Ny famonjena vitan’i Jesoa dia mitaona ny olona

Mofonaina anio: Alarobia, faha 07 Oktobra 2026

Sal 27,1-6 / Hira 170:1,4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira FF34:1

Hebreo 10,19 - 25
19 [Teny famporisihana sy fananarana ho an'izay nihamalaina ka mila hihemotra] Koa amin'izany, ry rahalahy. satria manana fahatokiana hiditra ao amin'ny fitoerana masina isika noho ny ran'i Jesosy, 20 amin'izay lalana natokany ho antsika, dia lalana vaovao sady velona, namaky teo amin'ny efitra lamba, dia ny nofony, 21 sady manana Mpisorona lehibe mitandrina ny tranon'Andriamanitra, 22 dia aoka isika hanatona amin'ny fo marina sy amin'ny fahatokiana be avy amin'ny finoana, manana fo voadio* ho afaka amin'ny fieritreretana ratsy sy tena voasasa tamin'ny rano madio; [* Gr. voafafy] 23 aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana); 24 ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; 25 aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.

Ny famonjena vitan’i Jesoa dia mitaona ny olona

1. Hanana fanantenana (and 23)

Hoy ny Soratra Masina: « Aoka hazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany… » (and 23). Tsy miankina amin’ny zava-misy ny fanantenan’ny Kristiana fa amin’ny fampanantenana nataon’ Andriamanitra. Ny famonjena izay vitan’i Kristy dia mampanantena fandovana ny fiainana mandrakizay ho an’izay mihazona tsara ny finoany. Mahatoky Andriamanitra, tsy maintsy tanterahiny izay nampanantenainy. Mitaona anao ary ny Soratra Masina mba hanorina ny fanantenana ao amin’i Jesoa Kristy fa Izy no hahatanteraka izany amin’ny fotoany.

2. Hampanjaka ny firahalahiana (and 24-25)

Hoy ny Soratra Masina: « Ary aoka isika hifampandinika mba hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara. » (and 24) Ny Kristiana dia natao hiara-monina amin’ny hafa. Noho io famonjena izay vitan’i Jesoa io dia tokony hifampahery sy hampanjaka ny fifankatiavana sy ny fanaovana asa tsara izy. Firahalahiana noho ny amin’ny Tompo no katsahina ao anatin’izany. Ny fandraisana ny famonjena dia mitarika ny olona hanahaka ny toetran’i Kristy, ka ny fiainan’i Kristy dia tonga fiainany. Asongadin’ny mpanoratra koa ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-mivavaka sy ny fifanohanana, indrindra amin’izao ankatoky ny fiverenan’ny Tompo izao. Mitaona anao Tenin’ Andriamanitra mba hazoto handray anjara amin’ny fiainan’ny Fiangonana, ampaherezo ny mpianakavin’ny finoana mba hijoro amin’izany. Miezaha hampanjaka ny firaisan-kina amin’ny fotoana rehetra.

Fanontaniana:

Mitondra inona eo amin’ny fiainanao ny famonjena vitan’i Jesoa Kristy?

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Ny mpanompon’Andriamanitra

Talata, 6 Oktobra 2026

Ny mpanompon’Andriamanitra Ireto manaraka ireto no isany nampiavaka an’i Daniela : 1. Olona marina (and…

Ny vavaka ankasitrahan’ny Tompo

Alatsinainy, 5 Oktobra 2026

Ny vavaka ankasitrahan’ny Tompo dia 1. Atao am-panetrentena (and 5-6) Asain’i Jesoa tsy hanao vavaka…

Antony tokony hivavahana mandrakariv...

Alahady, 4 Oktobra 2026

Antony tokony hivavahana mandrakariva 1. Andriamanitra dia Mpitsara marina (and 7) Raha nangataka rariny tamin’ny…