Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 01 Jona 2026

Sal 93. 1-5 / Hira 205: 1/Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 205: 3

2 Tantara 20,1 - 12
1 [Ny nandehanan'ny Moabita sy ny namany hiady tamin'ny Joda, ary ny vavaka nataon'i Josafata, sy ny namonjen'Andriamanitra azy] Ary nony afaka izany, dia avy hiady tamin'i Josafata ny taranak'i Moaba sy ny taranak'i Amona mbamin'ny any ankoatry ny Amonita*.[Na: mbamin'ny Meonita; izahao xxxvi. 7] 2 Ary nisy tonga ka nanambara tamin'i Josafata hoe: Indreo, misy olona betsaka avy any an-dafin'ny ranomasina, dia avy any Syria, ho avy hiady aminao; ary indreo izy ao Hazezon-tamara (Enjedy izany). 3 Dia natahotra Josafata ka nanatrika tsara hitady an'i Jehovah sady niantso andro fifadian-kanina ho an'ny tanin'ny Joda rehetra. 4 Dia niangona ny Joda hangataka famonjena amin'i Jehovah; eny, avy tamin'ny tanànan'ny Joda rehetra hitady an'i Jehovah izy. 5 Ary Josafata nitsangana teo amin'ny fiangonan'ny Joda sy Jerosalema, Tao amin'ny tranon'i Jehovah, teo anoloan'ny kianja vaovao, 6 ka nanao hoe: Ry Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, tsy Hianao va no Andriamanitra any an-danitra? Eny, Hianao no manapaka amin'ny fanjakan'ny jentilisa rehetra, ary eo an-tananao ny hery sy ny fahefana, ka tsy misy mahasakana Anao. 7 Ry Andriamanitray ô, tsy Hianao va no nandroaka ny mponina tamin'ity tany ity hiala teo anoloan'ny Isiraely olonao ka nanome azy mandrakizay ho an'ny taranak'i Abrahama sakaizanao? 8 Ary nonina tat? izy ka nanao fitoerana masina teto ho an'ny anaranao sady nanao hoe: 9 Raha manjo anay ny loza, na sabatra, na famaliana, na areti-mandringana, na mosary, ary hitsangana manatrika ity trano ity sy eto anatrehanao izahay (fa ny anaranao no amin'ity trano ity) ka hitaraina aminao amin'ny fahorianay, dia hihaino Hianao ka hamonjy. 10 Koa indreo ny taranak'i Amona sy Moaba ary ny avy any an-tendrombohitra, Seira, dia ilay tsy navelanao hotafihin'ny Isiraely, fony izy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, ka nivily fa tsy nandringana azy; 11 nefa indreo izy mamaly ratsy anay ka avy handroaka anay amin'ny lova nomenao anay. 12 Ry Andriamanitray ô, tsy hitsara azy va Hianao? Fa izahay dia tsy manan-kery hanohitra ireo olona betsaka ireo, izay avy hamely anay, koa tsy hitanay izay hataonay; fa Hianao no andrandrain'ny masonay.

Manoloana ny amban’ny Amonita sy ny Moabita, izay sady maro an’isa no fantatra amin’ny heriny, mandindona an’i Josafata, mpanjakan’i Joda dia ireto ho hafatra ho antsika:

1. Ny hafa tsy voafehinao (and 1, 2)

<<<…dia avy hiady amin’i Josafata ny taranak’i Moaba sy ny taranak’i Amona mbamin’izay any ankoatry ny Amonita… >> hoy ny tantara eto. Talohan’izao anefa dia vao nanao ny ezaka rehetra hahatsara ny fitondram-panjakana i Josafata (19.411): Maneho izany, fa izay ambana na fanapahan-kevitr’ireo firenena roa ireo dia tsy azon’i Josafata fehezina, tsy misy fanazavana omen’ny tantara ihany koa eto fa dia hoe avy hiady fotsiny izao! Tsy ho azontsika visavisaina izay hataon’ny hafa!

2. Fa ny Tompo no iantoraho (and 6)

<<<…Ry Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, tsy ianao va no Andriamanitra any an-danitra?» hoy ny fanombohan’ny vavaka natain’i Josafata. Mampibaribary amintsika izany fa tsy ny hamory ny tafika no nahamaika ny mpanjaka fa ny hivavaka, hiantoraka amin’Andriamanitra no nataony laharam-pahamehana (vavaka avokoa ny and 5-12). Modely nomen’i Jesoa antsika koa izany talohan’ny hazofijaliana (Mat 26ss). Mivavaha alohan’ny zavatra rehetra !

3. Dia hamonjy tsotra izao (and 22)

<<…dia nasian’i Jehovah otrika hamely ny taranak’i Amona sy Moaba… >> hoy ny tantara. Miditra an-tsehatra Jehovah, mamonjy, tsy tamin’ny fitaovam-piadiana fa tamin’ny fombany tsy takatry ny saina kanefa mampiseho ny hery sy ny fahefany! Tsy mitazam-potsiny amin’ny adintsika Izy, fa momba antsika sy miandany amintsika. Jehovah no mpamonjy, izany no dikan’ny anarana hoe Jesoa!

Fanontaniana:

Amin’ny ady mahamay inona ary no tokony hatao?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny tena mpitory ny filazantsara

Alahady, 31 Mey 2026

Ny tena mpitory ny filazantsara 1- Manao ny andraikitra nomena azy Mahatsapa ny fandrosoan’ny Kristina…

Ny tena fivavahana marina

Asabotsy, 30 Mey 2026

Ny tena fivavahana marina 1- Tsy fivavahana voafaritry ny toerana Rehefa avy nanambara ny momba…

Andriamanitra mihevitra ny vahoakany

Zoma, 29 Mey 2026

Andriamanitra mihevitra ny vahoakany 1- Mifandray aminy mandrakariva Anatın’ny fahoriana ny vahoaka. Nihevitra izy ireo…