Ny tena mpitory ny filazantsara

Mofonaina anio: Alahady, faha 31 Mey 2026

Sal 135. 1-4 / Hira 217 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 307

Romana 15,14 - 21
14 Fa izaho koa, ry rahalahiko, dia matoky ny aminareo fa feno fahatsarana ianareo sady mahay mifananatra koa. 15 Kanefa amin'ny fahasahiana no anoratako ny teny sasany aminareo, toy ny mampahatsiaro anareo indray noho ny fahasoavana nomen'Andriamanitra ahy, 16 mba ho mpanompon'i Kristy Jesosy ho an'ny jentilisa aho ka manao fanompoam-pivavahana amin'ny itoriako ny filazantsaran'Andriamanitra, mba horaisina amin'ny fankasitrahana ny fanatitra, dia ny jentilisa, rehefa nohamasinin'ny Fanahy Masina. 17 Ka dia manana izay hataoko rehareha ao amin'i Kristy Jesosy aho noho ny amin'Andriamanitra. 18 Fa tsy sahiko lazaina izay zavatra tsy nampanaovin'i Kristy ahy, na tamin'ny teny, na tamin'ny asa, mba hampanaiky ny jentilisa, 19 dia tamin'ny herin'ny famantarana sy ny fahagagana, ary tamin'ny herin'ny Fanahy Masina*, dia hatrany Jerosalema ka manodidina hatrany Ilyrikiona, no nahatanterahako ny fitoriako ny filazantsaran'i Kristy. [* Na: (Fanahin'Andriamanitra)] 20 Koa dia nataoko ho voninahitro ny hitory ny filazantsara toy izao: tsy eo amin'izay efa niantsoana an'i Kristy anefa, fandrao hanovona eo ambonin'izay efa naorin'ny sasany aho; 21 fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy nilazana Azy no hahita, Ary izay tsy nandre no hahafantatra (Isa. 52. 15).

Ny tena mpitory ny filazantsara

1- Manao ny andraikitra nomena azy

Mahatsapa ny fandrosoan’ny Kristina tao Roma i Paoly, ary maneho ny fahatokinay sy ny fifaliany amin’izany. Izany no anehoany fa tsy noho ny tsy fahampian’ny fampianarana ananan’ny Romana akory no anoratany fa noho ny iraka izay nomen’Andriamanitra azy hitaiza ny Fiangonana. Maro ny asa anirahan’ny Tompo antsika, amin’ny maha mpitory ny Filazantsara antsika, koa tanteraho izany. Fa toy izany no nahatanterahan’i Jesoa Kristy ny iraka nomen’ny Ray Azy.

2- Mitory amin’ny Jentilisa

Mirehareha ny maha Apostolin’ny Jentilisa azy i Paoly ka mijoro vavolombelon’izany. Asehony fa andraikitra nomena azy ny hitory ny famonjena amin’ireny, mba hahatonga azy ireny ho fanatitra ankasitrahana, rehefa nino ka nandray ny fanamasinan’ny Fanahy Masina. Tsy avy hiantso ny marina tokoa i Jesoa Kristy fa ny mpanota hibebaka. Tokony hataontsika mpitory ny Filazantsara ho laharam-pahamehana ny fitoriana amin’ny mpanota, mba hahatonga azy ireny handray ny famonjena ka ho fanatitra ankasitrahana.

3- Tsy manao afa-tsy izay nampanaovin’ny Tompo

Na dia avy hamonjy ny Jentilisa aza no iraka nampanaovina an’i Paoly dia tsy nitady fomba toy ny fanaon’ny olona sasany ho enti-mampanaiky ny Jentilisa izy, fa izay nitarihan’ny fanahin’ Andriamanitra azy ihany no nataony. Tsy sahy nanambara na nanao izay zavatra tsy nampanaovin’ny Tompo azy izy na tamin’ny teny na tamin’ny asa. Isika koa dia tokony tsy hanao afa-tsy izany asain’ny Tompo ataontsika ihany tahaka izay nataon’i Jesoa.

Fanontaniana:

Misy zavatra tsy nasain’ny Tompo nataonao ve, nefa nataonao?

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Ny tena fivavahana marina

Asabotsy, 30 Mey 2026

Ny tena fivavahana marina 1- Tsy fivavahana voafaritry ny toerana Rehefa avy nanambara ny momba…

Andriamanitra mihevitra ny vahoakany

Zoma, 29 Mey 2026

Andriamanitra mihevitra ny vahoakany 1- Mifandray aminy mandrakariva Anatın’ny fahoriana ny vahoaka. Nihevitra izy ireo…

Ny fahatongavan’ny Fanahy Masina

Alakamisy, 28 Mey 2026

Ny fahatongavan’ny Fanahy Masina 1-Fahatanterahan’ny teny nataon’i Jesoa Talohan’ny niakaran’i Jesoa tany an-danitra dia nanafatra…