Ny amin’ny fiaretana fijaliana
Mofonaina anio: Alahady, faha 10 Mey 2026
Sal 66.8-12 / Hira 170 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 37
1 Petera 4,12 - 16
12 [Fananarana mba hiaritra, raha enjehina noho ny fahamarinana] Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany, 13 fa araka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy, dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin'ny fisehoan'ny voninahiny koa. 14 Sambatra ianareo, raha haratsina noho ny anaran'i Kristy, fa ny Fanahin'ny voninahitra, dia ny Fanahin'Andriamanitra, mipetraka ao aminareo. 15 Fa aoka tsy hisy aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpiraharaha ny an'olona. 16 Fa raha misy mijaly satria Kristiana, dia aoka tsy ho menatra izy; fa aoka hankalaza an'Andriamanitra amin'izany anarana izany izy.Ny amin’ny fiaretana fijaliana
Mety hihatra amin’ny olona avokoa ireto zavatra roa izay asongadin’ny Soratra Masina ireto:
1- Ny fijaliana noho ny amin’i Kristy (and. 12,13,14,16)
Jesoa dia efa nilaza fa tsy maintsy hihatra amin’ny mpanara-dia Azy ny fanenjehana. Manamafy izany koa ny Apostoly Petera ankehitriny, mba hiomanatsika amin’ny fiaretana fijaliana mangirifiry noho ny amin’i Kristy. Asehon’Andriamanitra antsika ireny, mba hizahan-toetra ny finoana sy mariky ny fiombonana fijaliana amin’i Kristy. Tsy tokony hampiferin’aina na atao hahamenatra izany hoy i Petera. Fa vao mainka aza tokony hifalian’ny mino, satria ho avy ny fotoana hiombonan-karavoana Aminy, amin’ny andro isehoan’ny voninahiny. Izao no voasoratra: « …Fa araka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy, dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin’ny fisehoan’ny voninahiny koa. (and.13)
2- Ny fijaliana noho ny ratsy natao (and.15)
Mety hihatra amin’ny olona ihany koa ny fijaliana noho ny ratsy nataony, araka izay voasoratra hoe: « Fa izay afafin’ny olona no hojinjany » (Gal 6.7). Ny amin’izany indrindra no ananaran’i Petera ny Kristiana, ka hoy izy: « Fa aoka tsy hisy aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpiraharaha ny an’olona » (and.15). Raha mbola eto amin’ity izao tontolo izao ity no misy antsika, dia tsy maintsy hisy hatrany ny fijaliana sy ny fahoriana. Eo amin’ny fiatrehana azy no mampiavaka ny Kristiana satria noho ny herin’ny Fanahy Masina izay miasa ao aminy, dia amin’ny fifaliana no iatrehany izany. Koa raha tsy maintsy hijaly ihany, aleo miaraka amin’i Kristy!
Fanontaniana:
Inona no fizahan-toetra efa nihatra tamin’ny fiainanao?
Foibe Sampana Sekoly Alahady