Alarobia 02 Novambra 2022

2 TIMOTY 3.1-9

 Mananatra  an’i Timoty zanany  i Paoly  ny amin’ny zavatra hitranga  any am-parany  . Ny mpandinika dia milaza  fa manomboka eo amin’ny andro  Pentekosta  ny andro farany  ary  miafara  amin’ny andro  hiavian’I Kristy  fanindroany  .Jereo àry :

1-Efa miseho ny famantarana

 Tia tena , tia vola , mpandoka tena ,tsy manam-pitiavana , loza be… Zava-misy  eo  amin’ny fiaraha-monina ankehitriny  ireo  voalazan’ny  Soratra masina ireo . Asain’ ny Tenin’Andriamanitra  mitandrina  isika  satria lamaody arahina  ireo  fa fisehoan’ny  andro farany . Ankehitriny  mantsy  dia ny hadalana  indray  no  toa adala   fa izay  mitafy  voron-kitsay  no  hendry  .Ary efa  miseho lany  ny fampandaniana ireo  lalàna  feno hadalana  eo amin’ny firenena  samihafa .Hoy  ny Tenin’ny Tompo  aminao : “Ary aza  manaraka ny fanaon’izao tontolo izao  , fa miovà  amin’ny fanavaozana ny saina …” (Rom 12.2). Famantarana  ireny  fa tsy zavatra natao arahina akory .

2- Efa betsaka  ny tsy miorina (and 5)

Ny karazan’olona  hafa indray  dia ireo  milaza  azy  ho  Kristiana  nefa tsy menatra  sy tsy matahotra amin’ny fahotana ataony .Tsy  anarana enti-poana ny Anaran’I Kristy ary  mazava fa tsy  ny  anarana maha-kristiana  no  mahavonjy  fa ny  toe-panahy  araka an’Andriamanitra .Na I Jesoa aza efa nanaitra mafy  ny mpianany fahizay  hoe : “Tsy  izay rehetra manao  amiko hoe :Tompoko  , tompoko  no  hiditra ny fanjakan’ny  lanitra  , fa izay  manao ny  sitrapon’ny Raiko  izay any an-danitra “ (Mat 7.21)  . Aza mianina fotsiny  amin’ny  fitondranao  ny  anarana hoe: Kristiana  fa iaino ny  Teniny  mba hahatonga anao  tsy  hanenina amin’ny fiavian’I Jesoa Kristy.”Fa ny  amin’ny andro  sy  ora izany  dia tsy misy mahalala na dia ny anjelin’ny  lanitra aza (ary na dia ny zanaka aza) afa-tsy  ny Ray ihany”  (Mat 24.36)

Fanontaniana:

 Aiza ny toerana misy anao  raha ho  avy ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV