Alahady, faha 23 Novambra 2025
Sal 93.1-5 / Hira 178: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 471:2
Mika 7.7-10
Hafatra roa no mifandimby ao amin’ny boky: hitsara sy hanitsy ny olony Jehovah (Mik 1-3; 6.1-7. 7), kanefa koa mampanantena Izy fa hamonjy sy hanarina azy (Mik 4, 5; 7. 8-20). Nambanan’ny miaramila Asyriana i Joda tamin’ny vanim-potoana naminanian’i Mika. Maneho ny hadirin’ny fatokiany an’Andriamanitra ny mpaminany eto, ary azontsika tsoahina avy amin’izany fa Jehovah dia:
1. Azo antenaina (and 7a)
«Fa izaho kosa dia hanandrandra an’i Jehovah, Eny, hiandry an’Andriamanitry ny famonjena ahy aho… ». Mihasinkasina tsara avy amin’izao tenin’i Mika izao, fa na dia eo aza ny fisafotofotoana sy ny ambana samihafa dia mbola matoky sy mametraka ny momba azy eo an-tanan’Andriamanitra hatrany izy. Fantany fa Andriamanitra mahery Jehovah, ary tsy misy mahaleo Azy. Ny anarana hoe Mika rahateo dia midika hoe: « Iza no tahaka an’i Jehovah?». Ianao koa, matokia an’i Jehovah na dia mandalo ady mafy sy sarotra tena mahamay aza!
2. Mihaino taraina (and 7d)
«…Andriamanitro no hihaino ahy…». Entitra ny filazan’i Mika mpaminany fa tsy avelan’i Jehovah ho irery, na sanatria tsy raharahiany akory ny olony. Fa henoiny ny fitarainany, ary tsy raraka an-tany eo anatrehany ny fahorian’ny mpanompony. Zava-dehibe ny mahatsiaro fa misy mihaino, indrindra raha miatrika ady. Aza misalasala miantoraka amin’ny Tompo, fa mihaino Izy.
3. Tsy mamela ny olony hangaina (and 9)
Miady ny adin’ny olony Jehovah, Izy no miditra an-tsehatra amin’ny famonjena ny olony sy ny famaliana ny fahavalony. Miandany amin’ny mpanompony hatrany Izy, ary tsy mamela azy ho potraka (and 8b) fa manarina azy hatrany.
Fanontaniana:
Manao ahoana ny fatokianao an’i Jehovah ?
Sampana Sekoly Alahady Foibe

