Andriamanitra mihevitra ny vahoakany
Mofonaina anio: Zoma, faha 29 Mey 2026
Sal 8. 1-5 / Hira 171 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 98
Isaia 44,1 - 5
1 Fa ankehitriny dia mihainoa, ry Jakoba, mpanompoko, sy ry Isiraely, izay nofidiko; 2 Izao no lazain'i Jehovah Izay nahary anao sy namorona anao hatrany am-bohoka sady mamonjy anao: Aza matahotra, ry Jakoba mpanompoko, Ary ianao, ry Jesorona*, izay nofidiko; [Jesorona dia anaran'ny Isiraely] 3 Fa handatsaka rano amin'izay mangetaheta Aho, ary riaka ho amin'izay tany karankaina; Eny, handatsaka ny Fanahiko amin'ny taranakao Aho, ary ny fitahiako ho amin'ny terakao; 4 Dia haniry eny amin'ny ahitra tahaka ny hazomalahelo eny anilan'ny rano mandeha ireny. 5 Ny anankiray hilaza hoe: An'i Jehovah aho: Ary ny anankiray koa hankalaza ny anarana hoe Jakoba; Ary ny anankiray koa indray hanoratra amin*'ny tànany hoe: An'i Jehovah, Ary ny anarana hoe Isiraely dia hotononiny amim-panajana.[Na: eo amin']Andriamanitra mihevitra ny vahoakany
1- Mifandray aminy mandrakariva
Anatın’ny fahoriana ny vahoaka. Nihevitra izy ireo fa nahafoy azy Andriamanitra. Eto anefa dia voaaporofo fa tsy mahafoy azy ireo Andriamanitra, ary mifandray amin’izy ireo hatrany ka antsoiny amin’ny anarana hoe ry « Jakoba mpanompoko » mihitsy mba hihaino azy. Manambara fifandraisana akaiky izany, sady maneho fa tsy manadino azy ireo velively Izy. Tsarovy fa tsy manadino na mahafoy antsika Andriamanitra na dia toa mamela antsika handalo zava-tsarotra izay mety ho vokatry ny fahotantsika aza, amin’ny fotoana sasany.
2- Mampanantena famonjena Izy
Mahatsapa ny tahotra sy ny fahorian’ny vahoakany Andriamanitra ka mampahery sy manome toky azy ireo hoe: « Aza matahotra » Mampanatena ihany koa Izy fa hamonjy sy hanavao ny fiainan’izy ireo. Izany no asehon’ny Teniny hoe « handatsaka rano amin’izay mangetaheta aho, ary riaka ho amin’ny tany karankaina ». Tsy ara-nofo sy materialy ihany no tiany hambara amin’izany fa ara-panahy ihany koa. Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa izy no hovokisana. Mampanatena famonjena ho antsika Andriamanitra, koa minoa ny Teniny izay tsy maintsy ho tanteraka.
3- Mitahiry ny taranaka ho avy
Ny fahotan’ireto zanak’Israely ireto no nahatonga an’ Andriamanitra namela azy ireo ho babo. Eto Andriamanitra dia milaza fa handatsaka ny Fanahiny amin’ny taranaka, ka hahatonga ireo taranaka ho resy lahatra sy hijoro vavolombelon’ny maha vahoakan’ Andriamanitra azy ireo, ary tsy hiala amin’izany. Zava-dehibe ny hananana taranaka matahotra an’Andriamanitra
Fanontaniana:
Mino ny fiainam-baovao omanin’ny Tompo ho anao ve ianao?
Foibe Sampana Sekoly Alahady