Ny olona misaotra an’Andriamanitra
Mofonaina anio: Zoma, faha 23 Oktobra 2026
Sal.67. 3-7 / FFPM 36 / Vavaka/ Mofonaina/FF 34
Deoteronomia 26,5 - 11
5 Dia hiteny eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao hoe: Syriana mpanjenjena no raiko, ka nidina tany Egypta izy, dia nivahiny tany mbamin'ny olom-bitsy; ary tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa. 6 Ary nanao ratsy tamintsika ny Egyptiana ka nampahory antsika sy nampanao antsika fanompoana mafy. 7 Dia nitaraina tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, isika, ka nihaino ny feontsika Izy ary nijery ny alahelontsika sy ny asantsika ary ny fahoriantsika; 8 ary tanana mahery sy sandry nahinjitra sy fampahatahorana lehibe sy famantarana ary fahagagana no nitondran'i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta, 9 dia nitondra antsika niditra teto amin'ity tany ity Izy ka nanome antsika ity tany ity, dia tany tondra-dronono sy tantely. 10 Ary ankehitriny, Jehovah ô, indro, efa nentiko ny voaloham-bokatra amin'ny tany izay nomenao ahy. Dia avelao eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao ny zavatra, ary mivavaha eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao. 11 Ary mifalia amin'ny soa rehetra izay nomen'i Jehovah Andriamanitrao anao sy ny ankohonanao ianao sy ny Levita mbamin'ny vahiny eo aminao.Ny olona misaotra an’Andriamanitra
1- Manatitra fanatitra ho Azy
« Ary ankehitriny, Jehovah ô, indro, efa nentiko ny voaloham-bokatra amin’ny tany izay nomenao ahy » (and. 10)
Fanambaram-pinoana ataon’ny Isiraely rehefa manatitra ny fahafolon-karena. Fisaorana an’Andriamanitra noho ny nanomezany ny tany Kanana. Ny voaloham-bokatra no tsara indrindra atolotra an’i Jehovah. Toy izany koa isika, rehefa namboly, niompy, niasa ka nahavokatra tamin’izany, dia misaora an’Andriamanitra. Fa ny fanaterana ho an’i Jehovah dia mariky ny fahatsiarovana ny fitondrany mahasoa. Ary ny fanatitra rehetra atao dia midika ho fijoroana vavolobelona avokoa. Amin’ny fahombiazana rehetra amin’ny fiainanao dia mahaiza manolotra ny tsara indrindra ho an’ny Tompo.
2- Mivavaka Aminy
« …ary mivavaha eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao » (and. 10). Tsy mişaraka eto ny manolotra sy mametraka ny voaloham-bokatra eo anatrehan’i Jehovah sy ny mivavaka Aminy. Ny vavaka ambara eto dia ny fiankohofana sy ny fanekena ny fahefan’i Jehovah. Vavaka fanehoana ny maha tompon’ny vokatra atolotra Azy izany. Toy izany ihany koa isika ankehitriny, aza hadinoina ny mivavaka, miankohoka eo anatrehan’i Jehovah tamin’izay rehetra nomeny anao. Ny fanaovanao izany dia mariky ny fanekena ny fahefany. Ary fanehoana fa tsy anao ny vokatra fa an’i Jehovah ary ny Azy ihany no atolotrao ho Azy. Mivavaha amin’izany.
Fanontaniana:
Inona ny teny ataonao rehefa manolotra ho an’Andriamanitra?
Foibe Sampana Sekoly Alahady