Sabotsy 01 Mey 2021

MPITSARA 3.9-11

Mampiorina ny mino ny herin’ny Fanahy Masina

Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah ny Israely (and7) . Vokatr’ izany dia Andriamanitra mihitsy no nanolotra azy ireo ho eo an-tànan’ny mpanjakan’i Mesopotamia.

1-Tia antsika ny Tompo na dia manafay aza

Mafy ny fampahoriana nihatra tamin’ny Zanak’Israely , vokatry ny fahotany ka nahatonga azy ireo hibebaka sy hitaraina tamin’i Jehovah . Ny famaizana sy ny kapoka nataon’Andriamanitra no nampiverina ny Israely ka nahatonga azy hitaraina Aminy . Tia antsika Andriamanitra , kanefa raha minia miala amin’ny didiny isika dia tsy maintsy mihatra amintsika ny kapoka sy ny famaizana . Ny fijaliana sy ny fahoriana mihatra amintsika , na amin’ny firenentsika dia tokony hitarika antsika hitaraina amin’Andriamanitra mba hanasitranany antsika .

2-Mamonjy sy manafaka amin’ny fahoriana Izy

Mahita ny fahoriana manjo antsika ny Tompo , sady mihaino ny fitarainan’izay rehetra miantso Azy . Ho valin’ny fitarainan’izay rehetra miantso Azy . Ho valin’ny fitarainan’Israely dia nanangana an’i Otniela ho mpamonjy azy ny Tompo . Ny fahotana no efitra nampisaraka antsika amin’Andriamanitra , ka miteraka fahoriana maro. Andriamanitra dia naniraka ny zanany lahitokana , dia i Jesoa Kristy mba hamonjy antsika . Ny fiverenana amin’Andriamanitra ihany no mahavonjy . Fa hoy ny voasoratra : « Raha ny oloko izay nantsoina amin’ny Anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ny ratsy fanaony , dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny «  (2Tant 7.14)

Fanontaniana :

Nahoana no miandry kapoka ny olona vao mahatsiaro hibebaka ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Septambra: MIORINA AMIN'NY FINOANA NY MPINO

| | 22. Ala. XVII man. Trinite - Sampanasa FFP
Eksodosy 4. 27–31 | Marka 5. 25–34 | Filemona 4–7

| | 29. Ala. XVIII man. Trinite
Genesisy 35. 9–15 | Matio 15. 21–28 | Jakoba 1. 1–4

FJKM Fahazavana

FJKM ANKADINDRAMAMY – SP Antananarivo Atsinanana (12)

Production : FTV FJKM (c) Aôut 2024