Talata, faha 18 Novambra 2025
Sal 95. 1-5 / Hira 205: 1/ Vavaka / mofonaina / Vavaka / Hira 383: 3
Zefania 3.6-8
Ny toko 3, amin’ny bokin’i Zefania, dia hafatra manokana ho an’ireo mpitondra niaina fahalovana tao Jerosalema ary mirazotra amin’izany koa anefa ny fampanantenana fanarenana ho an’izay miverina marina amin’i Jehovah. Aseho antsika anio àry fa Jehovah Andriamanitra dia:
1. Marina (and 6)
« Efa nahafongana firenena Aho… nosimbako ny lalany tsy hisy mpandeha; Rava ny tanànany…« . Io teny io dia mampisongadina ny maha marina an’i Jehovah, satria tsy mba avelany hiala maina ny mpanota miziriziry amin’ny hamafisan-katoka fa faiziny ho tonga saina. Tandremo fa manafay Jehovah !
2. Manarina (and 7)
« Hoy Izaho: Hatahotra Ahy tokoa ianao ka hino anatra, Dia tsy ho rava ny fonenanao…« . Ny dikan’ny hoe « hino anatra » dia mandray fanitsiana ka manaiky hiova, ary tsy hamerina intsony izay efa nahadiso teo aloha. Izany fanapahan-kevitry ny olona izany no hamindran’ Andriamanitra fo aminy. Tsy sitrak’i Jehovah rahateo ny hahafaty ny ratsy fanahy (Eze 33. 11) fa satriny hovonjena avokoa. Izay vonon-kibebaka no hamindrana fo; ny dikan’ny hoe Zefania rahateo dia hoe: « manafina na miaro i Jehovah ». Arovany tsy haringana izay mibebaka marina tokoa!
3. Mamarina (and 8)
« Fa izao no kasaiko hatao: Hamory firenena sy hanangona fanjakana Aho, Hanidinako ny fahatezerako amin’ireo, dia ny firehetan’ny fahatezerako rehetra…« . Eto kosa no mihasinkasina fa Jehovah dia tezitra amin’izay manao zinona Azy, ka sady tsy miraharaha ny olony no manao tsinontsinona Azy Andriamanitra.
Fanontaniana
Inona araka izany no andrasan’i Jehovah amin’ny olona?
Sampana Sekoly Alahady Foibe

