Sabotsy 04 Martsa 2023
LIOKA 16.14-31
Mazava ny fampianarana tian’i Jesoa ampitaina amin’ny alalan’izao fanoharana izao.
1-Mahavery ny fitiavam-bola (and15)
« Hianareo no mpanamarin-tena eo anatrehan’ny olona ,nefa Andriamanitra mahalala ny fonareo … », hoy i Jesoa raha namaly ny esoeso nataon’ny Fariseo mpitia vola azy . Raha vao latsaka amin’ny fitiavam-bola ny olona dia tsy mahay manompo an’Andriamanitra izy ,tsy omeny anjara toerana eo amin’ny fiainany intsony ny Tompo ary raha mbola mahazo aza dia anjorom-bala sisa . Fantatr’i Jesoa tsara izany ka nahatonga Azy niteny hoe : « tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy mamôna ianareo » (and13b)
2-Hanenenana ny fitiavan-tena (and 25)
Ary hoy i Abrahama : « Anaka ,tsarovy fa ianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin’ny andro niainanao … » .Ao anatin’ity fanoharaha ity dia nivoitra ihany koa fa ny tsy fiheverana ny hafa ,na dia hita eo ambany mason’ny tena aza ny fahoriany dia hanenenana . Andeha hiainantsika fotsiny izao ny fampianaran’ny Soratra masina izay nohamafisin’i Jesoa hoe : « Tiava ny namanao tahaka ny tenanao » (Lev 19.18)
3-Ampy ny Tenin’Andriamanitra (and31)
Aoa anatin’ny fanoharana dia mazava fa rehefa ny Tenin’Andriamanitra efa nomeny ( lalàna sy mpaminany ) no tsy hinoan’ny olona dia tsy hino koa izy na dia hisy hitsangana amin’ny maty aza . Tsy mila miandry fahitana na fahagagana vao hino fa ny Tenin’Andriamanitra dia ampy hitondra famonjena .Minoa ny teny voasoratra ary minoa ny teny tonga nofo dia i Jesoa Kristy (Asa 16.31)
Fanontaniana :
Ahoana no hahazoana milaza fa tena mandeha araka izao fampanaran’iJesoa Izao ianao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM