Ny olona misafidy hanompo an’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alahady, faha 25 Oktobra 2026
Sal.98. 1-3/ HF 48/ Vavaka/ Mofonaina/Vavaka/HF 6
2 Mpanjaka 23,1 - 3
1 [Ny fahazotoan'i Josia handrava ny fivavahana tsy marina sy hanangana indray ny fivavahana amin'i Jehovah, ary ny niadiany tamin'ny Egyptiana, sy ny nahafatesany] Ary nanirahan'ny mpanjaka, ka dia vory tany aminy ny loholon'ny Joda Jerosalema rehetra. 2 Dia niakatra ho ao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka, ary nanaraka azy ny lehilahy rehetra amin'ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema mbamin'ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe; ary novakiny teo anatrehany ny teny rehetra tamin'ny bokin'ny fanekena izay hita tao an-tranon'i Jehovah. 3 Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan'i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ny tenin'ny fanekena sy izay voasoratra ao amin'izany boky izany. Ary ny vahoaka rehetra koa dia mba nanaiky ny fanekena.Ny olona misafidy hanompo an’Andriamanitra
1- Miditra ao an-tranony
« Dia niakatra ho ao an-tranon’i Jehovah ny mpanjaka, ary nanaraka azy ny lehilahy rehetra… » (and. 2)
Nandritra ny dimampolo taona mahery ny firenen’i Joda no niaina tao anatin’ny fanompoan-tsampy, niafina ny Soratra Masina, tsy nahalala an’Andriamanitra. Eto anefa nony tonga mpanjaka i Josia dia nisafidy hanompo an’i Jehovah. Niditra tao amin’ny Tempoly izy sy ny vahoaka. Raha izany, ny dingana voalohany anehoana ny fahavonona hisafidy ny fanompoana an’i Jehovah dia ny fidirana ao an-tranony. Raha milaza fa hiova ny olona, hanaraka an’Andriamanitra dia miditra ao am-piangonana. Ao am-piangonana no maneho ny fanatrehan’i Kristy ny vahoakany.
2- Mifototra amin’ny teniny
« Ary novakiny teo anatrehany ny teny rehetra tamin’ny bokin’ny fanekena izay hita tao an-tranon’i Jehovah » (and. 2)
Novakin’i Josia teo anatrehan’ny vahoaka ilay boky hita tao anatin’ny Tempoly nandritry ny fanadiovana natao. Taorian’izay dia nanao fanekena izy fa hankato izay voalaza tao anatiny. Nanaraka izany ihany koa ny vahoaka nanatrika teo. Rehefa vakiana ho ren’ny hafa ny Soratra Masina dia miteraka fanapahan-kevitra ho an’ny olona sy ny mpihaino izany izy. Manomboka ny fifohazam-panahy rehefa vakiana ampahibemaso ny Soratra Masina. Koa raha tiana hanova ny hafa dia vakiana mafy ampahibemaso ny Soratra Masina. Amin’izany no miampita ny fiovam-po avy amin’ny filazantsara.
Fanontaniana:
Inona avy ny fiovam-po noraisinao avy tamin’ny Filazantsara?
Foibe Sampana Sekoly Alahady