Ny miaramila tsaran’i Kristy
Mofonaina anio: Alahady, faha 19 Jolay 2026
Sal 81,1-4 / Hira 20:1,5 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 639: 1
Efesiana 6,14 - 20
14 Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra, 15 ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo; 16 ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan'ilay ratsy. 17 Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy; 18 ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra, 19 ary ho ahy koa mba homena ahy ny hiloa-bava amin'ny fahasahiana hampahafantatra ny zava-miafina momba ny filazantsara 20 (iraka* migadra noho izany aho), mba hiteny izany amin'ny fahasahiana aho, toy izay mety hoteneniko. [* Gr. ambasadôra]Ny miaramila tsaran’i Kristy
1. Vonona hiady amin’ny ratsy (and 14-16)
Tanisan’i Paoly ireo fiadiana: « … fahamarinana, rariny. Jahavononam-panahy avy amin’ny filazantsaran’ny fihavanana, finoana » (and. 14-16). Ny fitanisana ireo fitaovana ireo dia midika fa tsy maintsy vonona hiatrika ny fahavalo sy ny herin’ny ratsy ny Kristiana. Ny ady atrehina eto dia tsy ady ara-batana fa ady ara-panahy. Noho izany dia mila mitafy sy manana ireo fiadiana ireo ny miaramila tsara an’i Kristy mba hahazoany fandresena. Tsy mora ny ady, ka izany indrindra no ilana ireo fitaovana tanisain’i Paoly ireo. Ho antsika mpino ankehitriny, isika no miaramila tsara an’i Kristy; tiany ho vonona hiady amin’ny ratsy amin’ny fotoana rehetra isika, koa hazony ireo fiadiana ireo.
2. Feno ny tenin’ Andriamanitra (and 17)
Koa satria ady ara-panahy no resahina, dia ny Tenin’ Andriamanitra no hery sy fiarovana ho an’ny miaramila tsara an’i Kristy. Ny tokony hatao dia ny mamaky sy mandinika ny Soratra Masina, mitahiry ao am-po, mampihatra sy miaina ary mivelona izany amin’ny andro ahavelomana. Rehefa feno ny Tenin’ Andriamanitra isika dia mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy, ary afaka handresy ny fahavalo. Ho antsika mpino ankehitriny, diniho ny Soratra Masina izay mirakitra ny sitrapon’ Andriamanitra, raiso izany ka ampiharo amin’ny sehatra rehetra misy anao, sy eo amin’ny fiainanao manontolo.
Fanontaniana:
Amin’ny fomba ahoana ny hiatrehanao ireo adim-panahy samihafa eo amin’ny fiainanao?
Foibe Sampana Sekoly Alahady