Alarobia 02 Desambra 2020
JAONA 4.16-24
Jesoa Mesia ho an’izao tontolo izao
Resaka nifanaovan’i Jesoa tamin’ny vehivavy Samaritana no hita eto fa Mesia Izy ka :
1-Mahalala ny marina rehetra

Rehefa nandroso ny fifampiresahana eto dia niezaka nanafina ny marina momba ny tokantranony ilay vehivavy Samaritana ka nilaza hoe : « tsy manambady aho » . Natsikafon’i Jesoa tanteraka anefa ny marina ka na ny lasa na ny ankehitriny , eny fa na ny ho avy aza dia nambarany avokoa . Tsy misy miafina amin’i Jesoa Kristy tokoa ny marina retra momba ny fiainantsika . Koa aza afenina Azy , aza mihatsaravelatsihy eo anatrehany fandrao ho fahafahambaraka ho antsika no haterak’izany amin’ny fotoana hanehoan’i Jesoa izay nafenina rehetra » fa tsy misy takona izay tsy ho hita na miafina izay tsy haseho » , hoy ny Soratra Masina (Mar 4.22)
2-Manafaka amin’ny tsy fahalalana

Tsy nahalala an’i Jesoa ho ny Mesian’Andriamanitra ity vehivavy iray teto ity . Vokatr’izao fifampiresahana izao anefa dia nisy tsirim-pahalalana teraka tao anatiny ka nahatonga azy nandao ny sininy teo am-patsakana sy niantso ny mpiara-monina taminy mba hizaha an’i Jesoa . Mbola feno fisalasalana ihany anefa ity vehivavy ity manoloana ilay fahalalana vaovao izay nitondran’i Jesoa azy , ka nitandrina fatratra na dia ny amin’ny teny nolazainy aza « izao angaha no Kristy? » (Jao 4.29) . Ny tsy fahalalana dia mitarika antsika hisalasala na hatahotra ka hanaotao foana mihitsy aza . I Jesoa Kristy no manafaka antsika amin’izany . Koa henoy ny Teniny dia minoa izay lazainy « koa raha ny zanaka no hanafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo » (Jao 8.36)
Fanontaniana :
Inona no zavatra nangeja ka efa nanafahan’i Jesoa anao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM