Ny fivavahana
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 03 Oktobra 2026
Sal 62, 5-7 / Hira 430: 1, 4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 617, 1
Jakoba 5,13 - 18
13 Misy azom-pahoriana va eo aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy faly va? Aoka izy hihira fiderana. 14 Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon*'ny fiangonana**; ary aoka hanosotra diloilo azy amin'ny anaran'ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy; [* Gr. presbytera] [** Gr. eklesia] 15 ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy, dia havela ny helony. 16 Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny fiàsan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra. 17 Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahan'ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin'ny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana. 18 Ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany.Ny fivavahana
1. Atao amin’ny fotoana rehetra (and 13-14)
Ambaran’i Jakoba fa na amin’ny fahoriana na amin’ny fifaliana dia tokony hitodika amin’Andriamanitra mandrakariva ny mpino. Amin’ny toe-javatra rehetra, amin’ny fotoana rehetra, dia tokony manana toerana lehibe koa ny vavaka, izay fifandraisana velona amin’ Andriamanitra. Ny ahafahantsika mampihatra izany dia ny fibanjinana ny Tompo, aza miandry olana vao hivavaka amin’Andriamanitra.
2. Andraisana famonjena (and 15-16)
Rehefa atao amin’ny finoana ny vavaka dia handraisana famonjena. Voafaoka ao anatin’izany famonjena izany ny fanasitranana ny marary, fananganana ataon’ny Tompo ary ny famelan-keloka. Asongadin’i Jakoba eo amin’ireo andininy ireo ny maha-zava-dehibe ny fiaiken-keloka sy ny fifamelan-keloka, satria manampy amin’ny fanarenana ny fifandraisana amin’ Andriamanitra sy amin’ny hafa izany. Koa ny andrasan’ny Tompo amintsika dia ny hahaizantsika mivavaka amin’ny finoana ka hanantena valimbavaka. Ny vavaka dia andraisana famonjena.
3. Anehoana fifandraisana akaiky amin’ny Tompo (and 17-18)
I Elia no ohatra izay ampiasain’i Jakoba, anehoana ny herin’ny vavaka. Na dia olombelona tahaka antsika aza izy, dia nandray valim-bavaka satria nifandray akaiky tamin’Andriamanitra. Nivavaka izy dia tsy nilatsaka ny orana; nivavaka indray izy dia nilatsaka ny orana. Ny finoany sy ny fifandraisany tamin’ Andriamanitra no anton’izany. Koa mivavaha dia ho akaiky an’ Andriamanitra ianao.
Fanontaniana:
Ahoana ny fomba andrindranao ny fotoanao mba hanananao fiainam-bavaka?
Foibe Sampana Sekoly Alahady