Mihazona ny finoako hatrany aho

Mofonaina anio: Alarobia, faha 30 Septambra 2026

Sal 89 / Hira 486 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 488

Habakoka 3,17 - 19
17 Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, Ary tsy misy voany ny voaloboka, Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, Na dia vonoina aza ny ondry ao amin'ny vala, Ary tsy misy omby ao am-pahitra, 18 Nefa izaho dia mbola hifaly amin'i Jehovah ihany Sy hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy. 19 Jehovah Tompo no tanjako, Ary manao ny tongotro ho toy ny an'ny dieravavy Izy Ka mampandeha ahy any amin'ny havoanako. Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha.

Mihazona ny finoako hatrany aho

1-Na dia tsy nizotra araka ny izy aza ny asa natao

« Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy… » (and17): Taratry ny asa natomboka ireo voatanisa eto toy ny aviavy, voaloboka, oliva, saha, ondry ao amin’ny vala. Indraindray dia tsy araka izay vokatra nandrasana no hita amin’ireo asa natao ireny. Hoy ny oha-pitenenana malagasy hoe: « Raha indray mandeha no manta vary, aza mandevin-tsotrobe ». Toy izany koa ny hoe: « Nanakofa ve ny vary tamin’ito, mihaodihaody ny mosary? Aza kivy ambony ihany, mamafaza na dia im-pito ». Maro ireo sedra nihatra tamin’ny martiora fa tsy nahakivy azy ireo izany.

2-Mbola hifaly sy hiravoravo hatrany

« Nefa izaho dia mbola hifaly amin’ny Jehovah ihany… » (and18). Ny mpino miorina amin’ny finoana dia tsy manankina ny fifaliany sy ny fiainany manontolo amin’ny asa sy ny hita maso azo tsapain-tanana. Toa an’i Jesoa izay manaiky hatramin’ny farany ny fijaliana sy ireo sedra tsy maintsy natrehany. Izany fahaizana miravoravo ao amin’ny Tompo izany dia isan’ny fototry ny valim-bavaka ho an’ny mpino (Sal37.4). Misaora ny Tompo hatrany.

3-Ny Tompo no tanjako

Ny fanatrehan’ny Tompo, ny fampaherezana avy Aminy no ahafahan’ny mpino manohy hatrany ny hazakazaka.

Fanontaniana

Nahoana ny mpino no misaotra amin’ny zavatra rehetra?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Izay mino an’i Jesoa Tompo

Talata, 29 Septambra 2026

Izay mino an’i Jesoa Tompo 1-Manao ny asa nataony « Izay mino Ahy, ny asa ataoko…

Ny olom-boafidin’ Andriamanitra

Alatsinainy, 28 Septambra 2026

Ny olom-boafidin’ Andriamanitra 1-Mahazo mangataka izay tiany amin’ny Tompo « Ary hoy Andriamanitra: Angataho izay tianao…

Ny fifandraisana eo amin’ny finoana ...

Alahady, 27 Septambra 2026

Ny fifandraisana eo amin’ny finoana sy ny asa: 1- Asehoy amin’ny alalan’ny asa ny finoanao.…