Ny tombony ho an’ny olona mino an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy Azy

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 14 Novambra 2026

Sal.118,1-4 / Hira 16:1,2,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 460

Lioka 21,25 - 28
25 Ary hisy famantarana eo amin'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary et? ambonin'ny tany dia hisy fahorian'ny firenena amin'ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon'ny ranomasina sy ny fanonjany, 26 ka ho reraka ny fon*'ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin'ny tany; fa ny herin'ny lanitra dia hohozongozonina.[* Na: ka hisy ho faty aza] 27 Ary amin'izany andro izany dia hahita ny Zanak'olona avy eo amin'ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy. 28 Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.

Ny tombony ho an’ny olona mino an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy Azy

Mampianatra sy mampiomana ny amin’ny andro farany i Jesoa. Lazaina eto ny amin’izay tokony ho toetran’ny olona, na izay hananany antoka ny amin’izany fiafarana izany. Ho avy indray Izy, ary hifarana izao rehetra izao ka:

1. Aza manahy ny amin’ny fahasarotana (And.25-26)

Ambaran’i Jesoa mazava eto fa hisehoan-javatra mampahatahotra ny vanim-potaonan’ny andro farany. Tsy hisy tsy hahita izany. Tsy zavatra azo ialana anefa izany. Ny fomba hiatrehana izany no hisy karazany ary miankina be dia be amin’ny olona tsirairay. Ny Tompo no ho avy amin’ny fotoany, ary andron’ny Tompo rahateo izany. Ho an’izay mino sy mankatò no hanana fanantenana velona ao anatiny. Manoloana izany no ampianaran’ny tenin’Andriamanitra ny mino mba tsy ho be fanahiana, satria Ilay Tompon’ny hery sy fahefana no miaraka aminy ka hitoerany amin’ny fahatokiana Azy.

2. Hahita ny Tompo isika (And.27-28)

Manara-dia an’i Jesoa ny olona satria resy lahatra ao anaty fa izay mino Azy ihany no manana fiainana mandrakizay. Tena fifaliana ho an’ny mino ny fiavin’ny Tompo. Tonga mpandresy ny mpino, koa raha horohoron’ny tahotra no an’ny tsy mino, dia voninahitra sy hery kosa no ho hitan’ny mino. Ny fanavotana dia zavatra tena andrandrain’ny olona noho ny finoana Azy. Satria vokatry ny fahotana dia tsy misy famonjena hafa andrasana afa-tsy ao amin’i Jesoa irery ihany. Rehefa hiseho ny voninahitry ny Tompo dia hiondrika sy ho ketraka ny tsy mino noho ny tsy fanekena ny fahefany. Fa ny mino kosa dia hiandrandra ka hahita sy ho tonga ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra feno fiadanana.

Fanontaniana:

Inona no tombony ho an’ny olona mino an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy Azy rehefa ho tonga ny andro farany?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Tsy maintsy hifarana izao rehetra iz...

Zoma, 13 Novambra 2026

Tsy maintsy hifarana izao rehetra izao Ity epistily ity dia fampahalalana ataon’i Petera ho an’ireo…

Mampahery sy manafatra i Jesoa rehef...

Alakamisy, 12 Novambra 2026

Mampahery sy manafatra i Jesoa rehefa maniraka Ity Soratra Masina ity dia fampaherezana sy hafatra…

Vavaka ankasitrahan’Andriamanitra

Alarobia, 11 Novambra 2026

Vavaka Vavaka fahatokiana sady fianteherana amin’Andriamanitra nataon’i Mosesy, fony tany an’efitra ny Zanak’Isiraely: 1. Mitoera…