Alarobia 01 Martsa 2023
2 MPANJAKA 20.1-7
Ity tantaran’i Hezekia mpanjakan’i Joda ity dia mampianatra antsika indray anio fa :
Ny mpitondra mandeha amin’ny fahamarinana dia
1-Mihaino an’Andriamanitra hatrany (and 2)
Voantantara eto fa narary mafy saiky maty i Hezekia , ary tonga tao aminy Isaia mpaminany , nitondra ny hafatr’Andriamanitra . Miharihary eto fa tsy zava-maivana amin’i Hezekia mpanjaka mihitsy ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra . Ny misongadina eto dia izao : ny handre izay tian’Andriamanitra ambara aminy aloha no laharam-pahamehana ho azy izay vao zavatra hafa .Tsy ny asa sosialy no mamaritra ny atao hoe : mandeha amin’ny fahamarinana , fa fanekena hihaino an’Andriamanitra alohan’ny zavatra rehetra .
2-Henoin’Andriamanitra vavaka (and 5)
Tsy lavitra akory i Isaia dia efa namaly ny vavaka’ i Hezekia ny Tompo .Hoy ny filazany hoe : « efa nohenoiko ny fitarainanao , ary efa hitako ny ranomasonao , indro hahasitrana anao Aho… »Azo tsoahana avy amin’izany fa tsy mba manetsi-tadiny amin’ny mpanompony marina Andriamanitra fa sady mahita no mandre izay mampahory sy manavesatra azy .Izay mivavaka amin’ny fo sy amin’ny fahamarinana dia valian’Andriamanitra .Tsarovy fa tsy very maina akory ny vavaka ataontsika .Misongadina eto mihitsy fa raha mivavaka marina ny mpitondra ny firenena dia tsy ny tenany ihany no voavonjy fa ny firenena manontolo mihitsy no zary misitraka ny famonjena sy ny fanavotan’Andriamanitra (and 6,7) .Taomina àry izay rehetra manana andraikitra mba hivavaka marina .
Fanontaniana:
Ahoana no fiainanao izany hoe : mandeha amin’ny fahamarinana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM