Izay mino an’i Jesoa Tompo
Mofonaina anio: Talata, faha 29 Septambra 2026
Sal 105 / Hira 268 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 313
Jaona 14,12 - 14
12 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray. 13 Ary na inona na inona no hangatahinareo amin'ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka. 14 Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako* ianareo, dia hataoko izany. [*Na: mangataka zavatra amin'ny anarako]Izay mino an’i Jesoa Tompo
1-Manao ny asa nataony
« Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa » (and12)
Marika ahafahana manavaka ny olona mino an’i Jesoa ny asa ataony andavanandro. Toa an’i Jesoa izay manetry tena, tonga mba hanompo, mivavaka ho an’ny fahavalo, antra, tia, manasitrana, mitady ny very, mamahana ny noana, mandresy fakam-panahy, manatanteraka an-tsakany sy andavany ny sitraky ny Ray…sns Asa tsara maro tsy voatanisa no nataon’i Jesoa. Manao sy manohy ireny asa tsara nataon’i Jesoa ireny ny mpino.
2-Manao asa lehibe
‘Hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ny Ray » (and 12). Nanome ny Fanahy Masina ho an’ny mpino ny Tompo. Mibaiko antsika ho vavolombelona hatrany amin’ny faran’ny tany izany. Mivelatra kokoa ny faritra itoriana ny Filazantsara. Lehibe kokoa hatrany ny isan’ny mpino manolo-tena. Izany rehetra izany dia eo ambany fitarihan’i Jesoa. Ny fiatrehana ny fitondram-piangonana hatrany ambany ravin-kazo rehetra any, ny fiandrasana ireo ondrin’i Jesoa izay mila firotsahana sy fandraisana andraikitra toy izay nataon’ilay samaritana tsara fanahy, dia mbola isan’ny asa lehibe andrasan’ny Tompo amintsika mpino Azy.
Fanontaniana
Inona avy ireo asa nataon’i Jesoa tokony tohizantsika?
Foibe Sampana Sekoly Alahady