Zoma 14 Febroary 2025
Sal 128. 1-6/ Hira 531: 1, 3/ Mofonaina/ Vavaka
Jaona 2.1-12
Ity famantarana voalohany nataon’i Jesoa dia marmpianatra antsika fa:
1. Misy vahaolana ao amin’i Jesoa (and 3)
« Ary rehefa lany ny divay, dia hoy ny renin’i Jesoa taminy: tsy manana divay izy » hoy ny fitantarana eto. Maneho amintsika izany, fa tena azo iantorahana sy azo antenaina tokoa i Jesoa, tsy diso safidy mihitsy i Maria raha nilaza ny zava-misy taminy, sady tsy nanana fisalasalana kely akory izy. Ity farany rahateo efa nahalala hatrany am-bohoka fa zanak’ Andriamanitra, tonga nofo i Jesoa, noho izany mahefa ny zavatra rehetra Izy. Ento eo amin’i Jesoa ny olanao! Misy vahaolana ao Aminy.
2. Saingy manana ny fotoanany ny amin’izany Izy
Manoloana ny fithetsik’i Maria dia nilaza i Jesoa hoe: « …tsy mbola tonga ny fotoako » (and 4). Entin’i Jesoa milaza izany, fa tsy anjaran’ny olombelona ny hibaiko na hanery an’i Jesoa tsy maintsy hanatanteraka izay tadiaviny eo no ho eo. Azontsika atao, ary tena tokony ataontsika tokoa ny mitondra izay manavesatra antsika eo amin’i Jesoa, kanefa tsarovy fa masi-mandidy izy ka manana ny fotoany!
3. Ary finoana sy fankatoavana no ilainy (and 8)
« Ary hoy i Jesoa taminy: tovozy amin ‘izao…« . Baiko mazava no nomen’i Jesoa ho an’ireo mpanompo ny hamenoana rano ireo siny vato enina, ary rehefa feno dia tovozina avy eo. Rehefa nanaraka an-tsakany sy an-davany ny Tenin’i Jesoa izy ireo, dia nahita maso ny fidiran’i Jesoa an-tsehatra ka nanova ny rano ho divay, ary tsy vitan’izany fa mbola divay faran’izay tsara karazana mendri-panajana ny olona nasaina no teo. Ampianarina antsika eto ary fa izao, tsy mahita ny herin’i Jesoa sy ny voninahiny isika raha tsy mino sy mankato ny teniny. Indraindray anefa, ny saintsika sy ny lojikantsika no henointsika ka sady misalasala isika no be fanotaniana hoe: hainy tokoa ve?
Fanontaniana
Aiza ianao no miantoraka amin’ny endrika olana atrehinao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe