Zoma 2 Aprily 2021

Matio 27.45-56

Ampiorina ao amin’ny finoantsika

1-Aoka hahafohy tahaka azy isika

Marobe ny hevitra azo ambara amin’ity aiza tamin’ny atoandro ity. Izay fotoana nanombohana an’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana. Fa raha ampifandraisina amin’ny tenin’i Jesoa hoe : Ely, Ely, Lamà sabaktany, dia azo heverina fa toy ny fotoana nialan’Andriamanitra. Indrindra raha ampitaina ao amin’izay voalaza ao amin’ny Gen 1.1-2 dia voalaza fa aizina no nanjaka voaloHany teto an-tany. Fa rehefa niditra an-tsehatra Andriamanitra, dia nampisy ny mazava eto dia toa niala Izy ka niverina ny aizina nandrakotra ny tany. Navelany ny zanany tao anatin’izany. Nafoiny ny zanany mba hijaly sy ho faty mba ho famonjena antsika mpanota fa maro isika no tsy mahatsiaro izany zava-dehibe nataon’Andriamanitra izany. Toy ny milaza i Jesoa hoe : « nahoana no dia mahafoy ahy hianao ? »

Kanefa ireto olona ireto tsy misy mahafoy ny fahotany akory.

2-Aoka samy hiaina fanavaozana :

Ny nanaovan’Andriamanitra ny andro araka Gen 1.5 dia manomboka ny hariva fa tsy manomboka ny maraina izay hiheverantsika azy. Koa raha voalaza eto fa maizina ny tany rehetra dia manambara fiainam-baovao izay atolotr’Andriamanitra antsika izany. Fa maro isika no mihevitra fa mandao antsika Andriamanitra rehefa manjombona ny androntsika na mandeha anaty aizim-pahoriana isika.

Hay izay ilay fotoana anomboan’ny andro vaovaontsika miaraka amin’ny Tompo. Mazava izany izao fa ilay zanaka’Andriamanitra nanaiky hiditra anaty aizim-pahoriana no hamotika ny fanjakan’ny aizina eo amin’ny fiainantsika (Jaona 8.12)

Fanontaniana :

Manam-paniriana hanaraka ny Tompo ve ianao amin’izao zoma Masina izao ?

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV