Alatsinainy 24 Novambra 2025
Sala. 66, 1 – 7 / Hira 175,1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 648, 3
Lioka 21, 5 – 11
Fanontaniana napetraky ny mpianany tamin’i Jesoa ny hoe : «Mpampianatra ô, rahoviana no ho avy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany?» (Lioka 21, 7) ary nitondran’i Jesoa valiny, ka ireto no ambaran’i Jesoa fa famantarana :
1. Kristy sandoka (and. 8)
«Ary hoy Izy: Mitandremana, fandrao ho voafitaka ianareo; fa maro ny ho avy amin’ny anarako sady hanao hoe: Izaho no Izy; ary koa:Efa akaiky ny andro; koa aza manaraka azy.» Efa mitranga ankehitriny izany, raha tsy hilaza afa-tsy ny eto Madagasikara, misy olona mitonona ny tenany ho Kristy, ary mitaona sy mitarika olona hanaraka azy sy hivavaka aminy mihitsy. Aoka hiorina tsara amin’ny finoana ianao mba tsy ho voasarik’ireny.
2. Ady (and. 9, 10)
«Ary raha handre ady sy tabataba ianareo … Hisy firenena hitsanga hamely firenena, ary hisy fanjakana hamely fanjakana.» Tsy tokony ho taitra na hangorohoro ny mpino manoloana ny fifandrafiana sy fifampidarohana « baomba » etsy sy eroa. Fa efa nampiomanin’i Jesoa antsika rahateo izany. Ny fiomanana amin’ny fiavian’i Jesoa no aoka hifantohana sy hifotorana hatrany.
3. Loza voajanahary (and. 11)
«Ary hisy horohorontany lehibe ary mosary sy areti-mandringana any amin’ny tany samy hafa, ary hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe avy any an-danitra.» tsy vao izao no nisy ny loza voajanahary, saingy amin’ny vanim-potoana iainantsika ankehitriny dia tsikaritra fa miha sesilany, ary mihamafy kokoa hatrany izany. Hamafiso rahavana ny fiambenana!
Fanontaniana
Ahoana no hilazana fa akaiky ny fotoana hiverenan’i Jesoa?
Sampana Sekoly Alahady Foibe

