Alakamisy 02 Martsa 2023
MATIO 25.14-30
I Jesoa no oharina amin’ilay olona anankiray handeha any an-tany lavitra ary mbola hiverina amin’ny fotoana tsy voafaritra sy tsy ampoizina fa isika kosa no oharina amin’ireo mpanompo izay notolorany ny fananany isika fa :
1-Mametraka fitokisana amintsika iJesoa
Tsy am-pisalasalana na dia fotoana fohy monja aza no niantsoan’ilay lehilahy mpanankarena ny mpanompony ,tsy niantso havana na olom-pantatra na namana akaiky Izy . Midika izany fa atokisany ireto mpanompony ireto ary tombanany , fa tsy hanao kinanga matoa ny fananany manontolo no napetrany tamin’ireo . Izaho sy ianao anie izany e ! nametrahan’i Jesoa fitokisana isika mba tena mendrika izany tokoa ve isika ?
2-Manakarem-pahasoavana avokoa isika
Raha mamaky tsara isika dia hahita fa tsy nisy na dia iray tamin’ireo telo lahy mpanompo aza ka tsy nomena talenta ( ny talenta iray dia mitovy amin’ny karaman’ny mpiasa anankiray mandritra ny 6000 andro ) , izany hoe : tsy misy afaka hilaza isika fa tsy mahavita na tsy afa-manoatra .
3-Miandry vokatra amintsika i Jesoa
Amin’ny fotoana hiverenan’ny Tompo indray , izay tsindriana etoana fa tsy misy mahalala , dia anontaniana antsika ny fomba nampiasana sy nitantanantsika ireo talenta nomena antsika . Koa fifaliana ho azy ny handre avy amintsika fa nahazo tombony isika . Ny hoe : mahazo tombony dia tsy hafa fa nandray andraikitra amin’ny fanitarana ny ambaindain’ny fanjakan’Andriamanitra
Fanontaniana:
Ho inona re no hambaranao amin’i Jesoa rehefa hihaona Aminy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM