Izay mangetaheta an’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 08 Oktobra 2026

Sal 18, 1-6 / Hira 9: 1,4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 267: 4

Lioka 11,1 - 13
1 Ary Jesosy nivavaka tao amin'ny fitoerana iray, ka rehefa nitsahatra Izy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Tompoko, mampianara anay hivavaka, tahaka ny nampianaran'i Jaona ny mpianany. 2 Ary hoy Izy taminy: Raha mivavaka ianareo, dia ataovy hoe: Ray ô* hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao**. [* Na: Rainay Izay any an-danitra] [** Ampio hoe: (Hatao anie ny sitraponao et? an-tany tahaka ny any an-danitra)] 3 Omeo anay isan'andro izay hanina sahaza ho anay. 4 Ary mamelà ny helokay; fa izahay koa mamela izay rehetra meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy. *Ampio hoe: [fa manafaha anay amin'ny ratsy]. 5 Ary hoy Jesosy taminy: Iza moa aminareo no manana sakaiza, izay hankeo aminy mamatonalina ka hanao aminy hoe: Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho; 6 fa ny sakaizako nandeha tamin'ny nalehany, dia tonga atsy amiko, ka tsy misy izay hafahako azy; 7 ary ilay ao an-trano kosa hamaly ka hanao hoe: Aza manahirana ahy; fa efa mihidy ny varavarana izao, ary ny zanako mandry eto am-pandriana eto amiko; tsy afaka hifoha hanome anao aho? 8 Hoy Izaho aminareo: Na dia tsy hiainga hanome azy noho ny fisakaizana aza izy, dia hifoha ihany izy noho ny fitarainany fatratra* ka hanome azy izay ilainy.[*Gr.tsi-fitandroany henatra] 9 Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo. 10 Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. 11 Fa iza moa aminareo izay ray, raha angatahan'ny zanany mofo, no hanome azy vato? ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana ho solon'ny hazandrano? 12 ary raha angatahany atody, no hanome azy maingoka? 13 Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy?

Izay mangetaheta an’Andriamanitra dia

1. Ampianariny mivavaka (and 2-4)

Nangetaheta hivavaka ny mpianatra anankiray raha nahita an’i Jesoa nivavaka tamin’ny fitoerana iray. Ho setrin’izany dia hoy i Jesoa: « Raha mivavaka hianareo, dia ataovy hoe: Rainay o… » (and 2). lo vavaka izay nampianarin’i Jesoa io dia mampiseho fa ny vavaka dia fifandraisana amin’Andriamanitra Ray. Ny vontoatiny dia toy izao: mampianatra ny olona hanome voninahitra an’Andriamanitra, hitady ny fanjakany, hangataka izay ilaina isanandro, hibebaka, hifamela heloka, hangataka fiarovana amin’ny fakam-panahy samihafa. Raha tena mangetaheta an’i Jesoa marina tokoa ny olona, dia hampianariny. Aoka hianatra amin’i Jesoa isika, ary ataovy ho fifandraisana velona amin’ Andriamanitra ny vavaka fa tsy fombafomba fotsiny ihany.

2. Omeny izay mahasoa (and 13)

Ampirishin’i Jesoa ny olona mba hangataka, hitady sy handondona. Midika izany fa misy hetsika takiana amin’izay olona mangetaheta Azy. Hoy i Jesoa: « Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka Aminy? ». Maneho ny fahatsaran’ny Ray izany; tsy mba manome zavatra manimba na mitarika ny zanany hanaotao foana Izy. Izay mahasoa no omeny. Ny fanomezana izay ambaran’i Jesoa dia ny Fanahy Masina, izay mitarika, manolotsaina, mampahery ary manamasina ny mpino. Mitarika ny mpino any amin’izay mahasoa Izy. Mangataha amin’Andriamanitra amim-pahatokiana sy amin’ny faharetana. Matokia fa omen’Andriamanitra izay tena mahasoa hianao.

Fanontaniana:

Manao ahoana ny toe-panahinao manoloana ny fahatsaran’Andriamanitra?

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Ny famonjena vitan’i Jesoa dia mitao...

Alarobia, 7 Oktobra 2026

Ny famonjena vitan’i Jesoa dia mitaona ny olona 1. Hanana fanantenana (and 23) Hoy ny…

Ny mpanompon’Andriamanitra

Talata, 6 Oktobra 2026

Ny mpanompon’Andriamanitra Ireto manaraka ireto no isany nampiavaka an’i Daniela : 1. Olona marina (and…

Ny vavaka ankasitrahan’ny Tompo

Alatsinainy, 5 Oktobra 2026

Ny vavaka ankasitrahan’ny Tompo dia 1. Atao am-panetrentena (and 5-6) Asain’i Jesoa tsy hanao vavaka…