,32 - 37
32 Fa ny amin'izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany. 33 Mitandrema, miambena*, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian'ny fotoana.[*Gr. miareta tory] 34 Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, ka samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara; 35 Koa miambena ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina, 36 fandrao avy tampoka izy ka mahita anareo matory. 37 Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin'ny olona rehetraNy fiverenan’i Jesoa fanindroany:
1. Tsy misy mahalala afa-tsy ny Ray (and 32)
« Fa ny amin’izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray» (and 32). Andriamanitra irery no mahalala ny fotoana hiverenan’i Kristy. Noho izany, tsy tokony hanaraka na hino izay olona milaza fa mahalala ny andro na ny ora hiverenan’i Jesoa ny mpino. Tsy nomen’Andriamanitra antsika ny hahalala izany. Ny miomana no anjarantsika. Aoka tsy ho variana amin’ny faminaniana sy kajikajin’olombelona momba ny hiverenan’i Kristy. Matokia ny fandaharan’Andriamanitra, satria Izy no mahalala ny fotoana rehetra. Mivonona amin’ny fotoana rehetra satria ho tonga amin’ny fotoana tsy ampoizina ny Tompo.
2. Mitaky fitandremana, fiambenana, fivavahana (and 33-37)
Hoy ny and 33: « Mitandrema, miambena, ka mivavaha ». Ny fitandremana dia midika fahamailoana fandrao ho voafitaky ny ota sy ny fampianaran-diso izay miely. Ny fiambenana indray dia midika ho fahavononana amin’ny fotoana rehetra, toy ny mpanompo miandry ny tompony hiverina. Ny fivavahana indray dia ny fifandraisana tsy tapaka amin’Andriamanitra, hanovozan-kery sy hiandrasana amim-patokiana. Ao amin’ny fanoharana izay nataon’i Jesoa, ilay tompo izay mandeha lavitra dia namela andraikitra ho an’ny mpanompony tsirairay. Midika izany fa samy manana andraikitra hotanterahina ny mpino mandra-piverin’i Kristy. Taomina isika mba hitandrina sy hiambina ary hivavaka ka hanatanteraka ireo asany izay nankinina tamintsika.
Fanontaniana:
Inona avy ireo fahaiza-miaina tokony ananan’ny mpino eo am-piandrasana ny Tompo?
Foibe Sampana Sekoly Alahady