Andriamanitra velona
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 18 Jolay 2026
Sal 63 1-5 /Hira 3/Vavaka/ Mofonaina/Vavaka/ IIF 4:3
Jeremia 45,1 - 5
1 [Teny nasain'Andriamanitra nolazain'i Jeremia tamin'i Baroka] Ny teny izay nataon'i Jeremia mpaminany tamin'i Baroka, zanak'i Neria, fony izy nanoratra ireto teny ireto tamin'ny taratasy avy tamin'ny vavan'i Jeremia tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, hoe: 2 Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny aminao, ry Baroka: 3 Hoy ianao: Idiran-doza aho ity! fa nampian'i Jehovah alahelo ny fanaintainako; efa sasatra ny misento aho ka tsy mahita fitsaharana. 4 Lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, horavako izay efa naoriko, ary hongotako izay efa namboleko, dia izao tany rehetra izao. 5 Mitady zavatra lehibe ho anao va ianao? aza mitady izany! fa, indro, hahatonga loza ho amin'ny nofo rehetra Aho, hoy Jehovah; fa raha ny ainao dia homeko anao ho babonao ihany any amin'izay rehetra nalehanao.Andriamanitra velona
1- Mahalala ny fiainana (and 2-3)
Nancho ny alahclony i Baroka ka nilaza hoc: « Idiran-doza aho ity! fa nampian’i Jehovah alahelo ny fanaintainako; efa sasatra ny misento aho ka tsy mahita fitsaharana » (and3). Tsy nanafina tamin Andriamanitra izy, ary fantatr’Andriamanitra ny toe-panahiny sy ny adi-tsaina nahazo azy. Hain’Andriamanitra ny fahoriana nahazo an’i Baroka na dia ao anatin’ny fanompoana Azy aza izy. Na dia nanampy an’i Jeremia tamin’ny fanoratana azy izy, dia mbola niaian fahoriana sy fahakiviana. Ny fahalalan’Andriamanitra ireo dia midika fa Andriamanitra velona izy ary afaka hatonina sy itarainana, raha tojo fijaliana. Hain’ny Tompo ny momba ny fiainanao. Raha mandalo fahoriana sy fisentoana, dia ento eo Aminy izany, favonona hihaino Izy.
2- Manome teny fampanantenana (and 4-5)
Na dia nisy fitsarana sy fahasahiranana aza teo amin’ny firenena dia nanome teny fampanantenana ho an’i Baroka Andriamanitra. Eo amin’ny andininy faha-5 dia nilaza Izy fa horavana sy hopotehina ny firenena, kanefa, na misy aza izany, dia hoharovany sy hotahiany hatrany i Baroka. Izany fampanantenana izany dia mitondra hery sy fanantenana vaovao ao anatin’ny mpanompon’ Andriamanitra. Koa raha reraka sy kivy aza i Baroka dia nampahatsiahivin’Andriamanitra fa tsy very maina ny fanompoany. Ny ain’i Baroka dia ho voavonjy amin’ny toerana rehetra alehany. Izany dia mancho fa tia sy azo itokiana Ilay Andriamanitra velona. Na dia ao anatin’ny fotoan-tsarotra aza, dia tsy avelan’ Andriamanitra irery ny mpanompony.
Fanontaniana:
Mitondra inona Andriamanitra? eo amin’ny fiainanao ny fahaveloman
Foibe Sampana Sekoly Alahady